28 MEY 2021
AZERBAÏDJAN
Miaro ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanao Fotoam-pivavahana ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona
Namoaka didim-pitsarana lehibe mahakasika an’ilay raharaha Aziz Aliyev sy ny Hafa miady amin’i Azerbaïdjan ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, tamin’ny 26 Aprily 2021. Fanintelony izao io Komity io no namoaka didim-pitsarana manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan, sady miaro ny zontsika hanaraka ny fivavahantsika.
Mahakasika ny fanafihana tsy ara-dalàna nataon’ny polisy tao amin’ny trano iray any Aliabad, any amin’ny Faritr’i Zagatala, io raharaha io. Nanaovan’ny polisy bemidina ny tranon’ny Rahalahy Aziz Aliyev, tamin’ny 21 Septambra 2013. Nisy Vavolombelon’i Jehovah maromaro niara-nivory tao tamin’io fotoana io. Nosavan’ireo polisy ireo ilay trano, dia nampitahoriny ireo rahalahy sy anabavy, nalainy ny boky sy gazetin-dry zareo, ny volany, ary ny antontan-taratasy misy ny mombamomba azy sy ny fahasalamany. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy rehetra avy eo. Nifanintona sy tsy nahatsiaro tena ny Ranabavy Havva Azizova teny an-dalana. Voatery nitondra azy tany amin’ny hopitaly àry ny polisy. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy raha vao nahatsiaro tena mba hatao famotorana.
Nanapa-kevitra ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Zagatala, tatỳ aoriana, fa hampandoavina lamandy 1 500 manats azerbaijaney (1 716 dolara tamin’izany) ny maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy. Nanaiky an’io didim-pitsarana tsy ara-drariny noraisin’ny fitsarana teo anivon’ny distrika io ny Fitsarana Ambony any Sheki. Tsy nahita vahaolana teo an-toerana ireo rahalahy, ka nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona.
Nilaza ilay Komity fa nanitsakitsaka ny zon’ireo rahalahy hanaraka izay fivavahana tiany i Azerbaïdjan. Meloka koa izy io satria nisambotra sy nanasazy olona tsy ara-drariny. Nilaza ilay Komity tamin’ilay didy navoakany fa nampijalijalin’ny manam-pahefana sy ny polisy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka “norahonana hoe hampidirina am-ponja, nesoesoina, ary noharatsiratsina ny fivavahany. Tsy nolazaina taminy akory anefa hoe maninona ny fivavahan-dry zareo no lazaina fa manakorontana na manimba.” Nasaina nandoa onitra amin’ireo rahalahy àry i Azerbaïdjan, sady mila “manao izay rehetra azony atao mba tsy ho voahitsakitsaka hoatr’izao intsony ny zon’ny olona amin’ny manaraka. Midika izany hoe mila manova ny lalàna sy ny fomba ampiharana ny lalàna ao aminy izy ireo.”
Faly isika fa navela hanompo an’Andriamanitra sy hivory malalaka ireo rahalahy any Azerbaïdjan, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Misaotra an’i Jehovah Andriamanitsika isika fa manome antsika zo ara-dalàna hitory ny fahamarinana ny fitsarana.—Filipianina 1:7.