Hira 42
Ampio Ireo Malemy Ara-panahy
1. Isika rehetra dia
Malemy avokoa,
Nefa tian’i Jehovah,
Amindrany fo.
Koa aok’àry ’sika
Ho tia mangoraka.
Mba ampaherezo koa
’Reo osa kokoa.
2. Hoy Paoly nangoraka
An’ireo rahalahy:
“Iza no malemy ka
Tsy malemy aho?”
Na ireo kivy aza
Tsy foin’i Jehovah,
Ka ny ain’ny Zanany
Nomeny antsika.
3. Aok’ianao hanampy ’reo
Osa ara-panahy,
Ka tsy hanakiana fa
Ho tsara fanahy.
Ataovy tsapany
Fa namantsika izy.
Ampaherezo izy
Mba hatanjaka.
(Jereo koa ny 2 Kor. 11:29; Isaia 35:3, 4; Gal. 6:2.)