Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Famonjena?

Inona no Atao hoe Famonjena?

Valiny ara-baiboly

 Mampiasa ny teny hoe “voavonjy” na “famonjena” ny mpanoratra Baiboly indraindray, mba hilazana olona voaro tsy ho tratran’ny loza na tsy ho ringana. (Eksodosy 14:13, 14; Asan’ny Apostoly 27:20) Ilazana fanafahana amin’ny ota anefa ireo teny ireo matetika. (Matio 1:21) Ho afaka hiaina mandrakizay àry izay voavonjy ho afaka amin’ny ota, satria ny ota no mahatonga ny fahafatesana.—Jaona 3:16, 17. a

Ahoana no atao raha te ho voavonjy?

 Tsy maintsy mino an’i Jesosy ianao, ary mila mankatò azy mba hampisehoana an’izany.—Asan’ny Apostoly 4:10, 12; Romanina 10:9, 10; Hebreo 5:9.

 Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy aseho amin’ny atao ny finoana. Mila mankatò foana àry ianao. (Jakoba 2:24, 26) Tsy noho ny zavatra ataonao anefa no hahavoavonjy anao. “Fanomezan’Andriamanitra” mantsy ny famonjena, noho ny ‘hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa’, na noho ny ‘fahasoavany.’—Efesianina 2:8, 9; Fandikan-teny Protestanta.

Rehefa voavonjy indray mandeha ve dia ho voavonjy foana?

 Tsia. Na efa voavonjy aza mantsy ny olona saika maty an-drano, dia mety ho latsaka na hitsambikina ao anaty rano indray. Mety tsy ho voavonjy indray àry ny olona iray, raha lasa tsy manam-pinoana intsony. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza fa mila ‘miady mafy hiaro ny finoany’ ny Kristianina, na dia efa nahazo famonjena aza. (Joda 3) Hoy koa izy io amin’ireo efa voavonjy: “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.”—Filipianina 2:12.

Iza no Mpamonjy: Andriamanitra sa Jesosy?

 Resahin’ny Baiboly fa avy amin’Andriamanitra ny famonjena, ka imbetsaka izy no antsoina hoe “Mpamonjy.” (Isaia 43:11; Titosy 2:10; Joda 25) Nampiasa lehilahy maro izy mba hamonjy ny Israelita fahiny, ary “mpamonjy” koa no iantsoan’ny Baiboly azy ireny. (Nehemia 9:27; Mpitsara 3:9, 15; 2 Mpanjaka 13:5) b Antsoin’ny Baiboly hoe “Mpamonjy” koa i Jesosy, satria amin’ny alalan’ny sorom-panavotana nataony no amonjen’Andriamanitra antsika ho afaka amin’ny ota.—Asan’ny Apostoly 5:31; Titosy 1:4. c

Ho voavonjy daholo ve ny olon-drehetra?

 Tsia. Hisy olona tsy ho voavonjy. (2 Tesalonianina 1:9) Nisy nanontany toy izao Jesosy, indray mandeha: “Vitsy ve ny hovonjena?” Namaly izy hoe: “Miezaha mafy dia mafy hiditra amin’ny varavarana tery, fa maro, hoy aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.”—Lioka 13:23, 24.

Misy milaza fa ho voavonjy daholo ny olon-drehetra

 Hevi-diso: Hovonjena ny olona rehetra, satria milaza ny 1 Korintianina 15:22 fa ‘hovelomina ao amin’i Kristy ny [olona] rehetra.’

 Marina: Fitsanganana amin’ny maty no resahin’io andinin-teny io rehefa jerena ny andinin-teny manodidina. (1 Korintianina 15:12, 13, 20, 21, 35) Te hilaza izy io fa matoa ho velona indray ireo hatsangana amin’ny maty, dia noho i Jesosy Kristy.—Jaona 11:25.

 Hevi-diso: Hovonjena ny olona rehetra, satria milaza ny Titosy 2:11 fa avy amin’Andriamanitra ny “famonjena ny olona rehetra.”—Prot.

 Marina: Azo adika hoe “karazany rehetra” koa ilay teny grika nadika hoe “rehetra” ao amin’io andinin-teny io. d Inona àry no tena tiana holazaina ao amin’ny Titosy 2:11? Midika izy io fa tian’Andriamanitra hovonjena ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ny olona avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.”—Apokalypsy 7:9, 10.

 Hevi-diso: Hovonjena ny olona rehetra, satria milaza ny 2 Petera 3:9 fa ‘tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana’ ny olona.

 Marina: Tian’Andriamanitra hovonjena ny olona, nefa tsy tereny hanaiky an’izay fandaharana ataony. ‘Ho ringana ireo tsy matahotra an’Andriamanitra amin’ny andro fitsarany.’—2 Petera 3:7.

a Efa resahin’ny Baiboly hoe ‘voavonjy’ ny olona iray, na dia mbola amin’ny hoavy aza izy vao ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.—Efesianina 2:5; Romanina 13:11.

b “Mpanafaka”, “mpitarika”, na “olona” no ampiasain’ny fandikan-teny sasany ao amin’ireo andinin-teny ireo fa tsy “mpamonjy.” Teny iray ihany anefa no ampiasain’ny teny hebreo tany am-boalohany mba hilazana ny hoe mpamonjy, na olona izany na i Jehovah Andriamanitra.—Salamo 7:10.

c Avy amin’ny teny hebreo hoe Yehôhshoaʽ ny hoe Jesosy, ary midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”

d Jereo ny Vine’s Complete Expository Dictionary of Old and New Testament Words. Hita ao amin’ny Matio 5:11 koa io teny grika io. Resahin’i Jesosy ao fa lazain’ny olona hoe manao an’izao “karazana” zava-dratsy rehetra izao ny mpanara-dia azy.—International Standard Version.