Hijery ny anatiny

Ampy ve ny Mino An’i Jesosy Raha Te ho Voavonjy?

Ampy ve ny Mino An’i Jesosy Raha Te ho Voavonjy?

Valiny ara-baiboly

 Mino ny Kristianina hoe maty noho ny fahotantsika i Jesosy. (1 Petera 3:18) Raha te ho voavonjy anefa isika, dia tsy ampy ny mino hoe i Jesosy no Mpamonjy. Fantatry ny demonia hoe “Zanak’Andriamanitra” i Jesosy. (Lioka 4:41) Tsy ho voavonjy anefa izy ireo fa ho ringana.—Joda 6.

 Inona no tokony hataoko mba ho voavonjy?

  •   Tsy maintsy mino ianao hoe nanao sorona ny ainy noho ny fahotantsika i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 16:30, 31; 1 Jaona 2:2) Tokony hino ianao hoe olona tena nisy izy ary marina daholo izay resahin’ny Baiboly momba azy.

  •   Mila mahafantatra an’izay tena ampianarin’ny Baiboly ianao. (2 Timoty 3:15) Milaza ny Baiboly fa niteny tamin’ny mpiambina fonja iray ny apostoly Paoly sy Silasy hoe: “Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao.” Nanomboka nitory ny “tenin’i Jehovah” a tamin’io mpiambina io izy ireo avy eo. (Asan’ny Apostoly 16:31, 32) Hitantsika avy amin’izany hoe tsy tena afaka nino an’i Jesosy ilay mpiambina fonja raha tsy efa nahatakatra ny Tenin’Andriamanitra. Nila fahalalana marina tsara avy ao amin’ny Soratra Masina izy.—1 Timoty 2:3, 4.

  •   Mila mibebaka ianao. (Asan’ny Apostoly 3:19) Tsy maintsy mibebaka koa ianao, na manenina mafy, noho ny zavatra ratsy noeritreretinao sy nataonao taloha. Ho hita hoe nibebaka ianao rehefa miala amin’ireo fanao halan’Andriamanitra ary miezaka manao ny tsara.—Asan’ny Apostoly 26:20.

  •   Tokony hatao batisa ianao. (Matio 28:19) Nilaza i Jesosy fa tokony hatao batisa izay olona lasa mpianany. Natao batisa ilay mpiambina fonja voaresaka tetsy aloha. (Asan’ny Apostoly 16:33) Toy izany koa fa rehefa avy nampianatra ny marina momba an’i Jesosy tamin’ny olona be dia be ny apostoly Petera, dia ‘natao batisa izay olona nandray tsara ny teniny.’—Asan’ny Apostoly 2:40, 41.

  •   Mila mankatò ny tenin’i Jesosy ianao. (Hebreo 5:9) Mitandrina an’izay rehetra nandidian’i Jesosy ny olona iray rehefa mampiseho eo amin’ny fiainany isan’andro hoe mpanara-dia azy. (Matio 28:20) Lasa “mpankatò ny teny” izy fa tsy “mpihaino fotsiny ihany.”—Jakoba 1:22.

  •   Tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany ianao. (Marka 13:13) “Mila miaritra” ny mpianatr’i Jesosy raha te ho voavonjy. (Hebreo 10:36) Nankatò an-tsakany sy an-davany ny fampianaran’i Jesosy, ohatra, ny apostoly Paoly sady tsy nivadika tamin’Andriamanitra. (1 Korintianina 9:27) Izany foana no nataony nanomboka tamin’izy lasa Kristianina ka mandra-pahafatiny.

 Ahoana ny momba an’ilay “Vavaky ny Mpanota”?

 Manao karazana vavaka antsoina hoe “Vavaky ny Mpanota” na “Vavaka Ahazoana Famonjena” ny olona any amin’ny fivavahana sasany. Miaiky ny olona manao an’ireo vavaka ireo hoe mpanota ary mino izy fa maty noho ny fahotany i Jesosy. Mangataka an’i Jesosy mba hiditra ao am-pony na eo amin’ny fiainany koa izy. Tsy miresaka momba an’io “Vavaky ny Mpanota” io anefa ny Baiboly sady tsy mampirisika antsika hanao azy io.

 Mihevitra ny olona sasany hoe ho voavonjy mandrakizay izy rehefa avy manao an’ilay “Vavaky ny Mpanota.” Tsy hoe ho voavonjy anefa ny olona iray raha manonona vavaka fotsiny. Manao fahadisoana foana mantsy isika satria tsy lavorary. (1 Jaona 1:8) Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka foana mba hahazo famelan-keloka. (Lioka 11:2, 4) Nisy Kristianina sasany koa niala tamin’Andriamanitra, ka tsy afaka nanantena ny ho voavonjy intsony.—Hebreo 6:4-6; 2 Petera 2:20, 21.

 Ahoana no niandohan’ilay “Vavaky ny Mpanota”?

 Tsy mitovy hevitra ny mpahay tantara momba ny valin’io fanontaniana io. Misy milaza fa tamin’ny andron’ny Fanavaozana Protestanta no nanomboka nanao an’io vavaka io ny olona. Ny hafa indray mino fa nanomboka nanao azy io ny olona rehefa nihabetsaka ny fivavahana vaovao tamin’ny taonjato faha-18 sy faha-19. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy mampirisika antsika hanao an’io vavaka io ny Baiboly. Milaza aza izy io hoe tsy tokony hanao vavaka tsianjery isika.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.