Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

“Niana-javatra Betsaka avy Tamin’ny Olon-kafa Aho”

“Niana-javatra Betsaka avy Tamin’ny Olon-kafa Aho”

MAIZIN-KITROKA tamin’izay ary nafotaka ny ady. Miaramila tao amin’ny tafika frantsay aho, ary nitoby tany an-tendrombohitra tany Alzeria izahay. Izaho irery no niambina tamin’io fotoana io, tao ambadiky ny gony maromaro feno fasika. Nisy basimarovava teny an-tanako. Nangina be tamin’izay, nefa tampoka teo dia naheno feo nikorofodrofoka nihananatona aho. Tsy nahahetsika intsony aho! Vao 20 taona teo ho eo aho, ary tsy te hamono olona sady tsy te ho faty. Tonga aho dia niteny hoe: “Andriamanitra ô! Vonjeo aho!”

Nanova ny fiainako iny zava-nitranga nampahatahotra iny, satria tamin’izay aho no nanomboka nitady an’Andriamanitra. Aleo fa hotantaraiko anareo ny tohin’ilay tantara. Horesahiko kely anefa aloha ny fahazazako, satria izay no namolavola ny fomba fisainako sy nahatonga ahy hitady an’Andriamanitra.

NIANA-JAVATRA AVY TAMIN’I DADA AHO

Teraka tamin’ny 1937 aho, tany Guesnain, any amin’ny faritra avaratr’i Frantsa. Misy toerana fitrandrahana any. Mpitrandraka arintany i Dada ary nampianatra ahy hazoto hiasa. Nampianatra ahy hankahala ny tsy rariny koa izy. Hitany hoe be dia be ny mpitrandraka niharan’ny tsy rariny sy niasa tany amin’ny toerana nampidi-doza, dia te hanampy an-dry zareo izy. Izany no nahatonga azy hiditra tao amina fikambanana miaro ny zon’ny mpitrandraka arintany sy handray anjara tamin’ny fitokonana nataon’izy ireny. Tezitra tamin’ny mpitondra fivavahana tao an-tanàna koa izy satria nihatsaravelatsihy ry zareo. Betsaka tamin’izy ireny mantsy no niadana be, nefa mbola nitaky vola sy sakafo tamin’ny mpitrandraka ihany. Ny mpitrandraka anefa nitrongy vao homana! Tena rikoriko tamin’ny mpitondra fivavahana i Dada, dia tsy nampianariny na inona na inona momba ny fivavahana mihitsy aho. Tsy niresaka momba an’Andriamanitra mihitsy aza izahay.

Lasa nankahala ny tsy rariny koa aho rehefa nihalehibe. Nampahatezitra be ahy, ohatra, ny nahita hoe navakavahana ny vahiny teto Frantsa. Nilalao baolina niaraka tamina ankizy vahiny aho, dia tiako be ny niaraka tamin-dry zareo. I Neny koa moa tsy Frantsay fa Poloney. Tiako hihavana tsara sy hitovy zo ny olona samy hafa fiaviana.

LASA NANDINIKA NY FIAINANA AHO

Tamin’izaho miaramila

Voantso ho miaramila aho tamin’ny 1957. Izay no nahatonga ahy ho teny amin’ilay tendrombohitr’i Alzeria, araka ilay notantaraiko tetsy aloha. Fantatrareo ve hoe inona no hitako rehefa avy niantsoantso aho hoe: “Andriamanitra ô! Vonjeo aho!”? Tsy miaramila fahavalo fa ampondradia! Maivamaivana erỳ aho! Nahatonga saina ahy anefa iny zava-nitranga iny sy ny ady, dia lasa nandinika ny fiainana aho. Nieritreritra aho hoe: Inona no antony namoronana antsika? Mba miraharaha antsika ve Andriamanitra? Hisy fiadanana maharitra ihany ve indray andro any?

Nisy fotoana aho tsy niasa dia nitsidika an-dry Dada sy Neny. Nihaona tamina Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’izay. Nomeny Baiboly tamin’ny teny frantsay aho, ary nanomboka namaky an’ilay izy rehefa niverina tany Alzeria. Nampieritreritra ahy ny Apokalypsy 21:3, 4. Izao no voalaza ao: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra ... Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Gaga be aho! Nieritreritra aho hoe: ‘Izany ve dia tena hitranga?’ Tsy nahalala na inona na inona momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly mihitsy aho tamin’izany.

Niala tamin’ny tafika aho tamin’ny 1959, dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. François no anarany. Nampianatra ahy zavatra be dia be tao amin’ny Baiboly izy. Nasehony ahy, ohatra, hoe manana anarana Andriamanitra. Jehovah no anarany. (Sal. 83:18) Nohazavainy koa hoe hampanjaka ny rariny i Jehovah, hanova ny tany ho paradisa, ary hanatanteraka ny voalazan’ny Apokalypsy 21:3, 4.

Hitako hoe nitombina tsara ireo fampianarana ireo ary nanohina ny foko. Tezitra be tamin’ny mpitondra fivavahana koa anefa aho, ary te hampibaribary hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny zavatra nampianarin-dry zareo. Mbola nisy vokany tamiko ny fomba fihevitr’i Dada. Tsy nanam-paharetana aho fa tiako tonga dia hofoanana ny tsy rariny!

Nanampy ahy mba ho tony anefa i François sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa lasa namako. Nohazavain-dry zareo hoe tsy tokony hitsara olona ny Kristianina fa hanampy an-dry zareo hanana fanantenana, ka hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no nataon’i Jesosy sy nasainy nataon’ny mpanara-dia azy. (Mat. 24:14; Lioka 4:43) Tsy maintsy nianatra ny ho tsara fanahy sy hitsinjo ny fihetseham-pon’ny olona koa aho rehefa niresaka, na dia tsy nekeko aza ny zavatra inoan-dry zareo. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra.”​—2 Tim. 2:24.

Niezaka niova aho dia natao batisa tamin’ny 1959, tamin’ny fivoriamben’ny faritra. Nihaona tamina anabavy tanora antsoina hoe Angèle aho tany. Raiki-pitia taminy aho, dia nanomboka nivory tsindraindray tany amin’ny fiangonana nisy azy. Nivady izahay tamin’ny 1960. Tsy vitan’ny hoe mahafinaritra izy, fa vady tsara koa sady fanomezana sarobidy be avy amin’i Jehovah.​—Ohab. 19:14.

Tamin’ny mariazinay

NIANA-JAVATRA BE AVY TAMIN’NY RAHALAHY HENDRY SY AMPY TRAIKEFA AHO

Nandray lesona tena lehibe avy tamin’ny rahalahy hendry sy ampy traikefa aho nandritra ny taona maro. Intỳ no lesona sarobidy indrindra amiko: Mila manetry tena ianao sady mampihatra ny Ohabolana 15:22, raha te hahomby amin’izay asa sarotra ampanaovina anao. Izao no resahin’io andinin-teny io: ‘Tanteraka ny fikasana raha maro ny mpanolo-tsaina.’

Tamin’izaho mpiandraikitra ny faritra teto Frantsa (1965)

Tena marina ireo teny ireo, ary nahatsapa an’izany aho nanomboka tamin’ny 1964. Lasa mpiandraikitra ny faritra mantsy aho tamin’io taona io. Nitsidika fiangonana aho mba hampahery ny mpiara-manompo sy hanampy an-dry zareo hinamana kokoa amin’i Jehovah. Tsy mbola ampy traikefa aho tamin’izany satria vao 27 taona. Nanao diso àry aho indraindray, nefa niana-javatra avy tamin’ireny. Ny “mpanolo-tsaina” mahay sy ampy traikefa no tena nandraisako lesona sarobidy be dia be.

Tadidiko tamin’izaho vao nanao ny asan’ny faritra. Avy nitsidika fiangonana tany Paris aho tamin’izay, dia nisy rahalahy matotra tao amin’io fiangonana io nanontany ahy raha afaka miresaka mitokana amiko izy. Mazava ho azy fa nanaiky aho!

Hoy izy: “Hono ho’aho ry Louis, rehefa misy marary miantso dokotera ho any an-tranony, dia iza no jeren’ilay dokotera rehefa tonga any izy?”

Namaly aho hoe: “Ilay marary.”

Niteny izy avy eo hoe: “Izay mihitsy! Hitako anefa hoe ny olona salama tsara ara-panahy no tena anokananao fotoana, ohatra hoe ny mpiandraikitra ny fiangonana. Betsaka anefa ny rahalahy sy anabavy kivy sy vaovao ary saro-kenatra ao amin’ny fiangonanay. Tena ho faly ry zareo raha manokana fotoana hiarahana amin-dry zareo ianao, na mba misakafo any an-tranony.”

Nitombina tsara ny torohevitr’io rahalahy io ary tena nilaiko. Hitako hoe tiany be ny ondrin’i Jehovah, ary nanohina ny foko izany. Niezaka ny tsy ho be hambom-po àry aho, fa tonga dia nampihatra ny soso-keviny. Misaotra an’i Jehovah aho hoe nomeny rahalahy hoatr’izany.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena roa natao tany Colombes, any Paris, tamin’ny 1969 sy 1973. Nasaina niandraikitra ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Sakafo aho tamin’ireo. Olona 60 000 teo ho eo no tsy maintsy nomena sakafo nandritra ny dimy andro, tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1973! Nieritreritra aho hoe: ‘Izany ve dia ho vita?’ Nanampy ahy indray anefa ny Ohabolana 15:22. Nila niresaka tamin’ny mpanolo-tsaina hendry aho. Nangataka torohevitra tamin’ny rahalahy matotra sy nanana traikefa momba ny sakafo àry aho, ohatra hoe mpivaro-kena, mpamboly legioma, mpahandro, ary mpividy entana. Niara-niasa izahay dia vitanay ihany ilay asa sarotra be!

Nasaina nanompo tato amin’ny Betelan’i Frantsa izahay mivady tamin’ny 1973. Sarotra be koa ny asa voalohany nampanaovina ahy tamin’izany. Nila nitady hevitra aho mba handefasana boky sy gazety ho an’ny mpiara-manompo tany Cameroun, any Afrika. Voarara ny asa tany nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1993. Natahotra indray aho tamin’izay hoe ho vitako ve ilay izy. Tsikaritry ny mpiandraikitra ny sampana angamba izany, dia nampahery ahy izy. Izao no noteneniny: “Tena mila sakafo ara-panahy ny rahalahy sy anabavintsika any Cameroun. Andao isika hikarakara an-dry zareo e!” Dia izany mihitsy no nataonay.

Tamin’ny fivoriana manokana iray tany Nizeria, miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy any Cameroun (1973)

Nivezivezy tany amin’ireo firenena manodidina an’i Cameroun aho mba hihaona tamin’ny anti-panahy avy any Cameroun. Nanampy ahy ry zareo mba hahita hevitra handefasana sakafo ara-panahy tsy tapaka tany. Notahin’i Jehovah ny ezaka nataonay sy ireo rahalahy hendry sy be herim-po ireo. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana foana ny mpiara-manompo tany nandritra ny 20 taona teo ho eo. Nahazo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana foana koa ry zareo isam-bolana.

Izahay sy Angèle mitsidika an’i Nizeria miaraka amin’ny mpiandraikitra ny faritra maromaro avy any Cameroun sy ny vadin-dry zareo (1977)

NIANA-JAVATRA BE DIA BE AVY TAMIN’NY VADY MALALAKO AHO

Vao nanomboka niaraka izahay sy Angèle dia efa hitako hoe nifandray tsara tamin’i Jehovah izy. Vao mainka niharihary izany rehefa nivady izahay. Tadidiko tamin’ny andron’ny mariazinay. Nangataka ahy hivavaka izy ny harivan’io, dia hiresaka amin’i Jehovah hoe te hanompo azy betsaka araka izay azo atao izahay mivady. Namaly an’io vavaka io i Jehovah.

Nanampy ahy mba hatoky kokoa an’i Jehovah koa i Angèle. Rehefa nantsoina hanompo tato amin’ny Betela, ohatra, izahay tamin’ny 1973, dia nisalasala aho satria tiako be ny asan’ny faritra. Nampahatsiahivin’i Angèle ahy anefa hoe: “Isika ange efa nanokan-tena ho an’i Jehovah e! Tsy tokony hanao an’izay rehetra asain’ny fandaminana atao ve izany isika?” (Heb. 13:17) Inona intsony moa no havaliko an’izany? Dia lasa izahay nankatỳ amin’ny Betela. Hendry ny vadiko sady mahay mandanjalanja ary tena tia an’i Jehovah. Nanampy anay mba hifankatia kokoa sy handray fanapahan-kevitra tsara izany, nandritra an’ireo taona maro niarahanay.

Izahay sy Angèle eo amin’ny zaridainan’ny Betela, atỳ Frantsa

Efa be taona izao izahay mivady, fa mbola manampy be ahy foana i Angèle. Niezaka be izahay mba hahay hiteny anglisy kokoa. Te hanatrika sekoly ara-baiboly mantsy izahay, nefa betsaka amin’izy ireny no atao amin’ny teny anglisy. Nifindra tany amin’ny fiangonana anglisy àry izahay, na dia efa 70 taona mahery aza tamin’izany. Tsy mora tamiko ny nianatra teny vahiny, satria be andraikitra aho noho izaho anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Frantsa. Nifanampy anefa izahay. Efa 80 taona mahery izao izahay nefa mbola manomana fivoriana amin’ny teny anglisy sy amin’ny teny frantsay. Miezaka mandray anjara matetika amin’ny fivoriana sy ny fanompoana miaraka amin’ny fiangonana koa izahay. Tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataonay mba hianarana teny anglisy!

Nahazo fitahiana miavaka izahay sy Angèle tamin’ny 2017. Nasaina hanatrika ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny izahay. Natao tany amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any New York, ilay izy.

Mpampianatra faran’izay mahay tokoa i Jehovah! (Isaia 30:20) Tsy mahagaga raha mahazo ny fampianarana tsara indrindra ny vahoakany, na tanora na antitra. (Deot. 4:5-8) Hitako hoe afaka mandray fanapahan-kevitra tsara sy tsy mivadika amin’i Jehovah ny tanora, raha mihaino an’i Jehovah sy mihaino ny rahalahy sy anabavy matotra. Marina mihitsy ny lazain’ny Ohabolana 9:9 hoe: “Ampianaro ny hendry dia vao mainka ho hendry. Omeo fahalalana ny marina dia hitombo ny zavatra hainy.”

Indraindray aho mieritreritra an’ilay alina nampahatahotra be tany amin’ny tendrombohitra tany Alzeria iny. Efa 60 taona teo ho eo izay no lasa. Tsy nampoiziko mihitsy tamin’izay hoe ho tsara be ny fiainako! Niana-javatra betsaka avy tamin’ny olon-kafa koa aho. Nataon’i Jehovah mahafinaritra be ny fiainanay sy Angèle! Tapa-kevitra àry izahay hoe hianatra momba an’ilay Raintsika any an-danitra foana, ary hiana-javatra avy amin’ireo mpiara-manompo hendry sy za-draharaha sady tena tia azy.