Hijery ny anatiny

Ala mirehitra any Jennings Creek, any avaratrandrefan’ny Betelan’i Warwick

14 NOVAMBRA 2024
ETAZONIA

Misy Ala Mirehitra eny Akaikin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia

Misy Ala Mirehitra eny Akaikin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia

Nisy ala nirehitra tany amin’ny roa kilaometatra avaratrandrefan’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, any Etazonia, tamin’ny 9 Novambra 2024. Tsy miitatra haingana ilay afo kanefa efa 2 000 hektara mahery izao ny faritra may. Milaza ny manam-pahefana eo an-toerana hoe mety tsy ho faty tanteraka ilay afo raha tsy avy be ny orana.

Tsy misy atahorana aloha izao ny amin’ireo trano ampiasain’ny Betela eny akaikikaiky eny, anisan’izany ny any Warwick sy ny fanorenana ao Ramapo ary ilay toerana fakana video any Tuxedo. Mailo foana anefa ireo rahalahintsika, ka manao zavatra mba hiarovana ny fianakavian’ny Betela sy ny trano. (Ohabolana 22:3) Hoy ny Rahalahy Luke Saladino, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia: “Vao hitanay hoe nirehitra ilay ala dia nanendry rahalahy maromaro izahay teto Warwick, mba hanara-maso an’ilay izy na andro na alina. Nasaina nanala bozaka teny akaikikaiky teny ny Ekipan’ny Vonjy Taitra, sady nasaina nanondraka ny zavamaniry teny ambony tafo. Nanao zavatra hafa koa ry zareo mba hiarovana ny trano. Nasaina nanomana an’ilay kitapo vonjy aina ny fianakavian’ny Betela teto Warwick, sady nampirisihina mba ho vonona handositra rehefa ilaina izany. Soa ihany aloha fa mbola tsy nisy nila nandositra hatreto.”

Rahalahy maromaro manondraka ala ao amin’ny Betelan’i Warwick, mba ho fiarovana. Sary kely: Helikoptera mitaona rano avy ao amin’ny Farihy Manga, dia mandraraka an’izany ao amin’ilay ala mirehitra

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny ekipa mpamono afo sy mpamonjy voina avy eny amin’ny manodidina mba tsy hiparitahan’ilay afo. Mankasitraka an’izany ny rahalahy sy anabavy avy amin’ny sampan-draharaha samihafa tao amin’ny Betela, dia miara-mientana mba hanome an-dry zareo sakafo sy rano ary zavatra hafa ilainy. Nilaza koa ny Rahalahy Saladino hoe: “Misaotra an’ireo lehilahy sy vehivavy miasa mafy ireo izahay, satria miaro anay sy ny mpiara-monina aminay ry zareo na dia mampidi-doza aza ilay izy.”

Mivavaka amin’i Jehovah isika mba homeny “ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina” ireo rehetra miady amin’io afo io.​—Ohabolana 3:21.