Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ny Ankizy sy ny Tambazotran-tserasera: Fizarana 1: Tokony Hampiasa Tambazotran-tserasera ve ny Zanako?

Ny Ankizy sy ny Tambazotran-tserasera: Fizarana 1: Tokony Hampiasa Tambazotran-tserasera ve ny Zanako?

 Nisy fanadihadiana natao, indray mandeha, dia hita fa ny 97 isan-jaton’ny tanora izao no mampiasa tambazotran-tserasera. Mba te hanao an’izany koa angamba ny zanakao satria manao daholo ny ankamaroan’ny olona. Raha izany dia misy zavatra vitsivitsy ilainao hodinihina ireto.

Ho hitantsika ato hoe:

 Mandany fotoana be amin’ilay izy ve ny zanakao?

 Izao no nolazain’ny tranonkala iray atao hoe HelpGuide momba ny tambazotran-tserasera: “Efa natao hahavariana anao mihitsy ny tambazotran-tserasera. Tsy te hiala eo mihitsy ianao fa te haharaka foana an’izay zava-baovao tonga ao.”

 “Saika hijerijery izay zava-baovao tao vetivety fotsiny aho kanjo adiny zato aho teo ihany. Mafy be ilay miala eo. Dia hoatran’ny tsy hitako koa hoe inona ny zavatra mahasoa azoko atao.”​—Lynne, 20 taona.

 Saintsaino izao: Hahavita hifehy tena ve ny zanako ka ho vitany ny hanaja ny fotoana noferako hampiasany tambazotran-tserasera? Efa matotra tsara ve izy ka fantany hoe hafiriana izy no tokony hampiasa azy io dia hiala raha vao tapitra ny fotoana noferany?

 Toro lalan’ny Baiboly: “Mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo ... ka ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Efesianina 5:15, 16.

Raha avelanao mampiasa tambazotran-tserasera ny zanakao nefa mbola tsy natoronao azy izay tokony hotandremany, dia hoatran’ny hoe mamela azy hitaingina soavaly anankiray ianao nefa mbola tsy nampiofana azy tsara akory

 Ahoana no ho fiheverany an’izany hoe namana izany?

 Hita avy amin’ilay teny hoe “tambazotran-tserasera” hoe manana namana be dia be ilay olona mpampiasa azy ary mifanerasera amin’izy ireo ao izy. Matetika anefa no tsy tena namana akory ireny olona ifaneraserany ireny.

 “Hitako hoe be dia be ny ankizy diso hevitra satria heveriny fa raha mahazo ‘j’aime’ be dia be izy na hoe be mpanaraka ny pejiny dia hoe be mpitia. Tsy tena fantany akory anefa ireny olona ireny.”​—Patricia, 17 taona.

 Saintsaino izao: Efa matotra tsara ve ny zanako ka mahay manavaka hoe tsy zava-dehibe ny mahazo j’aime be dia be sy be mpanaraka ao amin’ny tambazotran-tserasera? Manana namana tsy ao amin’ny Internet ve izy?

 Toro lalan’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

 Inona no ho vokatr’ilay izy eo amin’ny fihetseham-pony?

 Hitan’ny manam-pahaizana fa rehefa mampiasa tambazotran-tserasera be loatra ny olona iray dia matetika no lasa manirery na mitebiteby na kivy be mihitsy.

 “Malahelo ianao rehefa mahita ny sarin’ny namanao maromaro niara-nanao zavatra, nefa ianao tsy mba teo.”​—Serena, 19 taona.

 Saintsaino izao: Ho vitan’ny zanako ve ny tsy hifantoka be loatra amin’ny tenany sy tsy hifaninana na tsy halahelo be rehefa mahita ny zavatra ataon’ny ankizy hafa ao amin’ny tambazotran-tserasera izy?

 Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy tokony hirehareha isika fa mahatonga antsika hifaninana sy hifampialona izany.”​—Galatianina 5:26.

 Inona no hataony ao amin’ilay izy?

 Misy olona mandrahona na mandefa hafatra mamoafady momba ny firaisana ao amin’ny tambazotran-tserasera. Misy sary vetaveta koa ao. Tsy mieritreritra hanao an’izany angamba ny zanakao, kanefa mety ho sendra an’ireo izy.

 “Tsikaritro hoe mora mivadika ho ratsy ny zavatra hita ao amin’ny tambazotran-tserasera. Be dia be teny ratsy sy hira tsy mendrika ao.”​—Linda, 23 taona.

 Saintsaino izao: Matotra tsara ve ny zanako ka ho hendry tsara rehefa mampiasa Internet? Ho vitany ve ny hifehy tena ka tonga dia hiala raha vao mahita zavatra ratsy?

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aza avela hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na faniriana tsy mety afa-po ... Aza avela hotononina koa izay fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta.”​—Efesianina 5:3, 4.

 Tena tsy maintsy mampiasa tambazotran-tserasera ve izy?

 Tsy miankina amin’ny tambazotran-tserasera ny fiainantsika na izay mahasambatra antsika. Be dia be ny tanora afa-po amin’ny fiainany na dia tsy manao an’ireny aza. Misy tanora aza efa nanao taloha fa nijanona tatỳ aoriana.

 “Rehefa hitako hoe nanimba ny zokiko vavy ny tambazotran-tserasera, dia nijanona tsy nanao intsony aho. Tsapako hoe faly kokoa aho taorian’izay, sady afa-po kokoa amin’ny fiainako.”​—Nathan, 17 taona.

 Tadidio àry izao: Alohan’ny hamelanao ny zanakao hampiasa tambazotran-tserasera, dia ataovy azo antoka hoe efa matotra tsara izy ka hahavita hifehy tena tsy ho lany fotoana amin’izy io, hahay hanavaka ny atao hoe tena namana, ary ho tapa-kevitra tsy hijery zavatra ratsy.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona malina ... mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”​—Ohabolana 14:15.