Firafitry ny Fifanekena

Mampiasa cookies sy teknolojia hafa mitovy aminy izahay mba handeha tsara ny fampiasanao ny jw.org. Tsy maintsy ekena ny fiasan’ny cookies sasany satria ilain’ny tranonkalanay mba hampandeha azy. Mampiasa cookies fanampiny izahay, ary mba hanatsarana ny fampiasanao an’ilay tranonkala fotsiny no ampiasanay azy. Azonao ekena na lavina ireny cookies fanampiny ireny. Tsy hamidinay mihitsy izay fanazavana voaray, sady tsy hampiasainay amin’ny resaka varotra mihitsy. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay hoe Fifanekena Momba ny Fampiasana Cookies sy Teknolojia Mitovy Aminy. Azonao ovana araka izay tianao ny zavatra ekenao sy tsy ekenao, na rahoviana na rahoviana, ao amin’ilay hoe Firafitry ny Fifanekena.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Mifalia Noho ny Fahamarinana

Ny Fitiavana no Ahafantarana ny Tena Kristianina: Mifalia Noho ny Fahamarinana

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Manambara ny marina momba ny fikasan’Andriamanitra isika satria manahaka an’i Jesosy. (Jn 18:37) Tokony hifaly amin’ny fahamarinana koa isika, ary hiresaka sy hisaintsaina momba an’izany, na dia tsy tia ny fahamarinana aza ny tontolo misy antsika.—1Ko 13:6; Fi 4:8.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Aza mihaino na manaparitaka fosafosa. —1Te 4:11

  • Aza mifaly amin’ny fahavoazan’ny hafa

  • Mifalia amin’ny zavatra tsara sy mampahery

JEREO ILAY VIDEO HOE ‘MIFANKATIAVA’: AZA MIFALY NOHO NY TSY FAHAMARINANA FA MIFALIA NOHO NY FAHAMARINANA, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana fa nifaly tamin’ny tsy fahamarinana i Debbie?

  • Ahoana no nataon’i Alice mba hanovana an’ilay resaka?

  • Inona avy ny zavatra tsara azontsika resahina?

Alice miresaka amin’i Debbie

Aza mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa mifalia amin’ny fahamarinana