Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Nahoana ny olona tany Atena no nanao an’ilay alitara nisy soratra hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra”?—Asan’ny Apostoly 17:23.
▪ Maro ny mpanoratra grika niresaka momba ny alitara toy ireny. Anisan’izany i Pausanias, mpahay tantara sy jeografia tamin’ny taonjato faharoa. Nilaza izy fa nisy “alitara ho an’andriamanitra Tsy Fantatra” tany Olympie. Nilaza koa i Philostrate, mpikabary sady filozofa, fa “nanorina alitara ny olona tany Atena ho fanomezam-boninahitra ny andriamanitra tsy fantany akory.”
Nitantara lovantsofina momba ny niandohan’ireny alitara ireny i Diogène Laërce, mpanoratra tamin’ny taonjato fahatelo. Efa tamin’ny taonjato fahenina na fahafito Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any no nisian’ilay tantara. Nisy areti-mandringana, hono, tany Atena ka niezaka nanafoana an’izany ny lehilahy atao hoe Epimenida. Hoy i Diogène: “Naka ondry maromaro [i Epimenida] ka nentiny tany Areopago [havoana any Atena]. Nalefany nandehandeha tany amin’izay tiany izy ireo avy eo, ary nasiany olona nanaraka. Nasainy nanisy marika an’izay toerana natorian’ny ondry tsirairay ilay olona. Nasainy nanao alitara sy fanatitra ho an’ny andriamanitra tao amin’ilay toerana koa izy, na dia tsy fantany aza izay andriamanitra tao. Dia tsy nisy intsony, hono, ilay areti-mandringana. Mbola misy alitara tsy misy anarana foana any amin’ny faritra maro any Atena hatramin’izao, noho izany.”
Hazavain’ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy) koa ny antony nanorenana an’ireny alitara ireny. Hoy izy io: “Natahotra ny olona sao dia ho tezitra ireo andriamanitra tsy fantatra ka tsy hotahiny izy ireo, raha hadinon’izy ireo ny manome voninahitra azy.”
Nahoana no tena tsy tian’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny mpitaky hetra?
▪ Efa hatramin’izay no tsy tian’ny olona ny mpitaky hetra. Faran’izay ratsy toetra mihitsy aza no niheveran’ny Israelita fahiny azy ireny.
Nihoa-pampana ny hetra notakin’ny fanjakana romanina tamin’ny vahoakany. Ny manam-pahefana no nitaky ny hetran-tany sy ny hetra tokony haloan’ny olona tsirairay. Olon-tsotra kosa no nasaina nanangona hetra tany amin’ny toerana sasany, ka ny hetran’ny entana nampidirina sy naondrana no notakin’izy ireo. Izay Jiosy sahy nanome vola be ho an’ny fanjakana romanina no navela nanao izany. Tena tsy tian’ny Jiosy hafa àry izy ireny satria niara-niasa tamin’ny Romanina. Hoy ny rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong: ‘Noheverin’ny Jiosy ho mpamadika sy mpivadi-pinoana izy ireo, satria nifanerasera be tamin’ny Romanina mpanompo sampy.’
Nalaza ratsy ny mpitaky hetra satria tsy nanao ny marina mihitsy. Nanabotry ny Jiosy namany izy mba hampanan-karena azy. Nataony nidangana be ny hetra nalainy ary nataony am-paosy ny ambiny avy eo. Nisy koa nanendrikendrika ny mahantra mba hanerena azy ireo hanome vola. (Lioka 3:13; 19:8) Noheverina ho toy ny mpanota àry ny mpitaky hetra. Nilaza mihitsy aza Ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy) fa “tsy nahazo nanao mpitsara na vavolombelona izy ireo.”—Matio 9:10, 11.
[Sary, pejy 18]
Alitara ho an’Andriamanitra tsy fantatra any Pergamosy, any Torkia
[Sary, pejy 18]
Mpitaky hetra, taonjato faharoa na fahatelo
[Sary nahazoan-dalana]
Erich Lessing/Art Resource, NY