Hijery ny anatiny

Manana Anarana ve Andriamanitra?

Manana Anarana ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Manana anarana daholo ny olombelona. Tsy ara-dalàna àry ve raha manana anarana koa Andriamanitra? Mila manana anarana sy mifampiantso amin’ny anarany ny mpinamana. Tsy tokony hitovy amin’izany koa ve ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

 Izao no lazain’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” (Isaia 42:8) Manana anaram-boninahitra maro izy, ohatra hoe “Andriamanitra Mahery Indrindra”, “Tompo Fara Tampony”, ary “Mpamorona.” Omeny voninahitra anefa ny mpivavaka aminy ka asainy miantso azy amin’ny anarany manokana.—Genesisy 17:1; Asan’ny Apostoly 4:24; 1 Petera 4:19.

 Dikan-tenin’ny Baiboly maro no ahitana ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Eksodosy 6:3. Izao no voalaza ao: “Niseho tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba aho, tamin’ny maha Andriamanitra Mahery Indrindra ahy. Fa ilay anarako hoe Jehovah kosa, mbola tsy tena nampahafantariko azy.”

 Jehovah no andikana ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny malagasy, ary efa hatramin’ny ela izany no nampiasaina. Maro ny manam-pahaizana tia an’ilay hoe “Iaveh” nefa Jehovah no tena be mpahafantatra sy be mpampiasa. Tsy tamin’ny teny malagasy no nanoratana ny tapany voalohany amin’ny Baiboly fa tamin’ny teny hebreo, ary vakina avy any ankavanana miankavia ny soratra amin’ny teny hebreo. Ireto renisoratra efatra ireto ny anaran’Andriamanitra amin’io fiteny io: יהוה. Adika hoe YHWH ireo ary fantatra amin’ny hoe Litera Efatra.