Hijery ny anatiny

Ny 12 amin’ireo rahalahy nomelohina tamin’ny 2012 satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, miaraka amin’ny mpisolovavan’izy ireo (eo afovoany), tamin’ny Janoary 2019

9 DESAMBRA 2019
ARMENIA

CEDH: Tsy Rariny ny Nanagadran’i Armenia An’ireo Rahalahy 22 Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

CEDH: Tsy Rariny ny Nanagadran’i Armenia An’ireo Rahalahy 22 Tsy Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Samy nanaiky ny mpitsara rehetra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 5 Desambra 2019, hoe tsy mety ny nanagadran’i Armenia an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 22 tsy nety nanao miaramila. Nasain’ny CEDH nandoa onitra 990000000 ariary mahery (242000 euros) amin’ireo rahalahy ireo àry i Armenia. Io no ambony indrindra amin’ny onitra rehetra nasain’ny CEDH nomena ny rahalahintsika tsy mety manao miaramila.

Nomelohina ny rahalahintsika tamin’ny 2012 satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ary tsy mety manao fanompoana sivily ho solon’izany. Tsy nety nanao fanompoana sivily izy ireo satria tsy tena sivily akory ilay izy fa ny miaramila no niandraikitra azy. Ny 20 tamin’ireo rahalahy 22 no efa nigadra talohan’ny 2013. Tamin’io taona io i Armenia no nanisy fanompoana sivily mety tsara ka tsy nogadraina intsony izay rahalahy tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Ilay didim-pitsarana nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny raharaha Adyan sy ny Hafa miady amin’i Armenia, tamin’ny 2017, no nampiasain’ny CEDH rehefa namoaka an’ilay didim-pitsarana tamin’ny 5 Desambra izy ireo. Nolazain’ny CEDH hoe fantatr’i Armenia tsara fa mitovitovy ireo raharaha roa ireo. Tokony ho nitady vahaolana ho an’ireo rahalahy 22 àry i Armenia fa tsy nanagadra azy ireo. Na dia nitady marimaritra iraisana imbetsaka aza ny rahalahintsika tato anatin’ny herintaona, dia tsy nanaiky mihitsy ny fanjakana. Niombon-kevitra àry ny mpitsara rehetra ao amin’ny CEDH hoe homena rariny ny rahalahintsika.

Faly isika hoe azo atao ny mandà tsy hanao miaramila noho ny antony ara-pivavahana, any Armenia, nanomboka tamin’ny 2013. Tsy gadraina intsony ny rahalahintsika tsy manao miaramila, sady tsy voalaza amin’ny antontan-taratasiny hoe mpanao heloka bevava izy ireo. Modely ho an’ny firenen-kafa i Armenia tato anatin’ny fito taona satria nanisy fanompoana sivily mety tsara. Araka ilay didy navoakan’ny CEDH tamin’ny 5 Desambra anefa dia meloka i Armenia satria tsy nankatò lalàna iraisam-pirenena, tamin’ny 2012.

Nasehon’ny CEDH mazava be tamin’iny didy iny hoe vonona hampandoa vola be an’izay firenena tsy mankatò lalàna iraisam-pirenena miaro ny zon’olombelona ny CEDH. Misaotra an’i Jehovah isika noho iny fandresena ara-pitsarana niavaka iny. Enga anie iny didy iny ka hisy vokany tsara amin’ny rahalahintsika mipetraka any an-tany hafa. Mivavaka isika mba ho afaka handa tsy hanao miaramila izy ireo, ary ho afaka hifidy ny hanao fanompoana sivily. Mbola tsy misy fanompoana sivily azo atao mantsy izao any Azerbaïdjan, Korea Atsimo, Torkia, ary Turkménistan.