2 Manampy Antsika Hamaha Olana
Maharitra ela ny olana sasany, ary misy aza an-taonany maro. Tsy hitahita akory ilay izy dia lasa lalim-paka. Manampy antsika hamaha an’ireny olana saro-bahana sy mahakivy ireny ve ny Baiboly? Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy.
MANAHY BE LOATRA
Hoy i Rojo: “Lasa nanahy be aho satria namisavisa zava-dratsy foana. Indraindray anefa tsy hoatran’ilay tao an-tsaiko akory no nitranga.” Anisan’ny andinin-teny nanampy azy ny Matio 6:34 hoe: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.” Nanampy an’i Rojo tsy hanahy intsony momba ny ampitso, hono, ireo tenin’i Jesosy ireo. Hoy koa izy: “Efa betsaka ny olana natrehiko, ka tsy te hanahy be momba an’izay zavatra tsy nitranga akory aho na mety tsy ho nitranga mihitsy.”
Nanahy be loatra koa i Nivo. Hoy izy: “Nanimba ny fiainako izany. Nitomany nandritra ny andro maromaro aho, sady tsy nahita tory matetika.” Nanampy azy ny 1 Petera 5:7 hoe: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” Hoy i Nivo: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho, dia nihaino ahy izy. Mahatsiaro ho maivamaivana aho izao. Mbola manahy ihany aho indraindray, fa efa haiko izao ny miatrika azy.”
MANGATAKA ANDRO
Hoy ny tovovavy atao hoe Sariaka: “Efa manaranaka mihitsy angamba ilay hoe mangataka andro, satria dadanay koa hoatr’izany. Aleoko maka aina na mijery tele, toy izay tonga dia manao an’izay zava-dehibe tokony hataoko. Fahazaran-dratsy ilay izy satria lasa manenjikenjika be aho, dia tsy vita tsara izay tokony hataoko.” Nanampy azy ity toro lalana ao amin’ny 2 Timoty 2:15 ity: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.” Hoy i Sariaka: “Tsy tiako ho menatra amin’ny zavatra ataoko i Jehovah, noho izaho nangataka andro.” Efa miezaka be izy izao.
Hoy koa i Ialy: “Nangataka andro foana aho, dia tamin’ny minitra farany vao nanao ny asa tokony ho nataoko. Tsy nahasoa ahy anefa izany, satria lasa tsy nahita tory aho, nanahy, ary nitomany.” Nanampy azy ny Ohabolana 13:16 hoe: “Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra, fa hadalana kosa no haelin’ny tsisy saina.” Nisaintsaina an’izany izy, dia nanatsoaka hevitra hoe: “Tsara ny mamantatra ny zava-misy sy manao zavatra mialoha. Asiako kahie kely izao eo ambony latabatro, dia soratako ao izay asa mila ataoko. Manampy ahy handamina ny fotoanako izany, ka tsy miandry am-poto-moty intsony aho vao manao zavatra.”
MAHATSIARO HO MANIRERY
Hoy i Sonia: “Nilaozan’ny vadiko izaho sy ireo zanakay efatra mbola kely.” Inona no nanampy azy? Ity toro lalana ao amin’ny Ohabolana 17:17 ity: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” Nitady fanampiana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah toa azy izy. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? Hoy i Sonia: “Nanampy be anay ry zareo. Nisy nametraka sakafo sy voninkazo teo am-baravaranay. Nifindra trano intelo izahay, dia be dia be foana ny olona nanampy anay mianakavy kely. Nisy indray nanampy ahy hahita asa. Tsy nandao ahy mihitsy ny namako.”
Nahatsiaro ho nanirery koa i Vero, ilay voaresaka teo aloha. Hoy izy tamin’izy namoy ny zava-drehetra: “Tena nanirery aho, hoatran’ny ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery!” Anisan’ny nanampy azy ity Salamo 68:6 ity: “Manome trano ho an’ny manirery Andriamanitra.” Hoy i Vero: “Fantatro fa tsy trano ara-bakiteny fotsiny no tiana horesahina eo. Manome toeram-pialofana ho antsika koa i Jehovah, rehefa afaka mifandray sy minamana amin’ireo tia azy isika. Tsy maintsy mifandray akaiky amin’i Jehovah anefa aloha aho, vao ho afaka hifandray akaiky amin’izy ireo. Nanampy ahy hanao izany ny Salamo 37:4 hoe: ‘Aoka koa ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.’”
Hoy koa izy: “Tsapako hoe nila nifandray kokoa tamin’i Jehovah aho. Izy mantsy no namana tsara indrindra. Nataoko lisitra avy eo ny zavatra tiako hatao miaraka amin’ny hafa, amin’izay aho afaka mahazo namana tia an’i Jehovah. Nianatra nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny olona aho, fa tsy tamin’ny fahalemeny.”
Marina aloha fa mbola tsy lavorary ny mpanompon’Andriamanitra. Miatrika olana toy ny olon-drehetra koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandrisika ny olona hifanampy anefa ny Baiboly. Tsara àry ny minamana amin’ny olona vonon-kifanampy toy izany. Ary ahoana raha mbola tsy voavaha amin’izao ilay olana, toy ny aretina mitaiza na fahoriana? Mbola afaka manampy antsika ve ny toro lalan’ny Baiboly?
Hahita namana vonon-kanampy ianao raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly