Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra!
Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra!
‘Ry malala, mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, sady tsinjovy ny fiainana mandrakizay.’—JODA 20, 21.
1, 2. Inona avy no tokony hataonao, mba tsy hialanao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
LEHIBE tokoa ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana fiainana mandrakizay izay maneho finoana azy. (Jaona 3:16) Tena mahasambatra ny mahatsapa izany fitiavana izany! Raha mpanompon’i Jehovah ianao, dia azo antoka fa irinao ny ho tiany mandrakizay.
2 Natoron’i Joda mpianatr’i Jesosy izay tokony hataonao, mba tsy hialanao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Miorena tsara eo amin’ny finoanao masina indrindra, ary mivavaha eo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Amin’ny fanaovana izany, dia mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanao ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.’ (Joda 20, 21) Hiorina tsara eo amin’ny “finoana masina indrindra”, na ireo fampianarana kristianina, ianao, raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mitory ny vaovao tsara. Tsy maintsy mivavaka “eo ambany fitarihan’ny fanahy masina” ianao, mba tsy hialanao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy maintsy maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy koa ianao, mba hahazoanao fiainana mandrakizay.—1 Jaona 4:10.
3. Nahoana no tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony ny olona sasany?
3 Niala tamin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona sasany, na dia nanam-pinoana aza taloha. Tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony izy ireo, satria ninia nanota nefa tsy mibebaka. Inona no azonao atao mba tsy hitranga aminao izany? Saintsaino ireto hevitra manaraka ireto, mba tsy ho voatarika hanota ianao fa hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
Asehoy fa tia an’Andriamanitra ianao
4. Nahoana no zava-dehibe ny fankatoavana an’Andriamanitra?
4 Asehonao fa tia an’Andriamanitra ianao raha mankatò azy. (Matio 22:37) Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Hanana herim-po hanoherana fakam-panahy ianao, raha zatra mankatò an’Andriamanitra. Hitondra fifaliana ho anao izany, satria hoy ny mpanao salamo: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ... fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany.”—Salamo 1:1, 2.
5. Hisakana anao tsy hanao inona ny fitiavana an’i Jehovah?
5 Hisakana anao tsy hanao fahotana lehibe, izay hanala baraka ny anaran’i Jehovah, ny fitiavanao azy. Nivavaka toy izao i Agora, mpanoratra Baiboly: “Aza manome ahy alahelo na harena; fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy; fandrao, raha voky aho, dia handa ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra ka Ohabolana 30:1, 8, 9) Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy ‘hanamavo ny anaran’Andriamanitra’, izany hoe tsy hanala baraka azy. Miezaha foana kosa hanao ny tsara, mba hanome voninahitra azy.—Salamo 86:12.
hanamavo ny anaran’Andriamanitro.” (6. Inona no mety hitranga raha minia manota ianao?
6 Mivavaha tsy tapaka amin’ilay Rainao be fitiavana any an-danitra, mba hanampiany anao hanohitra fakam-panahy. (Matio 6:13; Romanina 12:12) Araho hatrany ny toroheviny, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonao. (1 Petera 3:7) Ho ratsy be tokoa ny vokany, raha minia manota ianao. Tsy avelan’i Jehovah hanatona azy mantsy ny olona mpikomy, fa toy ny hoe misarona rahona izy mba ho voasakana ny vavaka ataon’izy ireo. (Fitomaniana 3:42-44) Aoka àry ianao hanetry tena, ka mivavaha mba tsy hanaovanao zavatra mety hisakana ny vavaka ataonao.—2 Korintianina 13:7.
Manehoa fitiavana ny Zanak’Andriamanitra
7, 8. Nahoana ny fankatoavana ny tenin’i Jesosy no hisakana anao tsy hanota?
7 Maneho fitiavana an’i Jesosy Kristy ianao raha mankatò ny didiny, ary hisakana anao tsy hanota izany. Hoy i Jesosy: “Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany.” (Jaona 15:10) Nahoana ny fankatoavana ny tenin’i Jesosy no manampy anao tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
8 Manampy anao hadio fitondran-tena foana ny fankatoavana ny tenin’i Jesosy. Nandidy ny Israely Andriamanitra hoe: “Aza mijangajanga.” (Eksodosy 20:14) Nampiharihary ny toro lalana iorenan’io lalàna io anefa i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:27, 28) Nilaza ny apostoly Petera fa nanana ‘maso feno fanitsakitsaham-bady’ ny sasany teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, ary ‘nitaona ny olona tsy niorina tsara.’ (2 Petera 2:14) Tsy ho voatarika hijangajanga toy izany anefa ianao, raha tia sy mankatò an’Andriamanitra sy Kristy, ary tapa-kevitra ny hifandray tsara amin’izy ireo foana.
Ekeo ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah
9. Inona no mety hitranga, raha tsy mety miala amin’ny fahotana ny olona iray?
9 Mivavaha mba hahazo ny fanahy masina, ary ekeo ny fitarihan’izy io. (Lioka 11:13; Galatianina 5:19-25) Mety hesorin’Andriamanitra aminao ny fanahiny, raha tsy mety miala amin’ny fahotana ianao. Nitalaho toy izao tamin’Andriamanitra i Davida, taorian’ilay fahotan’izy sy Batseba: “Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.” (Salamo 51:11) Tena niala tamin’i Saoly Mpanjaka kosa ny fanahin’Andriamanitra, noho izy nanota nefa tsy nibebaka. Nanao fanatitra dorana mantsy izy, na dia tsy tokony hanao izany aza. Tsy novonoiny koa ny mpanjakan’ny Amalekita sy ny ondry aman’osy ary ny ombin’izy ireo, na dia nasain’i Jehovah naringana daholo aza ireo. Izany no antony nanesoran’i Jehovah ny fanahiny masina tamin’i Saoly.—1 Samoela 13:1-14; 15:1-35; 16:14-23.
10. Nahoana no tsy tokony hataonao an-tsaina akory ny hoe hanota?
10 Aza atao an-tsaina akory ny hoe hanota. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony.” (Hebreo 10:26-31) Ho loza tokoa raha izany no mitranga aminao!
Aoka ianao ho tia ny hafa amin’ny fo manontolo
11, 12. Nahoana no hisakana anao tsy haloto fitondran-tena ny fitiavana sy ny fitadidiana fa masina ny fanambadiana?
11 Hisakana anao tsy haloto fitondran-tena ny fitiavana ny hafa. (Matio 22:39) Io fitiavana io no hanampy anao hitandrina ny fonao, mba tsy hahatonga anao hangalatra ny fitiavana tokony homen’ny olona iray ny vadiny. Mety hitarika ho amin’ny fanitsakitsaham-bady mantsy izany. (Ohabolana 4:23; Jeremia 4:14; 17:9, 10) Manahafa kosa an’i Joba, lehilahy marina, izay tsy nijerijery vehivavy hafa ankoatra ny vadiny.—Joba 31:1.
12 Misakana anao tsy hanao fahotana lehibe ny fitadidiana fa masina ny fanambadiana. Nataon’Andriamanitra mendri-kaja izy io, ary nataony Genesisy 1:26-28) Tsarovy fa natao hamoronana aina vaovao ny taovam-pananahana, ary masina ny aina. Tsy mankatò an’Andriamanitra àry ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady. Tokony ho mendrika ny firaisana, kanefa manao tsinontsinona an’izany izy ireo sady tsy mihevitra ny fanambadiana ho masina. Manota amin’ny vatany ihany izy ireo. (1 Korintianina 6:18) Raha tia ny namany anefa ny olona iray, sady tia an’Andriamanitra sy mankatò azy, dia hitandrina ny fitondran-tenany mba tsy ho voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana.
mba hahafahan’ny mpivady hiteraka ny fanaovana firaisana. (13. Nahoana no lazaina fa manimba zava-tsarobidy ny olona maloto fitondran-tena?
13 Tsy maintsy esorintsika ao an-tsaina ny eritreri-dratsy, mba tsy hanaovantsika zavatra hampahory ny olona tiantsika. Hoy ny Ohabolana 29:3: “Izay misakaiza amin’ny vehivavy janga dia mandany harena”, na manimba zava-tsarobidy. Manimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’ny fianakaviany ny olona manitsakitsa-bady tsy mibebaka. Afaka mangataka fisaraham-panambadiana koa ny vadiny. (Matio 19:9) Tena miteraka ratram-po eo amin’ilay vady tsy manan-tsiny sy eo amin’ny ankizy ary ny olon-kafa anefa ny fisarahan’ny mpivady. Hiezaka mafy àry ianao hanohitra fakam-panahy, raha tsapanao tsara fa tena ratsy ny vokatry ny fitondran-tena maloto.
14. Inona no ianarantsika avy amin’ny Ohabolana 6:30-35?
14 Fantatsika fa tsy misy na inona na inona mahaonitra ny fanitsakitsaham-bady. Tsy hanao io fahotana vokatry ny fitiavan-tena tafahoatra io isika, raha mitadidy izany. Resahin’ny Ohabolana 6:30-35 fa mety hiantran’ny olona ihany ny mpangalatra, izay mangalatra satria noana. Halan’ny olona kosa ny mpanitsakitsa-bady, satria ratsy saina. ‘Manimba tena’ na manimba ny fiainany izay manao izany. Ho novonoina ho faty izy, raha teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Levitikosy 20:10) Mampitondra fahoriana ny hafa mba hahazoany fahafinaretana fotsiny, ny olona manitsakitsa-bady. Miala amin’ny fitiavan’Andriamanitra izy raha tsy mibebaka, ka roahina mba tsy handoto ny fiangonana kristianina.
Manàna feon’ny fieritreretana madio foana
15. Manao ahoana ny feon’ny fieritreretana, rehefa “toy ny voatomboky ny vy mahamay”?
15 Tsy tokony havelantsika ho donto, na tsy hihontsina amin’ny fahotana ny feon’ny fieritreretantsika, raha tsy te hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika. Mazava ho azy fa tsy ankasitrahantsika mihitsy ny fitondran-tena tsy mendrika eto amin’ity tontolo ity. Mila mitandrina koa anefa isika, rehefa mifidy namana sy boky hovakina ary fialam-boly. Nampitandrina i Paoly hoe: “Any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany ka hihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy hihaino fampianaran’ny demonia. Hiala koa izy ireny noho ny fihatsarambelatsihin’ny mpandainga, izay manana feon’ny fieritreretana toy ny voatomboky ny vy mahamay.” (1 Timoty 4:1, 2) Azo oharina amin’ny hoditra may sy nanolatra, izay tsy mahatsapa na inona na inona intsony, ny feon’ny fieritreretana “toy ny voatomboky ny vy mahamay.” Lasa donto izy io, ka tsy mandrara antsika mba tsy hifandray amin’ny mpivadi-pinoana, ary tsy mampitandrina antsika intsony rehefa misy toe-javatra mety hitarika antsika hiala amin’ny finoana.
16. Nahoana no tena ilaina ny feon’ny fieritreretana madio?
16 Miankina amin’ny fananantsika feon’ny fieritreretana madio ny famonjena antsika. (1 Petera 3:21) Noho ny finoantsika ny ra nalatsak’i Jesosy, dia voadio ny feon’ny fieritreretantsika ka afaka amin’ny asa maty, “mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.” (Hebreo 9:13, 14) Ho voaloto kosa ny feon’ny fieritreretantsika, raha minia manota isika. Tsy hadio intsony isika amin’izay, ka tsy ho mendrika hanompo an’Andriamanitra. (Titosy 1:15) Afaka manana feon’ny fieritreretana madio anefa isika, noho ny fanampian’i Jehovah.
Torohevitra hafa manampy antsika tsy hanao ratsy
17. Nahoana no mahasoa ny ‘manaraka an’i Jehovah’ amin’ny fo manontolo?
17 ‘Manaraha an’i Jehovah’ amin’ny fo manontolo, toa an’i Kaleba fahiny. (Deoteronomia 1:34-36) Ataovy izay takin’Andriamanitra aminao, ary aza mihinana amin’ny “latabatry ny demonia” mihitsy. (1 Korintianina 10:21) Aoka ianao handa ny fivadiham-pinoana. Raiso ary ankasitraho ny sakafo ara-panahy, izay tsy ho hitanao raha tsy eo amin’ny latabatr’i Jehovah. Tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka na ny fanahy ratsy ianao raha manao izany. (Efesianina 6:12; Joda 3, 4) Mifantoha amin’ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, toy ny fianarana Baiboly, fivoriana, ary fitoriana sy fampianarana. Azo antoka fa ho faly ianao, raha manaraka an’i Jehovah amin’ny fo manontolo sy be atao amin’ny asan’ny Tompo.—1 Korintianina 15:58.
18. Hanao ahoana ny fitondran-tenanao, raha matahotra an’i Jehovah ianao?
18 Aoka ianao ho tapa-kevitra ny ‘hanao fanompoana masina ho an’Andriamanitra, amin’ny fahatahorana sy ny fanajana.’ (Hebreo 12:28) Hahatohitra fakam-panahy ianao, raha matahotra sy manaja lalina an’i Jehovah. Hanampy anao izany mba hanaraka ity torohevitr’i Petera ho an’ny voahosotra namany ity: “Mpitsara tsy mizaha tavan’olona ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka ny asany avy. Koa raha izy no antsoinareo, dia aoka ianareo hitondra tena amin-tahotra mandritra ny andro fivahinianareo.”—1 Petera 1:17.
19. Nahoana no tokony hampiharinao foana izay ianaranao avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
19 Ampiharo foana izay ianaranao avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hisakana anao tsy hanao fahotana lehibe izany, satria hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ianao. (Hebreo 5:14) Tandremo tsara ny fiteninao sy ny fitondran-tenanao, satria tsy mety ny manao tsirambina an’izany. Aoka ianao hitondra tena tahaka ny hendry, ka “hararaoty tsara ny fotoana” fa ratsy izao andro izao. “Fantaro hatrany izay sitrapon’i Jehovah”, ary izay sitrany foana atao.—Efesianina 5:15-17; 2 Petera 3:17.
20. Nahoana isika no tsy tokony hitsiriritra?
20 Aza mitsiriritra mihitsy. Milaza toy izao ny iray amin’ny Didy Folo: “Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.” (Eksodosy 20:17) Nanome an’io lalàna io i Jehovah mba hiarovana ny tranon’ny olona, ny vadiny, ny mpiasany, ny biby fiompiny, sy ny sisa. Mandoto ny olona koa anefa ny fitsiriritana, araka ny tenin’i Jesosy, ka izay no antony lehibe indrindra nandrarana azy io.—Marka 7:20-23.
21, 22. Inona avy no azon’ny Kristianina atao, mba hisorohana ny toe-javatra mety hitarika azy hanota?
21 Mila misoroka ny toe-javatra sasany ianao, mba tsy hitarika anao hanota ny faniriana ao anatinao. Hoy i Jakoba: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa notanterahina, dia miteraka fahafatesana.” (Jakoba 1:14, 15) Mety hanapa-kevitra ny tsy hampiditra zava-pisotro misy alkaola ao an-tranony, ohatra, ny olona iray, raha mpisotro be izy taloha. Mety hangataka ny hanovana ny toerana iasany koa ny Kristianina iray, na mety hiova asa mihitsy, mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena.—Ohabolana 6:23-28.
22 Aza manomboka manao zavatra tsy mety mihitsy anefa, satria hitarika anao hanota izany. Raha milalao fitia na misaintsaina hevitra maloto, ohatra, ny olona iray, dia mety ho voatarika hijangajanga na hanitsakitsa-bady. Raha manomboka mandaingalainga kely izy, dia ho sahy handainga be, ary ho zatra handainga mihitsy. Ny halatra madinidinika koa dia mety hanadonto ny feon’ny fieritreretana, ka hitarika ho amin’ny halatra lehibe kokoa. Ary na dia manaraka kely fotsiny ny hevitry ny mpivadi-pinoana aza ianao, dia mety hivadi-pinoana tanteraka amin’ny farany.—Ohabolana 11:9; Apokalypsy 21:8.
Ahoana raha nanota ianao?
23, 24. Nahoana no mampahery ny 2 Tantara 6:29, 30 sy ny Ohabolana 28:13?
23 Ekena fa tsy lavorary daholo ny olona rehetra. (Mpitoriteny 7:20) Raha nanao fahotana lehibe anefa ianao, dia hampahery anao ny vavak’i Solomona Mpanjaka tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jehovah. Nivavaka toy izao izy: “Izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,—dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona).”—2 Tantara 6:29, 30.
24 Mahalala ny ao am-pontsika tokoa Andriamanitra, ary mamela heloka izy. Hoy ny Ohabolana 28:13: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” Hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra ianao, raha mibebaka ka mitsotra ny fahotanao ary tsy mamerina izany intsony. Inona koa anefa no hanampy anao tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra, raha lasa malemy ara-panahy ianao?
Ahoana no Havalinao?
• Inona no manampy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
• Nahoana ny fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy no manampy antsika tsy hanota?
• Nahoana ny fitiavana ny hafa no misakana antsika tsy haloto fitondran-tena?
• Inona avy no torohevitra manampy antsika tsy hanao ratsy?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 21]
Atoron’i Joda antsika ny fomba hitoerana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra
[Sary, pejy 23]
Tena miteraka ratram-po eo amin’ilay vady tsy manan-tsiny sy eo amin’ny ankizy ny fisarahan’ny mpivady
[Sary, pejy 24]
Tapa-kevitra ny ‘hanaraka an’i Jehovah’ amin’ny fo manontolo toa an’i Kaleba ve ianao?
[Sary, pejy 25]
Mivavaha tsy tapaka mba hahafahanao hanohitra fakam-panahy