Hijery ny anatiny

24 APRILY 2024
AFRIKA ATSIMO

Vavolombelona An’arivony no Nitory ny Vaovao Tsara Tamin’ny Olona Miteny Xhosa any Afrika Atsimo

Vavolombelona An’arivony no Nitory ny Vaovao Tsara Tamin’ny Olona Miteny Xhosa any Afrika Atsimo

Nisy ezaka manokana natao tamin’ny 29 Janoary ka hatramin’ny 11 Martsa 2024, mba hitoriana amin’ny olona miteny xhosa any amin’ny Faritanin’i Cap-Oriental, any Afrika Atsimo. Rahalahy sy anabavy maherin’ny 11 000 manerana an’i Afrika Atsimo no nandray anjara tamin’ilay izy. Fito tapitrisa ny olona mipetraka any amin’io faritany io, dia miteny xhosa ny ankamaroany. Vokatr’ilay ezaka manokana, dia olona maherin’ny 2 700 no nangataka hianatra Baiboly.

Nihaona tamin’ny vehivavy iray ny anabavy roa, nandritra an’ilay ezaka manokana. Sady nitomany ilay vehivavy no nitantara hoe vao tapa-bolana izay no tratran’ny loza mahatsiravina ny anadahiny dia maty vokatr’ilay izy. Nampaherezin’ireo anabavy izy, ka novakin’izy ireo taminy ny Apokalypsy 21:3, 4. Lasa te hianatra bebe kokoa ilay vehivavy rehefa nahafantatra fa mampanantena ny Baiboly hoe mbola hofoanan’Andriamanitra ny fahafatesana sy ny fijaliana. Nanontany àry izy hoe isaky ny inona ny fivoriantsika dia aiza no atao. Nanomboka nianatra Baiboly koa izy.

Niresaka tamin’ny vehivavy iray voan’ny aretin’ny tonon-taolana ny anabavy iray antsoina hoe Zukiswa. Sarotra amin’io vehivavy io ny nikarakara sakafo ho an’ny zanany, noho ny aretina mahazo azy. Tsy nanana hery hikosehana mofo izy tamin’io andro io, dia nanahy be hoe tsy hisy sakafo hohanina ny zanany. Nokosehin’i Zukiswa àry ilay mofo, dia ilay anabavy niaraka taminy no nitory tamin’ilay vehivavy. Nanohina ny fon’ilay vehivavy ny zavatra nataon’ireo anabavy ho azy, dia notantarainy tamin’ny namany be dia be. Lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona izy taoriana kelin’izay.

Nitory isan-trano tany amin’ny tanànan’i Gqeberha ny rahalahy roa, dia nihaona tamin’ny lehilahy iray tsy nanana afa-tsy tongotra ilany intsony. Niteny ilay lehilahy hoe efa ela, hono, izy no lasa saina hoe fa maninona no avelan’Andriamanitra hitondra an’izao tontolo izao i Satana, nefa an’Andriamanitra ny olombelona. (1 Jaona 5:19) Noresahin’ireo rahalahintsika taminy ny valiny resahin’ny Baiboly. Niara-nijery an’ilay video hoe Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly? ilay lehilahy sy ny vadiny, tamin’io andro io ihany, dia lasa nanaiky hianatra Baiboly ry zareo.

Nitory tany Gqeberha koa ny anabavintsika iray, dia nihaona tamin’ny vehivavy iray. Nasainy novakin’ilay vehivavy ny Salamo 37:29. Rehefa avy namaky an’ilay andinin-teny tao amin’ny Baiboliny ilay vehivavy dia niteny hoe tsy azony ilay izy. Novakin’ilay anabavy avy tao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny xhosa ilay andinin-teny avy eo. Hoy ilay vehivavy: “Tena hoatran’ny fomba fiteny andavanandro mihitsy ny teny xhosa ampiasaina amin’iny Baiboly iny. Mazava kokoa amiko noho ny ato amin’ny Baiboliko ilay izy!” Mianatra Baiboly tsy tapaka izy izao.

Tena faly isika hoe olona be dia be miteny xhosa manerana an’i Afrika Atsimo no lasa maheno ny fampanantenan’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” ao amin’ny teniny.​—2 Korintianina 1:3.