29 JANOARY 2025
CAMEROUN
Navoaka Tamin’ny Teny Douala ny Bokin’i Matio
Navoaka tamin’ny teny douala ny bokin’i Matio, tamin’ny 19 Janoary 2025. Ny Rahalahy Douglas Dunsire, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Cameroun, no namoaka azy io nandritra an’ilay fandaharana manokana natao tao Douala, any Cameroun. Nisy 995 no nanatrika an’ilay fandaharana mivantana, ary 43 no nanaraka an’ilay izy tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Tonga dia azo nalaina tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library ilay boky. Tsy hatao pirinty kosa izy io raha tsy rehefa vita tanteraka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
Olona iray tapitrisa, fara fahakeliny, no miteny douala any Cameroun. Taloha kelin’ny taona 1900 no vita ny Baiboly feno voalohany amin’ny teny douala, ary mbola ampiasaina izy io hatramin’izao. Tsara homarihina fa mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izy io, ao amin’ilay antsoina hoe Testamenta Taloha. Tamin’ny 1950 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka namoaka boky ara-baiboly amin’ny teny douala. Nijanona kely anefa ny asa fandikan-teny, rehefa voarara ny asantsika tany Cameroun tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1993. Efa ho 900 izao ny rahalahy sy anabavy manompo ao amin’ireo fiangonana 18 miteny douala, eran’i Cameroun. Manana fampianarana Baiboly 900 mahery ireo rahalahy sy anabavy be zotom-po ireo, ka efa tsy andriny erỳ ny hampiasa an’ilay boky vaovao rehefa manampy an-dry zareo.