Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Fahadisoan-kevitra Ve?

Milaza ny gazety The Daily Yomiuri fa nampisalasala ny zavatra sasany natao mba tsy hahalany tamingana ny soka-dranomasina goavam-be any Japon. Mety ho sarotra amin’ny sokatra vao foy ny hahay ny lalany, raha alaina avy any anaty fasika ny atodiny, ka kotrehina any an-toeran-kafa, ary alefa any an-dranomasina rehefa foy. Hoy ilay gazety hoe: “Mamantatra ny herin’andriamby ao amin’ny tany ny sokatra foy ho azy rehefa mamakivaky ny tora-pasika, ka lasa mahay ny lalany. Tsy afaka manao izany anefa izy sady tsy mahay milomano samirery raha tazonina any amin’ny toerana kely voafefy aloha mba ho foy, izay vao alefa any an-dranomasina.”

Tsikitsiky Tsy Lany

Hoy ny gazety The Times any Londres: “Fomba tsara indrindra hahazoana namana sady misy heriny amin’ny olona ny tsiky.” Hita avy tamin’ny fanadihadiam-pirenena ho an’ny Paositry ny Fanjakana fa ny tsiky no zavatra voalohany voamariky ny ankamaroan’ny olona. Efa ho ny antsasak’ireo nanontaniana no nilaza fa tsy hiara-miasa amin’ny olona tsy mitsiky. Ny mpitantan-draharaha vehivavy no tena tia kokoa manome asa ambony ho an’izay mpiasa mitsikitsiky. Hoy i Brian Bates, anisan’ny nanoratra ilay boky hoe Ny Endriky ny Olombelona (anglisy): “Asehon’io fanadihadiana io fa tena zava-dehibe ny fitsikiana eo anivon’ny fiaraha-monina. Aleontsika, matetika, zaraina amin’ny mpitsikitsiky ny tsiambaratelontsika sy ny fanantenantsika ary ny volantsika.” Nilaza koa izy fa mahatonga ny vatana hamoaka hormonina manala fanaintainana betsaka kokoa ny fitsikiana, ary ‘mety kokoa ny fiainana sy ny asan’ny olona tia mitsiky.’

Famantaranandro Marina Indrindra

Namorona famantaranandro mandeha amin’ny volavelona ny ekipana mpahay siansa amerikanina. Milaza ny gazety The Times any Londres fa “marina hatramin’ny ampahan-tsegondra kely indrindra fampiasa amin’ny siansa” izy io. Voalaza fa “avo 1 000 heny ny fahamarinany, raha oharina amin’ny famantaranandro ataomika nampiasaina mba hijerena ny Ora Iraisam-pirenena.” Hoy ilay mpahay fizika atao hoe Scott Diddams: “Ny fizika fototra aloha izao no tena ilana azy io, mba hahatakarana tsara kokoa ny tsipirian’izao rehetra izao.” Hampiasaina amin’ny foiben-telefaonina sy ny satelita ho an’ny fitaterana ana habakabaka sy an-dranomasina izy io any aoriana. Na dia nilaza aza i Diddams fa io famantaranandro io no “tsy miovaova indrindra maneran-tany”, dia nilaza koa izy fa mbola azo hatsaraina izy io.

“Fanisam-bahoaka Marina Indrindra” Ve?

Milaza ny gazety The Wall Street Journal fa ny fanisam-bahoaka tamin’ny 2000 no voalaza fa “fanisana marina indrindra hatramin’izay” tany Etazonia. Kanefa “olona 5,77 tapitrisa tamin’ireo voaisa tamin’ny 2000 no inoan’ny Birao Momba ny Fanisam-bahoaka fa misy, na dia tsy tena voamariny akory aza.” Nanazava ilay gazety hoe: “Mety hisy trano tsy nahazoan’ilay birao valiny tamin’ny fanadihadiana nataony, na dia heveriny fa misy olona aza. Soratany ao amin’ny ordinatera fotsiny àry ny mombamomba ny olona heveriny fa mipetraka ao. Mampiasa fomba samihafa izy mba hanaovana izany tombana izany, ka eo, ohatra, ny valin-teny omen’ny olona teo amin’ny manodidina io trano io.” Mbola atao izany na dia tsy mahazo antoka aza ireo tompon’andraikitra hoe tena misy mipetraka ao amin’ilay trano. Tafiditra amin’ilay vinavina ny isan’ny olona ao, ny taonany, lahy izy sa vavy, ny fiaviany ary ny hoe manambady ve izy sa tsia. Nilaza ny tompon’andraikitra iray fa azo inoana hoe marina izany “satria tia miara-mipetraka ny olona mitovy fiaviana.” Telo isan-jaton’ireo voaisa no novinavinaina fotsiny, tany amin’ny fanjakana sasany any Etazonia, ary natao toy izany koa ny fomba namantarana ny fiavian’ny olona 11 tapitrisa mahery.

Hazo Mamono Ve?

Misy adihevitra be any Frantsa momba ny hanaovana ireo hazo 400 000 manamorona ny araben’ilay firenena. Voalaza hatrany fa ireny hazo ireny no mahafaty olona amin’ny lozam-piarakodia. Milaza ny gazety frantsay L’Express fa nisy olona 7 643 matin’ny lozam-piarakodia tamin’ny 2000, ka ny fandonana hazo no nahafaty ny 799 tamin’ireo. Misy milaza anefa fa tsy ireo hazo loatra no tena nahafaty an’ireo fa ny toaka sy ny fandehanana mafy loatra. Hazo 10 000 ka hatramin’ny 20 000 maniry eo amin’ny latsaka ny 2 metatra miala ny sisin’arabe anefa no kasaina hotapahina. Nisarika ny saina ho amin’ny lahatsoratry ny gazety The Wall Street Journal momba izany ny L’Express ka nilaza fa “toy ny nanao heloka tena lehibe ireo hazo ireo satria tsy niala teo amin’ny lalan’ireo mpamily mamo.”

Tsy Mahay Soratra Sinoa Intsony Ve?

Milaza ny gazety The Daily Telegraph any Londres fa “efa sahirana ny ankizy sinoa mitadidy an’ireo tarehintsoratra sinoa, nefa vao mainka misy fahavalo lehibe indrindran’ireo tarehintsoratra ireo izao, dia ny ordinatera. Tsy mahatadidy ny fanoratra ireo tarehintsoratra 6 000 intsony ireo avara-pianarana na dia nirehareha foana aza hoe mahay tsianjery azy ireo. Mbola hainy ny mamaky azy ireo, saingy tsy hainy kosa ny manoratra azy, raha vao tsy mampiasa ordinatera izy.” Antsoina hoe “‘ti bi wang zi’, midika hoe fanadinoana litera raha vao manainga stylo”, io toe-javatra io. Nosoratana tamin’ny tanana daholo ny ankamaroan’ny zava-drehetra talohan’ireo taona 1980. Nandroso anefa ny programan’ny ordinatera, ka nampidirina tao anaty ordinatera ireo litera ireo. Mihafoana tsikelikely, noho izany, ilay talenta sarobidy lazaina fa mampiseho ny toetra anaty, dia ny fanoratana litera tsara tarehy amin’ny tanana. “Mampanahy ny manam-pahaizana momba ny fiteny sy ny psikology ary ny ray aman-dreny izany.”

Tanora Mampihena Tena

Miresaka momba ny fanadinadinana ankizivavy kanadianina 1 739, eo anelanelan’ny 12 sy 18 taona, ny gazety Globe and Mail. Ny 27 isan-jato no hita fa tsy afaka mifehy ny fihinanany, izany hoe mihinana foana na tsy mihinana mihitsy. Nisy mpandray anjara avy any an-tanàn-dehibe sy avy any ambanivohitra namaly fanontaniana an-tsoratra momba ny fihinanany sy momba ny tsy fahafaham-pony amin’ny bikany. Hita avy tamin’izany fa misy vao 12 taona dia efa mihinana be loatra ary manadio kibo avy eo (manao izay handoavana) na mihinana pilina mampahalain-komana, na fanafody mampivalana, mba hampihenan-tena. Nilaza ny Dr. Jennifer Jones, mpikaroka miaraka amin’ny Sampana Fahasalamana any Amin’ny Oniversiten’i Toronto, fa ny ankizivavy indrindra no “tokony hanana fomba fihevitra mety momba ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena. Tokony ho fantatr’izy ireo ny momba ny vatany. Tokony ho fantany koa fa tsy ara-dalàna ny sary hitany amin’ny peta-drindrina sy gazety ary ny sarina mpihira rock.” Milaza koa ny Globe fa “tsy fantatry ny zatovovavy fa ara-dalàna raha mihamatavy izy mandritra ny fe-potoana maha maoty azy, ary tena ilaina izany mba hampitombo tsara ny vatana.”

Pilina any Am-pianarana

Milaza ny gazety alemà Südwest Presse fa mihabetsaka hatrany ny ankizy mihinana pilina mba handresena ny fanerena be any am-pianarana. Ankizy 1 ao anatin’ny 5 any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no mihinana fanafody fampitonena na mahakinga saina. Iray ao anatin’ny telo kosa no manao izany any amin’ny lise. Nilaza anefa i Albin Dannhäuser, filohan’ny Fikambanan’ny Mpampianatra any Bavière fa tsy dia mety loatra ny mihinana fanafody mba handaminana zava-tsarotra na hahakinga saina, satria tsy manampy ny ankizy hamaha ny olana mahazo azy izany. Manoro hevitra ny ray aman-dreny izy mba tsy ho sarotiny loatra amin’ny zanany fa “hiahy kosa ny fahasalamany ara-batana sy ara-tsaina ary ny fomba hananany toetra tsara.”

Ampiasaina ny Ahitra

Milaza ny gazety India Today fa “tena tsy mety maty ny zavamaniry toy ny tsinkafonkafona sy ny voamasonomby ary ny hafa koa, ka nahakivy ny mpanorina trano.” Nentin’ny Britanika tany Inde ny voamasonomby tamin’ny 1941 mba hatao fefy. Mameno faritra efa ho 100 000 hektara izy ireny izao, ary tsy mety hesorina na amin’ny tanana, na amin’ny fampiasana zavatra simika na biolojika. Tsy mamela ny zavamaniry hafa haniry izy satria misy poizina, ary tanàna iray manontolo no tsy maintsy afindra rehefa feno azy. Hitan’ny mponin’i Lachhiwala anefa fa mety hahazoam-bola izy ireny. Afangaro amin’ny fotaka izy ireny mba hanamboarana trano na tranon’akoho. Ahavitana fanaka sy harona tsara tarehy izy ireny rehefa esorina ny hodiny, ary tsy mora lanin’ny biby na ny bibikely. Ampiasaina handroahana moka sy hanaovana emboka manitra koa ny ravin’ny voamasonomby. Ampiasaina hitsaboana nify koa ny fakany, rehefa totoina.

Vokatry ny Famoizam-po

“Misy olona marary mafy, nefa nahoana no maty ny sasany fa ny hafa kosa mbola velona?” Izany no fanontanian’ny Dr. Stephen Stern, avy any amin’ny sampan-draharaha momba ny fitsaboana aretin-tsaina any amin’ny Foiben’ny Siansa Momba ny Fahasalamana any Amin’ny Oniversiten’i Texas, any San Antonio. “Mety ho anisan’ny anton’izany ny fananana fanantenana na tsia.” Hita avy tamin’ny fanadinadinana zokiolona amerikanina 800 fa mahafaty aloha be matetika ny famoizam-po. Nomarihin’ny mpikaroka anefa fa samy hafa matetika ny vokatry ny famoizam-po eo amin’ny olona tsirairay. Miankina amin’ny zavatra niainana tamin’ny fahazazana izy io; eo koa ny fahaketrahana sy ny kolontsaina nanabeazana ary ny harena.