Fiatrehana Loza Nahatsiravina
Fiatrehana Loza Nahatsiravina
NOTANTARAIN’I JAMES GIARRANO
Anisan’ny zava-mahafaly eo amin’ny fiainana izany manan-jafikely izany. Tsy andrinay sy i Vicki vadiko mihitsy ny hahaterahan’ny zafikelinay voalohany. Ho teraka tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra 2000 ny zanak’i Theresa, zanakay vavy sy i Jonathan vadiny. Tsy nieritreritra mihitsy ny hiatrika loza mahatsiravina izahay.
NANDEHA nanao vakansy izahay mivady sy ny zanakay lahy ary ny vadiny, ny asabotsy 23 Septambra. Hamangy fianakaviana sy hijanona herinandro any amin’ireo nosy Outer Banks, any Caroline Avaratra, izahay. Dia lavitra maharitra adiny 11 eo ho eo avy eto Ohio, tanàna misy anay, izy io. Noho izany, dia tsy nandeha niaraka taminay i Theresa sy i Jonathan satria efa bevohoka sivy volana ravehivavy.
Naniry hampihemotra ny vakansinay izahay, nefa nasain’ i Theresa nandeha ihany. Nanome toky izy fa tsy hisy hatahorana ny aminy. Nilaza koa ny dokoterany fa ho teraka ara-potoana izy rehefa afaka tapa-bolana.
Tsara erỳ ny andro ny alarobia 27 Septambra 2000, ka nampahatsiahy ahy ny antony nifidianan’ny fianakaviako ity toerana ity mba hanaovana vakansy nandritra ny taona maro lasa. Tsy fantatray akory hoe hiova be mihitsy anie ny fiainanay ny harivan’io.
“Tsy hita i Theresa!”
Naharay antso an-telefaonina avy tamin’ny rahalahiko teto Ohio aho io hariva io. Niambakavaka be no sady natahotahotra izy. Hoy anefa izy nony farany: “Tsy hita i Theresa!” Nantsoina ny polisy satria hafahafa be ihany ny zava-nitranga. Tsy nihidy ny varavarana anoloana rehefa nody i Jonathan ny hariva. Mbola teo ambonin’ny latabatra ny sakafon’i Theresa maraina, ary tsy nentiny ny poketrany. Izao koa no hafahafa: Mbola teo am-baravarana ny kiraron’i Theresa, ilay hany omby azy rehefa feno sivy volana ny kibony.
Nitelefaonina tany an-trano i Jonathan tokony ho tamin’ny 9.30 maraina. Nilaza taminy i Theresa fa nisy vehivavy nitelefaonina, ary nilaza fa ho avy hijery ilay fiara amidin-dry zareo. Nandeha nivoaka kely nividy zavatra i Theresa avy eo. Nitelefaonina tany an-trano i Jonathan nony mitataovovonana, fa tsy nisy namaly. Niantso foana izy nandritra ny tolakandro, fa mbola tsy nisy namaly ihany. Tsy teo ilay fiara rehefa nody i Jonathan tamin’ny 4.15 hariva. Nitelefaonina ny hopitaly izy satria noheveriny ho nihetsi-jaza i Theresa, kanefa tsy tany izy. Nitelefaonina fianakaviana sasantsasany koa izy, nefa tsy nisy nahita azy. Sahiran-tsaina mafy izy ka niantso ny polisy. Tsy lavitra loatra ny tranon’izy ireo no nahitan’ny polisy ilay fiara, tokony ho tamin’ny 6.00 hariva. Mbola tsy hita ihany anefa i Theresa.
Taitra izahay rehefa nandre ilay vaovao tany Caroline Avaratra. Nangorona
entana izahay mivady sy ny zanakay lahy ary ny vadiny ka nitodi-doha niverina. Dia lavitra nampihetsi-po tokoa ilay izy. Nanao lava alina izahay ary tonga teto Ohio ny ampitso maraina.Fantatra ny marina
Nitady an’i Theresa niaraka tamin’ny polisy nandritra ny alina i Jonathan sy ny havana aman-tsakaiza ary ny hafa koa. Nanao izany nandritra ny dimy andro naninjitra izy ireo. Fantatra àry ny marina ny alatsinainy 2 Oktobra. Fantatry ny polisy tamin’izay ny fiavian’ilay antso an-telefaonina, tonga tao an-tranon’i Theresa ny alarobia maraina. Vehivavy mipetraka ao amin’ny trano tsy dia lavitra loatra no niantso tamin’ny telefaonina fitondra mandeha.
Nampiahiahy ny polisy ilay vehivavy rehefa nofotorany. Niverina tao an-tranon’izy io àry izy ireo rehefa hariva ny andro. Nandre poa-basy anefa izy ireo rehefa nanakaiky ny trano. Novakin’izy ireo ny varavarana ka hitan’izy ireo fa efa maty nitifi-tena ilay vehivavy. Gaga izy ireo nahita zaza vao teraka tao amin’ny efitra iray tao amin’ny rihana faharoa. Nahagaga fa natory foana izy io nandritra izany tabataba rehetra izany!
Mbola tsy hita foana anefa i Theresa. Nanao fikarohana nanerana ny trano nandritra ny ora maro ny polisy, sao mba misy marika hamantarana raha tao amin’io trano io izy. Nifarana tao amin’ny garazy ny fikarohana ny talata vao maraina be. Nisy lavaka narivo kely nahitana ny fatin’i Theresa tao. Fantatry ny mpanao famotorana avy eo fa novelezina izy ka torana, ary notifirina avy tao andamosina. Maty teo no ho eo izy, ary avy eo dia nesorina avy tao an-kibony ny zaza. Maivamaivana ihany ny tena mahafantatra fa tsy nijaly izy.
Nentina tany amin’ny hopitaly ilay zaza menavava, ary hita fa salama tsara izy, tsy nisy ratra na dia kely aza! Nanaporofo ny fitsirihana ny ADN fa tena zafikelinay izy. Nomen’i Jonathan ilay anarana nofidin’izy sy i Theresa hoe: Oscar Gavin izy. Natolotra ny rainy ny alakamisy 5 Oktobra ny zafikelinay nilanja efatra kilao latsaka, rehefa avy nijanona kely teny amin’ny hopitaly. Nientan-kafaliana erỳ izahay nahazo zafikely, nefa tsy hay lazaina ny alahelonay satria tsy eo i Theresa hitrotro azy.
Fihetsiky ny mpiara-monina
Nanohina ny fonay mianakavy ny fanampiana sesilany, izay avy amin’ny olona tsy fantatray akory ny ankamaroany. Olona an-jatony maro no nanolo-tena nanampy tamin’ny fikarohana an’i Theresa nandritra ny andro maromaro. Maro no nanome vola. Mpivarotra kojakojan’ny asa birao maro teto an-toerana no nandefa filazana maimaim-poana momba ny fanjavonan’i Theresa. Ary olona maro no nizara an-tsitrapo an’ireny filazana ireny, kilaometatra maro avy teo amin’ny tranon’i Theresa.
Miasa ao amin’ny mpisolovava eo an-toerana ny anabavy kristianina iray, ary nanolotra fanampiana izy io rehefa nolazain’ilay anabavy taminy ny tarehin-javatra nisy anay. Nanaiky ny fanampiany izahay, ary tena fitahiana lehibe izany. Nanampy anay hifampiraharaha tamin’ny fampitam-baovao sy tamin’ny fikarakarana raharaha momba ny lalàna tafiditra tamin’ilay tarehin-javatra izy. Ambonin’izany, dia nanendry mpanao famotorana roa lahy izay tena nanampy tokoa tamin’ilay raharaha izy. Tena nanohina ny fonay tokoa ny fiahiana feno fahatsorana nasehon’izy ireo.
Nihamaro ny fanampiana rehefa naverina taminay ny zafikelinay. Maro ny mpivarotra nandefa sakafo sy zavatra ilaina andavanandro. Maro no nanome fitafiana, lamban-jaza sy ronono ary kilalao, ho an’i Oscar. Maro lavitra noho izay nilain’i Oscar ny zavatra voarainay, ka nomenay ny hopitaly fiterahana teo an-toerana ny sasany. Koa satria nambaran’ny fampitam-baovao ilay tantara, dia naharay carte sy taratasy an’arivony maro izahay, tsy avy tamin’ny mpiara-monina ihany fa maneran-tany koa.
Nisongadina indrindra ny fanohanana, tamin’ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Theresa, ny alahady 8 Oktobra. Fantatray fa maro no naniry hanatrika, saingy betsaka lavitra noho ny niheveranay azy izany. Natao tao amin’ny efitrano malalaky ny lise iray teo an-toerana ilay fandaharana, ary feno ilay trano satria nisy olona maherin’ny 1 400. Nanatrika teo ny havana aman-tsakaiza, ny polisy, ny ben’ny tanàna, ary olona maro avy amin’ny fiaraha-monina. Teo koa ny mpanao gazety, ary nandray ny lahateny ny fahitalavitra teo an-toerana ary nalefa nivantana tamin’ny Internet koa izy io. Olona an-jatony maro koa no nijoro tao anatin’ny trano fiandrasana olona tao amin’io sekoly io, na nitangorona sady nielo teo ivelany tao anatin’ny orana nangatsiaka, nihaino tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo izay natao ho azy ireo. Maro be no nandre ny finoanay miorina amin’ny Baiboly, tamin’io lahateny io.
Olona an-jatony maro avy eo no nilahatra tamim-paharetana, mba handray tanana anay. Efa
ho adiny telo no nijanonanay teo namihina izay rehetra tonga sy naneho fankasitrahana ny nahatongavan’izy ireo. Taorian’ny fandaharana, dia nanolotra sakafo tamin-katsaram-panahy ho an’ny havana aman-tsakaiza sy olon-kafa niisa 300 mahery izay nanatrika ny fandraisanay indray ny zafikelinay, ny hotely iray teo an-toerana.Tsy hitanay izay teny ilazana ny fankasitrahanay ny fanampian’ny olona, izay tsy fantatray ny ankamaroany. Vao mainka nandrisika anay hanao fanompoana kristianina amin’ny fomba feno iny tarehin-javatra iny, satria mbola maro ny olona tsara fanahy izay tianay handre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:14.
Fanampian’ny fiangonana
Heniky ny fanampiana avy tamin’ireo rahalahy sy anabavinay kristianina izahay, raha vao nanomboka io fahoriana mafy io. Avy amin’ireo vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny fiangonana nisy anay sy ireo fiangonana nanodidina izany fanampiana toa tsy nety tapitra izany.
Na dia talohan’ny nahatongavanay avy tany Caroline Avaratra aza, dia nanampy tamin’ny fikarohana an’i Theresa ireo anti-panahy tao amin’ny fiangonana. Maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy no naka andro tsy iasana mba hikarohana an’i Theresa. Nilaza tamin’ny mpampiasa azy ireo ny sasany fa tsy mampaninona na tsy andraisana karama aza io andro tsy iasana io, nefa moa dia nandraisan’ny sasany karama ihany izany. Nisy rahalahy vitsivitsy nijanona niaraka tamin’i Jonathan mba tsy hangingina izy nandritra ny fotoana tsy nahitana an’i Theresa. Nisy rahalahy sy anabavy tonga ka nanadio ny tranonay fotsiny. Nahandro sakafo ho an’ny mpiasa an-tsitrapo ny hafa ary namaly ny antso an-telefaonina.
Niatrika asa faran’izay sarotra i Jonathan sy ny vadiko, iray volana sy tapany teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Theresa, dia ny fikarakarana sy fanesorana ny fananany avy tao amin’ny efitranony. Tsy zakan’i Jonathan intsony ny hipetraka tao amin’ilay trano nipetrahan’izy sy i Theresa ka nanapa-kevitra ny hivarotra azy io izy. Nahavaky fo tokoa ny nikarakara ny zavatr’i Theresa satria ahatsiarovan’izy ireo azy avokoa izany ary tena malahelo azy mihitsy izy ireo. Nanampy anay indray koa anefa ireo rahalahy sy anabavy teo amin’io lafiny io. Nanampy tamin’ny fampidirana ireo zavatr’i Theresa tao anaty baoritra izy ireo, ary nanamboatra ireo simba tamin’ny trano mihitsy aza talohan’ny nivarotana azy.
Ny zava-dehibe indrindra dia ny hoe nanampy anay mianakavy teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pihetseham-po ny rahalahy sy anabavinay. Mitelefaonina izy ireo na mitsidika mba hampaherezana anay. Maro no nandefa carte sy taratasy manohina ny fo. Tsy andro na herinandro vitsivitsy monja izany fanohanana feno fitiavana izany, fa nitohy nandritra ny volana maromaro.
Maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy no naniry hampandrenesina na rahoviana na rahoviana hilanay na dia olona hihaino anay fotsiny aza, ary dia nekenay izany. Mampahery erỳ izany hoe afaka mizara ny fihetseham-ponao amin’ny namana tianao sy atokisanao izany! Tena nanaraka izao voalazan’ny ohabolana ao amin’ny Baiboly izao tokoa izy ireo: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.”—Ohabolana 17:17; 18:24.
Vokatr’izany teo aminay mianakavy
Tsy mora taminay mianakavy mihitsy aloha ny niatrika ny vokatr’iny namonoan’olona an’i Theresa iny. Tena nanova ny fiainanay tokoa izy iny. Tezitra aho indraindray satria tsy miaraka amiko eo izy. Manina ireo famihinana sy orokoroka nataony aho.
Tena niraiki-po be tamin’i Theresa ny vadiko. Tsy maintsy niresaka isan’andro izy ireo, na dia vetivety fotsiny aza. Nandany ora maro izy ireo niresahana mahakasika ny vohoka nentin’i Theresa. Niara-nanamboatra ny efitranon-jazakely izy mianaka.
Naneho ny fihetseham-pony toy izao i Vicki: “Maro be ny zavatra mampalahelo ahy. Malahelo ny fiarahanay nitory aho. Malahelo ny fiarahanay niantsena aho. Ny tena mampaharary fo dia izy tsy miaraka amin’ny zanany, tena mahavaky fo ahy tokoa izany. Fantatro ny halehiben’ny fitiavany an’i Oscar na dia mbola tsy teraka aza izy. Fantany fa lahy ny zanany. Nanoratra ity carte ity izy rehefa vitako ny bodofotsy ho an’ilay zaza ka nomeko azy:
‘Ho an’i Neny malala,
Misaotra anao indrindra aho noho ilay bodofotsin-jazakely. Mankasitraka tokoa ireo ezaka mafy nataonao aho. Misaotra anao koa aho noho ireo fanampiana sy fampaherezana nomenao ahy mba hizakako ireo vanim-potoana sarotra indrindra teo amin’ny fiainako. Hahatsiaro anao sy hisaotra anao foana noho izany aho. Fitenin’ny olona ny hoe hihalehibe ianao ary hahatsapa fa ny reninao no namana tsara indrindra. Velom-pisaorana an’i Jehovah isan’andro aho satria tsy ela dia tsapako izany. Tiako foana i Neny.’ ”
Tena nampalahelo anay koa ny nahita ireo zavatra nozakain’ilay vinantolahinay. Raha mbola tany amin’ny hopitaly i Oscar, dia niatrika ny mafy indrindra tsy maintsy nataony i Jonathan. Koa satria nanapa-kevitra ny hiara-mipetraka aminay aloha izy, dia tsy maintsy namindra ihany koa ny efitranon-jazakely izay naorin’izy sy Theresa tao an-tranon-dry zareo. Nahorony ny soavaly kely, ny fandriana kely, ny orsa kely ary notaominy nankany an-tranonay.
Inona no nanampy anay hizaka ilay tarehin-javatra?
Mifamahofaho ny fanontaniana sy ny fihetseham-po rehefa mamoy havan-tiana amin’ny fomba mahatsiravina toy izany ianao. Anti-panahy aho, ka efa niezaka imbetsaka nampahery sy nanampy ny hafa mba hamaha ny olana toy izany. Mety ho takon’ny fihetseham-po kosa anefa ny fisainana mazava rehefa ianao no malahelo.
Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ohatra, mba hiaro an’i Theresa, noho ny fahafantarako fa ho teraka izy ary handeha lavitra mandritra ny herinandro izahay. Rehefa hita fa novonoin’olona anefa izy, dia tena nanontany tena aho tamin’ny voalohany hoe nahoana no tsy novaliana ny vavaka nataoko. Fantatro aloha fa tsy mampanantena ny hiaro ny mpanompony isam-batan’olona amin’ny fomba mahagaga i Jehovah. Nivavaka foana aho mba hahatakarako izany. Nahazo hery aho rehefa nahafantatra fa miaro ny mpanompony amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah, izany hoe, omeny izay ilaintsika isika mba hihazonana ny fifandraisantsika aminy. Tena zava-dehibe io karazam-piarovana io, satria misy fiantraikany eo amin’ny hoavintsika mandrakizay. Tena niaro an’i Theresa tamin’io lafiny io i Jehovah satria nanompo Azy tamim-pahatokiana mandra-pahafatiny izy. Milamina ny saiko mahafantatra fa miankina amin’i Jehovah ny fahafahan’i Theresa ho velona indray.
Misy andinin-teny vitsivitsy izay tena mampahery. Ireto ny sasany amin’izany:
“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Efa ela aho no nino ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty eto amin’ny tany zary paradisa, fa vao mainka tena misy amiko izy io ankehitriny. Afaka miaritra bebe kokoa aho isan’andro noho ny fahafantarana fotsiny hoe ho afaka hamihina an’i Theresa indray.
“I Jehovah ... tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” (Lioka 20:37, 38) Mampahery ny mahafantatra fa “velona” ho an’Andriamanitra avokoa ireo maty mbola hatsangana, na dia ankehitriny aza. Tena velona àry i Theresa malalanay, araka ny fomba fijerin’Andriamanitra.
Te hilaza ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly tena nampahery azy manokana i Vicki:
“‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ (Hebreo 6:18; Titosy 1:2) Fantatro fa hotanterahin’i Jehovah ny fampanantenany momba ny fananganana ny maty satria tsy mahay mandainga izy.
‘Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy.’ (Jaona 5:28, 29) Ny teny hoe ‘fasana’, na ‘fasam-pahatsiarovana’ dia midika hoe ao amin’ny fitadidian’i Jehovah i Theresa mandra-pahatongan’ny fotoana hanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany hanangana azy amin’ny maty. Fantatro fa tsy misy toerana tsara kokoa ho azy noho ny hoe ao amin’ny fitadidiana tonga lafatr’i Jehovah.
‘Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.’ (Filipiana 4:6, 7) Milaza zavatra voafaritra aho rehefa mivavaka amin’i Jehovah mba hanatanjahany ahy. Manatona an’i Jehovah aho rehefa mikorontan-tsaina ary milaza aminy hoe, ‘Mila bebe kokoa ny fanahinao aho’, ary dia manampy ahy izy hiatrika andro hafa iray. Tsy voatonoko akory ilay teny indraindray, nefa manampy ahy hanohy hiresaka izy.”
Tena nanampy anay hiatrika iny loza nahatsiravina iny tokoa i Jehovah. Mbola malahelo an’i Theresa malalanay izahay. Mety tsy hisava tanteraka angamba ny alahelonay raha tsy rehefa mamihina azy indray ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah izahay. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tapa-kevitra kokoa noho ny hatramin’izay hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izahay. Tapa-kevitra ny hanabe an’i Oscar araka izay azony atao, mba ho tia sy hanompo an’i Jehovah, i Jonathan, ary hanampy azy araka izay tratranay izahay sy i Vicki. Tena fanirianay ny ho ao amin’ny tontolo vaovao ka hitsena an’i Theresa ary hampahafantatra azy ny zanany lahy izay tsy mba notrotroiny akory.
[Sary, pejy 19]
Theresa zanakay, mihaino ny fitempon’ny fon-janany
[Sary, pejy 20, 21]
Tsapanay fa tena nisongadina ny fanohanana, tamin’ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Theresa
[Sary, pejy 23]
Izahay sy i Vicki vadiko, tamin’ny mariazin’i Theresa
[Sary, pejy 23]
Oscar zafikelinay