Hamaly ny Vavaka Ataoko ve Andriamanitra?
Valiny ara-baiboly
Eny. Izany no lazain’ny Baiboly ary manamarina izany koa ny zavatra niainan’ny olona sasany. Hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.” (Salamo 145:19) Arakaraka izay ataonao ihany anefa no hahatonga an’Andriamanitra hihaino ny vavaka ataonao na tsia.
Inona no takin’Andriamanitra aminao rehefa mivavaka aminy ianao?
Tokony hivavaka amin’Andriamanitra, fa tsy amin’i Jesosy na Maria na olo-masina na anjely na sary. I Jehovah Andriamanitra ihany mantsy no “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.
Tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra na ny didiny ao amin’ny Baiboly ny zavatra angatahina.—1 Jaona 5:14.
Tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy ilay vavaka, mba hampisehoana fa manaja ny fahefany. Hoy mantsy izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6.
Tokony hanana finoana rehefa mivavaka, ary mangataka finoana bebe kokoa raha ilaina izany.—Matio 21:22; Lioka 17:5.
Tokony hanetry tena ka hilaza izay tena ao am-po. Hoy ny Baiboly: “Na avo aza i Jehovah, dia mijery ny manetry tena.”—Salamo 138:6.
Tokony tsy hitsahatra hivavaka. Hoy mantsy i Jesosy: “Mangataha foana dia homena ianareo.”—Lioka 11:9.
Inona no tsy zava-dehibe amin’Andriamanitra rehefa mivavaka aminy ianao?
Tsy zava-dehibe aminy ny volon-koditra na ny firenena niaviana. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Tsy mampaninona azy izay paozinao rehefa mivavaka. Mety aminy foana na mipetraka ianao, na mitsangana na miondrika na mandohalika.—1 Tantara 17:16; Nehemia 8:6; Daniela 6:10; Marka 11:25.
Tsy olana aminy na mivavaka amin’ny feo avo ianao na anakampo. Mamaly foana izy na mivavaka an’eritreritra fotsiny aza ianao fa tsy misy maheno.—Nehemia 2:1-6.
Mihaino izy na lehibe na kely ny olana mahazo anao. Mampirisika mantsy izy hoe: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.