Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 34-37

Novalian-tsoa i Hezekia Noho ny Finoany

Novalian-tsoa i Hezekia Noho ny Finoany

Nirahin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ho any Jerosalema i Rabsake, mba hilaza fa tokony hitolo-batana ny mponina tao. Nampiasa tetika samihafa ny Asyrianina, amin’izay ny Jiosy milavo lefona fa tsy hiady:

  • Nolazainy fa niady irery izy ireo. Tsy ho afaka hanampy anareo i Ejipta.—Is 36:6

  • Nampisy fisalasalana. Tsy hiady ho anareo i Jehovah satria tezitra aminareo izy.—Is 36:7, 10

  • Nampihorohoro. Mahery be ny tafik’i Asyria ka tsy ho resinareo mihitsy.—Is 36:8, 9

  • Naka fanahy. Hihatsara ny fiainanareo raha mitolo-batana amin’ny Asyrianina ianareo.—Is 36:16, 17

Natoky tanteraka an’i Jehovah i Hezekia

37:1, 2, 14-20, 36

  • Nanao izay azony natao izy mba hahafahan’ilay tanàna hiatrika fahirano

  • Nangataka tamin’i Jehovah izy mba hamonjy azy ireo. Nampiany hatoky an’i Jehovah koa ny vahoaka

  • Novalian-tsoa i Hezekia noho ny finoany. Naniraka anjely iray i Jehovah handripaka miaramila asyrianina 185 000, tao anatin’ny iray alina monja