Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Fitsanganana Amin’ny Maty?

Inona no Atao hoe Fitsanganana Amin’ny Maty?

Valiny ara-baiboly

 Avy amin’ilay teny grika hoe anastasis ilay teny nadika hoe “fitsanganan’ny maty”, ary midika hoe “miarina” na “mitsangana indray” izy io. Ho velona hoatran’ny teo aloha indray ny olona efa maty rehefa hatsangana.​—1 Korintianina 15:12, 13.

 Tsy misy teny hoe “fitsanganan’ny maty” ao amin’ny Soratra Hebreo, izay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha. Na izany aza, dia misy fampianarana momba azy io ao. Hoy, ohatra, Andriamanitra tamin’i Hosea mpaminany: “Havotako avy any amin’ny Fasana sy ny fahafatesana izy ireo.”​—Hosea 13:14; Joba 14:13-15; Isaia 26:19; Daniela 12:2, 13.

 Ho aiza ireo hatsangana amin’ny maty? Hatsangana mba hiaina any an-danitra ny olona sasany ka hiara-manjaka amin’i Kristy. (2 Korintianina 5:1; Apokalypsy 5:9, 10) Antsoin’ny Baiboly hoe “fitsanganana voalohany” na “fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa” ny azy ireo. (Apokalypsy 20:6; Filipianina 3:11) Matoa lazaina hoe “voalohany” sy hoe “aloha kokoa” ny an’ireo hiaina any an-danitra, dia midika izany fa mbola hisy fitsanganana hafa aorian’izay. Hiaina eto an-tany ireo hatsangana amin’ilay fitsanganana manaraka, ary betsaka lavitra noho ireo ho any an-danitra izy ireo.​—Salamo 37:29.

 Ahoana no hananganana azy ireo? Nomen’Andriamanitra hery hananganana ny maty i Jesosy. (Jaona 11:25) Hovelomin’i Jesosy indray ‘izay rehetra any am-pasana.’ (Jaona 5:28, 29) Haverina aminy indray ny fitadidiany sy ny toetra naha izy azy. Ho lasa fanahy ireo hatsangana ho any an-danitra. Ireo hatsangana ho eto an-tany kosa hanana vatana nofo sy ra, izay salama tsara sy tsy misy kilema.​—Isaia 33:24; 35:5, 6; 1 Korintianina 15:42-44, 50.

 Iza no hatsangana? Milaza ny Baiboly fa “hatsangan’Andriamanitra ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Anisan’ny marina ny olona tsy nivadika, toa an-dry Noa sy Saraha ary Abrahama. (Genesisy 6:9; Hebreo 11:11; Jakoba 2:21) Ny tsy marina kosa dia ny olona tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra satria tsy afaka nianatra sy nankatò an’izany.

 Tsy hatsangana kosa ny olona tena ratsy fanahy tsy mety miova mihitsy. Ho faty mandrakizay izy ireny rehefa maty, fa tsy hatsangana intsony.​—Matio 23:33; Hebreo 10:26, 27.

 Rahoviana no hatsangana ny maty? Milaza ny Baiboly fa mandritra ny fanatrehan’i Kristy no hatsangana ireo hiaina any an-danitra. (1 Korintianina 15:21-23) Efa tamin’ny 1914 i Jesosy no nanomboka nanatrika. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona hitondran’i Jesosy Kristy kosa no hatsangana ireo hiaina eto an-tany. Hovana ho paradisa ny tany amin’izay.​—Lioka 23:43; Apokalypsy 20:6, 12, 13.

 Tena hatsangana tokoa ve ny maty? Miresaka olona sivy natsangana tamin’ny maty ny Baiboly. Tantaraina amin’ny an-tsipiriany ilay izy sady nisy vavolombelona nahita maso. (1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21; Lioka 7:11-17; 8:40-56; Jaona 11:38-44; Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12; 1 Korintianina 15:3-6) Tena miavaka ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy. Efa efatra andro mantsy izy no maty, ary teo imasom-bahoaka no nananganan’i Jesosy azy. (Jaona 11:39, 42) Na ny olona tsy tia an’i Jesosy aza tsy nanda hoe tena natsangana i Lazarosy. Ny hany azon’izy ireo natao dia ny nanao tetika hamonoana an’i Jesosy sy Lazarosy.​—Jaona 11:47, 53; 12:9-11.

 Asehon’ny Baiboly fa mahavita manangana ny maty Andriamanitra sady maniry hanao an’izany. Manana fitadidiana tsy manam-petra izy ka tadidiny daholo ny mombamomba ny olona tsirairay, izay hatsangany. Hampiasa ny heriny lehibe izy amin’izany. (Joba 37:23; Matio 10:30; Lioka 20:37, 38) Vitan’Andriamanitra ny manangana ny maty ary tena te hanao an’izany izy. Hoy ny Baiboly: “Tsy ho andrinao ny hahita ny asan’ny tananao.”​—Joba 14:15.

Hevi-diso momba ny fitsanganana amin’ny maty

 Hevi-diso: Atsangana ny olona sasany, dia ringanina avy hatrany avy eo.

 Ny marina: Resahin’ny Baiboly aloha hoe “hatsangana mba hotsaraina” izay “zatra nanao ratsy.” (Jaona 5:29) Tsy izay nataony tamin’izy mbola velona anefa no hitsarana azy, fa izay hataony aorian’ny hananganana azy amin’ny maty. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Handre ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ny maty, dia ho velona izay mihaino.’ (Jaona 5:25) Ho voasoratra ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anaran’izay “mihaino” na mankatò ny zavatra hianarany aorian’ny hananganana azy.​—Apokalypsy 20:12, 13.

 Hevi-diso: Iny vatan’ilay olona tamin’izy mbola velona iny mihitsy no hatsangana.

 Ny marina: Potika ny vatan’ilay olona rehefa maty izy, ka lasa vovoka.​—Mpitoriteny 3:19, 20.