Miambena Hatrany
Toko 33
Miambena Hatrany
‘NILAZA i Jesosy fa tsy misy mahalala ny “andro” na ny “ora” handidian’ny Ray ny zanany mba “ho avy” handrava ny tontolon’i Satana. Mety hisy àry hanontany hoe: “Nahoana no ilaina maika ny hiandrasana ny farany?” Ilaina izany, satria hoy koa i Jesosy: “Mitandrema hatrany sy miambena hatrany.” (Marka 13:32-35)’—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1985.
Efa am-polony taona izao no niandrasan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miandry inona? Ny hiavian’i Jesosy manana fahefana hanjaka, sy ny hampiharany didim-pitsarana amin’ny tontolon’i Satana, ary ny hanomezany ho an’ny tany manontolo ny soa hoentin’ny Fanjakany! (Matio 6:9, 10; 24:30; Lioka 21:28; 2 Tes. 1:7-10) Fantatry ny Vavolombelona fa efa nanomboka niseho tamin’ny 1914 ny “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy, ary tamin’izay ity tontolo ity no efa ao anatin’ny andro farany.—Matio 24:3–25:46.
Mbola tsy tonga mba hanatanteraka didim-pitsarana sy hanafaka anefa i Jesosy. Ahoana àry no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah izao fotoana izao?
‘Atokisany tanteraka ny fomba fahazoany hevitra’
‘Matoky tanteraka ny fomba fahazoany hevitra’ izy ireo. (Kol. 2:2) Tsy mihevitra izy ireo hoe mahatakatra ny tsipiriany rehetra amin’ny fikasan’i Jehovah. Mbola mikaroka ao amin’ny Baiboly mantsy izy ireo, ary mbola mianatra foana. Tsy mampiova ny fiheviny momba ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly anefa izay ianarany, ary ‘atokisany tanteraka’ ny fomba fahazoany an’ireo. Manampy azy hahazo ny fomba ifanarahan’ny andinin-teny sasany amin’ny fahamarinana sy ny fomba hampiharana tsara kokoa ny torohevitry ny Baiboly eo amin’ny fiainany, ny zavatra ianarany.
‘Matoky tanteraka’ ny fampanantenan’Andriamanitra koa ny Vavolombelona. Amin’izy ireo dia ho tanteraka avokoa ny fampanantenan’Andriamanitra, na amin’ny an-tsipiriany faran’izay madinika aza, ary amin’ny fotoana voatondrony. Efa hitan’izy ireo sy iainany ny faminaniana efa tanteraka, ka matoky izy fa izao no “andro farany” ho an’ity tontolo ity, ary ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenana tontolo vaovao sy marina.—Dan. 12:4, 9; Apok. 21:1-5.
Marka 13:33, 35-37) Tena tsapan’ny Vavolombelona àry fa ilainy ny miambina hatrany.
Inona àry no tokony hataon’izy ireo? Hoy ny didin’i Jesosy: “Mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro. Koa miambena hatrany àry, ... mba tsy hahita anareo matory izy, rehefa tonga tampoka. Fa izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.” (Marina fa tafahoatra indraindray ny fanantenan’izy ireo ny hahatanterahan’ny faminaniana sasany. Izany anefa tsy manova ny porofo miavosa fa ao anatin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity isika, nanomboka tamin’ny 1914. Ary aleo mihitsy aza dodona (na dia tafahoatra aza) ny hahita ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, toy izay matory ara-panahy ka tsy hahita rehefa ho tanteraka ny fikasany!—Ampitahao amin’ny Lioka 19:11; Asa. 1:6; 1 Tesalonianina 5:1, 2, 6.
Inona no ataon’ny olona miambina hatrany?
Fomba ahoana no hiambenana hatrany?
Tsy miandry fotsiny ny Kristianina miambina. Tsy maintsy mifoha ara-panahy foana izy, amin’izay dia hanafaka azy i Jesosy rehefa ho avy hanatanteraka didim-pitsarana. (Lioka 21:28) Hoy i Jesosy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. ... Miambena hatrany.” (Lioka 21:34-36) Tsy maintsy ‘mitandrina’ àry ny Kristianina miambina, ka miezaka hanana fomba fiaina kristianina isan’andro. Hifoha tsara izy ka hanao ny andraikiny amin’ny maha Kristianina azy, ary tsy hanaraka fitondran-tena toy ny an’ity tontolo “eo ambany fahefan’ilay ratsy” ity. (1 Jaona 5:19; Rom. 13:11-14) Ho vonona izy amin’izay, rehefa tonga i Kristy.
Iza no tena mifoha ara-panahy? Ny fitantarana ato amin’ity boky ity dia manondro ny Vavolombelon’i Jehovah. Miantsoroka tsara ny andraikiny amin’ny maha Kristianina azy izy ireo. Vonona ny higadra na ho faty, ohatra, izy ireo rehefa misy ady, satria takany tsara ny adidiny tsy ho anisan’izao tontolo izao sy hanana fitiavana feno fahafoizan-tena. (Jaona 13:34, 35; 17:14, 16) Gaga noho ny ‘fitondran-tena tsara’ ananan’izy ireo ny olona mandinika azy any amin’ny Efitrano Fanjakana, fivoriambe, na any am-piasana. (1 Pet. 2:12) Fantatra ho manao ny marina sy madio fitondran-tena izy ireo, eto amin’ity tontolo “efa tsy mahalala menatra intsony” ity.—Efes. 4:19-24; 5:3-5.
Misy zavatra hafa koa anefa tokony hatao mba hiambenana hatrany. Tsy maintsy milaza ny zavatra hitany ny mpiambina. Ny Kristianina miambina ka mahita ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy dia tsy maintsy Matio 24:14, 30, 44) Ampiany amin’izany fomba izany ny olona mba hahazo “fanafahana” koa.—Lioka 21:28.
mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” sy mampitandrina hoe ho avy tsy ho ela i Kristy hanatanteraka ny didim-pitsarana amin’ity tontolo ratsy ity. (Iza no hita hoe miambina satria mandefa fampitandremana? Fantatra eran-tany ho mpitory mafana fo momba ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy natokany ho an’ny mpitondra fivavahana ihany ny fitoriana. Eken’izy ireo fa andraikitry ny mpino rehetra izany, ary tena ilaina eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Rom. 10:9, 10; 1 Kor. 9:16) Inona no vokany?
Mihamitombo isa izy ireo ary marisika ny tsirairay, any amin’ny tany maherin’ny 220. (Isaia 60:22; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:47; 6:7; 16:5.) Nisy fitondram-panjakana faran’izay natanjaka teo amin’ny tantaran’ny olombelona nandrara ny asany, ary nisambotra sy nanao azy am-ponja aza. Nanohy ny fitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra foana anefa izy ireo! Tapa-kevitra toa an’ireo apostoly izy ireo. Hoy mantsy ny apostoly, rehefa norarana tsy hitory: ‘Raha izahay, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.’ “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asa. 4:18-20; 5:27-29.
“Andraso ihany”
Toa an’ireo Kristianina tany Jodia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy famantarana nomen’i Jesosy azy ireo hahalalany ny fotoana tokony handosirany avy tao Jerosalema mba tsy ho ringana tao. ‘Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia aoka handositra ianareo’, hoy i Jesosy. (Lioka 21:20-23) Nanodidina an’i Jerosalema tokoa ny tafika romanina tamin’ny taona 66. Nanaraka ny tenin’i Jesosy ireo Kristianina tany Jodia, rehefa niala tampoka sy tsy nisy antony nazava ilay tafika. Tsy nandositra avy tao Jerosalema fotsiny izy ireo, fa nandao an’i Jodia mihitsy, ka nankany Pela (tanàna any Pere).
Dia niandry nilamina tany izy ireo. Tonga ny taona 67, ary lasa. Nivadika ny taona 68, ka tonga ny 69. Mbola tsy naninon-tsy naninona anefa i Jerosalema. Tokony hiverina ve izy ireo? I Jesosy koa anie tsy nilaza hoe hafiriana no tokony hiandrasana e! Loza anefa raha nisy niverina, satria tonga indray ny tafika romanina tamin’ny taona 70, ary maro be izy ireo ka toy ny tondra-drano tsy voasakana. Ary tsy niala izy ireo tamin’ity indray mandeha ity. Noravany kosa ilay tanàna, ary olona iray tapitrisa mahery no novonoiny. Tena faly ireo Kristianina tany Pela, satria niandry ny fotoana voatondron’i Jehovah hampiharana didim-pitsarana!
Toy izany koa ireo miambina ankehitriny. Fantatr’izy ireo fa arakaraka ny hirosoantsika ao amin’ny fotoan’ny farany no hahasarotra ny Matio 24:34) Ny lafiny maro anisan’ilay “famantarana” no tondroina amin’ny hoe “izany rehetra izany.” Nanomboka niseho tamin’ny 1914 ilay famantarana, ary hiafara amin’ny “fahoriana lehibe.” (Matio 24:21) Tsy lavitra intsony ny farany.
hiandrasana hatrany ny fahatongavan’i Jesosy. Tsy hadinony anefa ny tenin’i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” (Tapa-kevitra ny hiambina ny Vavolombelona, ary mino tanteraka fa hotanterahin’Andriamanitra amin’ny fotoanany ny fampanantenany rehetra! Atokisan’izy ireo tanteraka ny tenin’i Jehovah tamin’ny mpaminany Habakoka. Nihevitra ny olona fa nilefitra tamin’ny faharatsiana tao amin’ny fanjakan’i Joda i Jehovah. Koa hoy izy tamin’i Habakoka: “Soraty ny fahitana [momba ny faran’ny fampahoriana], ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana, mba ho azon’ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia [toa] mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Hab. 1:2, 3; 2:2, 3) Matoky koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa marina sy manao ny rariny i Jehovah. Koa manampy azy ireo hahay handanjalanja sy hiandry ny fotoana voatondron’i Jehovah izany.
Toy izao no nilazan’i F. Franz (natao batisa tamin’ny 1913, ary efa prezidàn’ny Fikambanana) ny fihetseham-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah:
“Azo antoka ny fanantenantsika, ary ho tanteraka an-tsakany sy an-davany amin’ireo ondry vitsy 144 000 izy io. Mbola sarobidy amintsika foana ny fanantenantsika, dia isika izay teo tamin’ny 1914 ary nanantena ny hiakatra tany an-danitra tamin’io taona io. Mafy tsy misy toy izany ny fanantenantsika, ary arakaraka ny fahelan’ny tsy maintsy iandrasantsika no vao mainka maha sarobidy azy io eo imasontsika. Mendrika ny handrasana izy io, na dia hitaky iray tapitrisa taona aza. Sarobidy amiko noho ny hatramin’izay ny fanantenantsika, ary mbola tsy nisy fotoana tsy nankasitrahako azy io. Azo antoka ny fanantenan’ny ondry vitsy, ka ho toy izany koa ny an’ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa, eny, mihoatra noho ny eritreretintsika aza. Izany no antony hifikirantsika mafy hatramin’izao ora izao, ary mbola hanao toy izany isika mandra-pahitantsika fa manatanteraka izany ‘fampanantenany sarobidy sady tena lehibe’ izany Andriamanitra.”—2 Pet. 1:4; Nom. 23:19; Rom. 5:5.
Kely sisa dia ho tonga ny fotoana hampiharihariana amin’ny rehetra ny fanatrehan’i Kristy manana fahefana hanjaka. Amin’izay ilay fampanantenana dia ho tanteraka amin’izay niambina. (Heb. 10:36) Ho tanteraka mihoatra noho izay noeritreretiny izany. Tena ho faly sy hisaotra an’Andriamanitra izy ireo, satria niambina hatrany ary nazoto nitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao andro faran’ny tontolo ratsy izao!
[Teny notsongaina, pejy 713]
Matoky izy ireo fa izao no “andro farany” ho an’ity tontolo ity
[Teny notsongaina, pejy 714]
Miezaka hanana fomba fiaina kristianina isan’andro
[Teny notsongaina, pejy 715]
Iza no hita hoe miambina satria mandefa fampitandremana?
[Teny notsongaina, pejy 716]
“Sarobidy amiko noho ny hatramin’izay ny fanantenantsika, ary mbola tsy nisy fotoana tsy nankasitrahako azy io”—F. Franz
[Efajoro/Sary, pejy 717]
Tatitra Momba ny Fitoriana Eran-tany
Taona Tany
1920 ....... 46
1925 ....... 83
1930 ....... 87
1935 ...... 115
1940 ...... 112
1945 ...... 107
1950 ...... 147
1955 ...... 164
1960 ...... 187
1965 ...... 201
1970 ...... 208
1975 ...... 212
1980 ...... 217
1985 ...... 222
1992 ...... 229
Tany
Nisaina araka ny nizarazarana ny gilaoby teo am-piandohan’ireo taona 1990 ireo tany, fa tsy araka ny fizarazarana politika. Nisy fanjakana lehibe, ohatra, nifehy faritra izay efa nozarazaraina ho firenena maromaro mahaleo tena ankehitriny.
Taona Fiang.
1940 ...... 5 130
1945 ...... 7 218
1950 ..... 13 238
1955 ..... 16 044
1960 ..... 21 008
1965 ..... 24 158
1970 ..... 26 524
1975 ..... 38 256
1980 ..... 43 181
1985 ..... 49 716
1992 ..... 69 558
Fiangonana
Tsy voasoratra avokoa ny tontalin’ny isan’ny fiangonana talohan’ny 1938.
Taona Mpitory
1935 .. ... 56 153
1940 ...... 96 418
1945 ..... 156 299
1950 ..... 373 430
1955 ..... 642 929
1960 ..... 916 332
1965 ... 1 109 806
1970 ... 1 483 430
1975 ... 2 179 256
1980 ... 2 272 278
1985 ... 3 024 131
1992 ... 4 472 787
Mpitory
Niovaova be ny fomba fanisana ny mpitory nandritra ireo taona 1920 sy 1930. Isan-kerinandro no nandefasana ny tatitra tany amin’ny Fikambanana, fa tsy isam-bolana. (Ny Oktobra 1932 vao nampiharina ny tatitra isam-bolana.) Tsy maintsy nanompo adiny telo isan-kerinandro (na 12 isam-bolana), fara fahakeliny, ny olona iray vao azo nisaina ho anisan’ny mpiasan’ny kilasy (mpitorin’ny fiangonana), araka ny “Gazety” 1 Janoary 1929. Tokony hitory adiny roa isan-kerinandro, fara fahakeliny, ireo tsy afaka nanao izany manontolo andro.
Taona Mpis. Lal.
1920 ......... 480
1925 ....... 1 435
1930 ....... 2 897
1935 ....... 4 655
1940 ....... 5 251
1945 ....... 6 721
1950 ...... 14 093
1955 ...... 17 011
1960 ...... 30 584
1965 ...... 47 853
1970 ...... 88 871
1975 ..... 130 225
1980 ..... 137 861
1985 ..... 322 821
1992 ..... 605 610
Mpisava Lalana
Tafiditra amin’ireo isa ireo ny mpisava lalana maharitra sy mpanampy sy manokana, ny misionera, ny mpiandraikitra ny faritra, ary ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Salanisa isam-bolana no nampiasaina nandritra ny taona maro.
Taona Famp.
1945 ....... 104 814
1950 ....... 234 952
1955 ....... 337 456
1960 ....... 646 108
1965 ....... 770 595
1970 ..... 1 146 378
1975 ..... 1 411 256
1980 ..... 1 371 584
1985 ..... 2 379 146
1992 ..... 4 278 127
Fampianarana Baiboly
Fampianarana olona tsirairay no natao nandritra ireo taona 1930, ary nantitranterina ny fanoroana ny olona hampiana-tena sy ny fampianarana azon’olona liana hafa eo amin’ilay faritra atrehina. Rehefa hita fa tena liana ny tsirairay vao nampianarina mandra-pahavita batisa azy. Nampirisihana tatỳ aoriana ny hanohizana ny fampianarana mandra-pahazoan’ilay olona fanampiana ho matotra.
Taona Ora
1930-35 ....... 42 205 307
1936-40 ....... 63 026 188
1941-45 ...... 149 043 097
1946-50 ...... 240 385 017
1951-55 ...... 370 550 156
1956-60 ...... 555 859 540
1961-65 ...... 760 049 417
1966-70 .... 1 070 677 035
1971-75 .... 1 637 744 774
1976-80 .... 1 646 356 541
1981-85 .... 2 276 287 442
1986-92 .... 5 912 814 412
Ora
Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1920 vao nisy fanaovana tatitra. Niovaova be ny fomba fanisana ora: Ny fotoana nitoriana isan-trano ihany no nisaina teo am-piandohan’ireo taona 1930, fa tsy ny nanaovana fiverenana mitsidika. Mampiaiky volana ity tatitra aseho eto ity, nefa tarehimarika ara-keviny fotsiny izy io, izay mampiseho ny habetsahan’ny fotoana nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fanjakan’Andriamanitra.
Taona Boky/Gazety
1920-25 ....... 38 757 639
1926-30 ....... 64 878 399
1931-35 ...... 144 073 004
1936-40 ...... 164 788 909
1941-45 ...... 178 265 670
1946-50 ...... 160 027 404
1951-55 ...... 237 151 701
1956-60 ...... 493 202 895
1961-65 ...... 681 903 850
1966-70 ...... 935 106 627
1971-75 .... 1 407 578 681
1976-80 .... 1 380 850 717
1981-85 .... 1 504 980 839
1986-92 .... 2 715 998 934
Boky sy Gazety
Gazety an-tapitrisany no nozaraina, nefa tsy tafiditra ao anatin’ny tarehimarika talohan’ny taona 1940 izy ireny (vitsivitsy ihany no tafiditra). Boky sy bokikely isan-karazany, ary gazety no asehon’ny tarehimarika nanomboka tamin’ny 1940, fa tsy trakta, na dia an-jatony tapitrisa aza no nampiasaina hanairana ny fahalianana. Porofoin’ny boky sy gazety 10 107 565 269 (tamin’ny fiteny 290 mahery) nozaraina teo anelanelan’ny 1920 sy 1992 fa fitoriana miavaka no natao naneran-tany.
Taona Mpanatr. Mpand. anj.
1935 ...... 63 146 ... 52 465
1940 ...... 96 989 ... 27 711
1945 ..... 186 247 ... 22 328
1950 ..... 511 203 ... 22 723
1955 ..... 878 303 ... 16 815
1960 ... 1 519 821 ... 13 911
1965 ... 1 933 089 ... 11 550
1970 ... 3 226 168 ... 10 526
1975 ... 4 925 643 ... 10 550
1980 ... 5 726 656 .... 9 564
1985 ... 7 792 109 .... 9 051
1992 .. 11 431 171 .... 8 683
Mpanatrika sy Mpandray Anjara Amin’ny Fahatsiarovana
Tsy feno ny tarehimarika ananana momba ny mpanatrika Fahatsiarovana talohan’ny 1932. Olona 15, na 20 na 30 ihany, indraindray, no tafiditra ao amin’ny tontalin’isa navoaka. Mahaliana fa nisy nanatrika fotsiny fa tsy nihinana mofo sy divay, araka ny asehon’ny tarehimarika tamin’ny ankamaroan’ireo taona. Nisy 3 000 ny elanelany tamin’ny 1933.