Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Ahoana no Azo Anampiana ny Ankizy Raha Tsy Mahomby Izy?

Ahoana no Azo Anampiana ny Ankizy Raha Tsy Mahomby Izy?

 Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho diso fanantenana ny zanakao satria hisy zavatra sasany tsy ho vitany. Ahoana no azo anampiana azy?

 Tsara ho fantatrao

 Tsy voatery hahomby foana isika eo amin’ny fiainana. Milaza ny Baiboly fa ‘manao fahadisoana isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Hoatr’izany koa ny ankizy. Mety hisy fotoana izy ireo tsy hahomby, nefa mety hisy vokany tsara izany satria hanampy azy ireo hahay hiatrika olana. Tsy tonga dia mahay an’izany mantsy ny ankizy raha vao teraka, fa mila ianarany ilay izy. Hoy ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Laura: “Hitanay mivady fa tsara kokoa raha ianaran’ny ankizy hoe ahoana no atao rehefa tsy mahomby, fa tsy odiana tsy hita fotsiny ilay izy. Lasa mahay miaritra kokoa izy ireo, amin’izay, rehefa misy olana mitranga.”

 Be dia be ny ankizy tsy mahafantatra izay tokony hataony rehefa tsy mahomby. Tsy fantatry ny ankizy sasany izay atao rehefa tsy mahomby izy satria tsy lazain’ny ray aman-dreniny azy mihitsy hoe izy no diso. Tonga dia ny mpampianatra, ohatra, no omen’izy ireo tsiny rehefa tsy mahazo naoty tsara ny zanany any am-pianarana. Na rehefa manana olana amin’ny namany ny zanany dia lazain’izy ireo fa ilay naman’ny zanany no diso.

 Raha tsy avelan’ny ray aman-dreniny hizaka ny vokatry ny fahadisoany mihitsy anefa ny ankizy, dia tsy ho tsapany mihitsy hoe nanao zavatra tsy nety izy sady mila manarina an’izany.

 Inona no azonao atao?

  •   Ampianaro ny zanakao hoe misy vokany daholo ny zavatra ataony.

     Hoy ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

     Misy vokany daholo izay ataontsika. Raha manimba zavatra isika dia tsy maintsy manonitra an’ilay izy. Tsy maintsy hizaka ny vokany isika rehefa manao zavatra tsy mety. Tokony ho fantatry ny ankizy izany, ary tokony ho tsapany hoe anisan’ny tompon’andraikitra amin’izay mitranga izy. Aza ny hafa àry no omena tsiny raha nanao fahadisoana ny zanakao, ary aza arovana izy. Avelao kosa izy hizaka ny vokatry ny nataony, nefa mahaiza mandanjalanja ka ataovy mifanaraka amin’ny taonany izany. Mazava ho azy fa tokony ho hitan’ilay ankizy hoe ny zavatra tsy nety nataony no nahatonga an’ilay olana.

  •   Ampio izy hitady vahaolana.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.”—Ohabolana 24:16.

     Mafy be ilay hoe tsy mahomby nefa tsy hoe tsy misy azo antenaina intsony. Ampio ny zanakao hitady vahaolana fa tsy ho variana mieritreritra fotsiny hoe tsy rariny ny mahazo azy. Nahazo naoty ratsy ve, ohatra, ny zanakao lahy? Ampio izy ho tapa-kevitra hianatra mafy kokoa mba tsy hiverenan’izany intsony amin’ny manaraka. (Ohabolana 20:4) Nifamaly tamin’ny namany ve ny zanakao vavy? Ampio izy hahatakatra hoe izy no mila miala tsiny voalohany raha tiany hilamina ilay olana, na dia tsy tena diso aza izy.—Romanina 12:18; 2 Timoty 2:24.

  •   Ampianaro hanetry tena izy.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.”—Romanina 12:3.

     Tsy mijery ny zava-misy ianao sady tsy manampy ny zanakao raha miteny aminy hoe izy no “mahay indrindra.” Na ny ankizy mahay indrindra any am-pianarana aza mantsy tsy hoe tsara be foana ny naotiny. Tsy hoe mandresy foana koa ny ankizy mahay be amin’ny fanatanjahan-tena sasany. Raha manetry tena ny zanakao, dia ho mora tafarina kokoa izy raha tsy nahomby.

     Milaza ny Baiboly fa lasa matanja-tsaina kokoa sy mahay miaritra kokoa isika rehefa miatrika olana. (Jakoba 1:2-4) Azonao ampiana àry ny zanakao mba tsy ho kivy loatra, na dia diso fanantenana aza izy rehefa tsy mahomby.

     Mitaky fotoana sy ezaka ilay hoe mampianatra ny ankizy hiaritra, hoatran’ny rehefa mampianatra azy zavatra hafa ihany. Raha manao an’izany anefa ny ray aman-dreny, dia hahay hiatrika olana kokoa ny zanany mandritra ny fahatanorany. Izao no lazain’ny boky hoe Letting Go With Love and Confidence: “Tsy atahorana hanao zavatra mampidi-doza na hanao hadalana ny tanora mahafantatra hoe ahoana no hiatrehana olana.” Milaza koa ilay boky hoe: “Lasa hain’izy ireo kokoa hoe inona no hataony rehefa misy zavatra vaovao na tsy ampoizina mitranga.” Hanampy azy ireo koa izany rehefa lehibe izy ireo.

 Soso-kevitra: Aoka ianao ho modely. Tadidio hoe izay ataonao rehefa misy zavatra mandiso fanantenana anao no hotahafin’ny zanakao rehefa misy zavatra mandiso fanantenana azy koa.