Firafitry ny Fifanekena

Mampiasa cookies sy teknolojia hafa mitovy aminy izahay mba handeha tsara ny fampiasanao ny jw.org. Tsy maintsy ekena ny fiasan’ny cookies sasany satria ilain’ny tranonkalanay mba hampandeha azy. Mampiasa cookies fanampiny izahay, ary mba hanatsarana ny fampiasanao an’ilay tranonkala fotsiny no ampiasanay azy. Azonao ekena na lavina ireny cookies fanampiny ireny. Tsy hamidinay mihitsy izay fanazavana voaray, sady tsy hampiasainay amin’ny resaka varotra mihitsy. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay hoe Fifanekena Momba ny Fampiasana Cookies sy Teknolojia Mitovy Aminy. Azonao ovana araka izay tianao ny zavatra ekenao sy tsy ekenao, na rahoviana na rahoviana, ao amin’ilay hoe Firafitry ny Fifanekena.

Hijery ny anatiny

Sary mampiseho ny Rivo-doza Yasa sy ireo faritra any Fidji tratran’ilay izy

7 JANOARY 2021
FIDJI

Nandravarava An’i Fidji ny Rivo-doza Yasa

Nandravarava An’i Fidji ny Rivo-doza Yasa

Toerana

Fidji

Zava-nitranga

  • Namely an’i Vanua Levu, nosy lehibe faharoa any Fidji, ny Rivo-doza Yasa, tamin’ny alakamisy 17 Desambra 2020

  • Yasa no rivo-doza mahery vaika faharoa nandravarava an’i Fidji. Nahatratra 260 kilaometatra isan’ora ny herin’ny rivotra nentin’izy io

  • Antoko-mpitory sy fiangonana 30 fara fahakeliny no ao amin’ilay faritra tratran’ilay rivo-doza

Vokatr’ilay rivo-doza tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy mpiara-manompo naratra

  • Araka ny tatitra voalohany, dia fianakaviana 20 no nafindra toerana

  • Be dia be ny fambolena simban’ilay rivo-doza. Mpiara-manompo 430 àry no lasa tsy manana antom-pivelomana

Trano simba

  • Trano 10 no rava tanteraka

  • Trano 25 no simba

  • Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo ny sampan’i Fidji. Nizara an’izay tena nilain’ireo mpitory tra-boina ny KVRV, anisan’izany ny rano fisotro madio, akanjo, sakafo, ary labasy. Nitady toerana vonjimaika hipetrahan’ireo nafindra trano koa izy ireo

  • Nitsidika manokana an’ireo tra-boina ny solontenan’ny sampan’i Fidji sy ny mpiandraikitra ny faritra tany an-toerana

  • Nanaraka foana ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 ny mpiasa an-tsitrapo nikarakara ny Vonjy Rano Vaky sy ireo solontena nitsidika an’ireo tra-boina

Na dia simba aza ny fananan’ny mpiara-manompo vokatr’iny rivo-doza nahery vaika iny, dia tsapan’izy ireo hoe marina ny Salamo 46:1, hoe: ‘Fialofana ho antsika Andriamanitra.’