Hijery ny anatiny

Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?

Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Nanao sorona ny ainy i Jesosy mba hamonjena ny olona rehetra mankatò azy. (Matio 20:28) Antsoin’ny Baiboly hoe “Mpamonjy an’izao tontolo izao” àry i Jesosy. (1 Jaona 4:14) Voalaza ao koa hoe: “Tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”—Asan’ny Apostoly 4:12.

 ‘Maty ho an’izay rehetra’ maneho finoana azy i Jesosy. (Hebreo 2:9; Jaona 3:16) “Nanangana azy tamin’ny maty” anefa Andriamanitra, dia avy eo izy lasa anjely any an-danitra indray. (Asan’ny Apostoly 3:15) “Mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany” izy izao any an-danitra any, “satria velona mandrakariva mba hiangavy ho an’ireo.”—Hebreo 7:25.

Nahoana isika no mila an’i Jesosy hiangavy ho antsika?

 Mpanota daholo ny olombelona. (Romanina 3:23) Lasa tsy afaka mifandray amin’Andriamanitra isika noho ny ota. Izy io koa no mahatonga antsika ho faty. (Romanina 6:23) Soa ihany fa eo i Jesosy mba hanampy, na ‘hisolovava’, an’izay maneho finoana ny sorona nataony. (1 Jaona 2:1, Fandikan-teny Protestanta) Miangavy ho azy ireo izy, izany hoe mangataka amin’Andriamanitra mba hihaino ny vavak’izy ireo sy hamela ny helony. Izy mantsy efa nanome ny ainy ho sorona ho azy ireo. (Matio 1:21; Romanina 8:34) Eken’Andriamanitra ny fiangavian’i Jesosy satria mifanaraka amin’ny sitrapony. ‘Tamin’ny alalany’ mantsy no ‘namonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao’, ary izay no tena nanirahany azy tetỳ an-tany.—Jaona 3:17.

Rehefa mino an’i Jesosy fotsiny ve ianao dia voavonjy?

 Tsia. Marina aloha fa tokony hino an’i Jesosy isika mba ho voavonjy. (Asan’ny Apostoly 16:30, 31) Tsy ampy anefa izany. Hoy ny Baiboly: “Maty ny vatana raha tsy misy aina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.” (Jakoba 2:26) Ireto àry no tsy maintsy ataonao mba ho voavonjy:

  •   Mianara momba an’i Jesosy sy Jehovah Rainy.—Jaona 17:3.

  •   Ampitomboy ny finoanao azy ireo.—Jaona 12:44; 14:1.

  •   Asehoy ny finoanao ka ankatoavy ny didin’izy ireo. (Lioka 6:46; 1 Jaona 2:17) Nampianatra i Jesosy fa tsy izay rehetra miantso azy hoe “Tompo” no ho voavonjy, fa ‘izay manao ny sitrapon’ny Rainy izay any an-danitra.’—Matio 7:21.

  •   Asehoy foana ny finoanao na dia misy zava-tsarotra aza. Izao mihitsy no notenenin’i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 24:13.