Hijery ny anatiny

14 FEBROARY 2019
CUBA

Nisy Tafio-drivotra Tany Cuba

Nisy Tafio-drivotra Tany Cuba

Simba be tao La Havane, renivohitr’i Cuba, rehefa avy nolalovan’ny tafio-drivotra tamin’ny 27 Janoary 2019. Nahatratra 322 kilaometatra isan’ora ny herin’ny rivotra, ary izany no rivotra mahery indrindra namely an’ilay nosy tato anatin’ny 80 taona latsaka. Trano maro tao anatin’ny velaran-tany 11 kilaometatra no simba ary nisy tondra-drano koa tao. Olona 4, fara fahakeliny, no maty, ary 195 no naratra.

Tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra na maty tamin’ilay tafio-drivotra saingy trano 26 an’ny mpiara-manompo no simba ary ny 3 amin’ireo no nampiasaina hanaovana fivoriana. Eo am-panampiana ny mpiara-manompo hanamboatra ny tranony izao ny fandaminana.

Efa mampahery ny mpiara-manompo tratran’iny tafio-drivotra iny ny mpiandraikitra mpitety faritany. Miezaka miarina amin’iny loza iny ny rahalahy sy anabavintsika any, ary mivavaka isika mba hampian’i Jehovah hilamin-tsaina foana izy ireo.—Nomery 6:26.