Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mpanjaka mitaingin-tsoavaly

Ilay Mpanjaka mitaingin-tsoavaly

Toko Faha-13

Ilay Mpanjaka mitaingin-tsoavaly

1, 2. a) Ho amin’ny olona iza moa no anintonana ny saintsika, ary inona no tanany eny an-tanany ankavanana? b) Inona no nolazaina tamin’i Jaona mba tsy hitomaniany intsony? d) Iza moa no ‘Lion’i Joda’, ary nahoana izy no mendrika ny hamaha ny tombo-kase?

AOKA hojerentsika ny toko fahadimy amin’ny Apokalypsy izay ahitantsika fahitana iray nomen’Andriamanitra ny apostoly Jaona ka misy fifandraisana mivantana amin’ny ‘fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io fahitana io dia mampitodika ny saintsika ho amin’i Jehovah Mpanjaka Tompo, “Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana”. Teny an-tanany ankavanana izy dia nitana horonamboky voasoratra sy “voapetaka mafy tamin’ny tombo-kase fito”. Nitomany mafy i Jaona satria nanerana izao rehetra izao, dia tsy nisy olona noheverina ho mendrika ny hanokatra ny horonamboky sy hampahafantatra ny hafatra tao anatiny. Indro anefa fa nisy olona mendrika izany! Izany dia ny “Liona avy amin’ny firenen’i Joda”, ilay mpandova ny fanjakan’i Davida. — Apokalypsy 5:1-5.

2 Mendrika izany izy satria “naharesy”. Fony izy olona tanteraka teto an-tany, dia naneho tsy fivadihana hatrany tamin’ny Rainy izy ka niharan’ny fahafatesana tamin-kalozana teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy aza. Koa satria ilay “filohan’izao tontolo izao”, izany hoe Satana, tsy afaka nanapaka ny tsy fivadihany, dia afaka nilaza toy izao i Jesosy: “Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — Jaona 14:30, MN; 16:33.

3. Nahoana moa no tokony hahafaly antsika ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 5:9, 10?

3 Nisy olon-kafa naharesy izao tontolo izao koa, ary Jesosy Kristy, io “Liona” be herim-po io, dia mihevitra azy ireny ho anisan’ireo ‘rahalahiny’ ara-panahy (Matio 25:40). Noho ny fananganana amin’ny maty ho any an-danitra, ireny kristiana ireny dia nampiarahina aminy ao amin’ny Fanjakany izay haharitra 1000 taona, ary hiara-miasa aminy ireo mba hanitatra ny soa avy amin’ny sorom-panavotany amin’ny olona an-davitrisany maro izay hiaina eto an-tany. Nisy feo nihira fihiram-baovao tamin’izay tany an-danitra, nilaza toy izao tamin’io Liona io izay, fahiny, tahaka ny zanak’ondry tsy manan-tsiny, dia nentina hovonoina:

“Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo; ary manjaka [hanjaka, MN] ambonin’ny tany izy.” (Apokalypsy 5:9, 10).

Moa ve tsy fitahiana izany hoe ilay Mpanjaka sy ireo hiara-hanjaka aminy, izay voasedra sy voamarina, dia madiva handray anjara ho an’ny olombelona ampahorina? Amin’izany anefa, dia tokony hisy ady aloha.

ILAY MITAINGINA NY SOAVALY FOTSY

4. a) Inona no asehon’ny “soavaly fotsy”, ny “tsipìka” nentin’ilay mpitaingin-tsoavaly ary ny “satroboninahitra” noraisiny? b) Iza moa io Mpitaingin-tsoavaly io, ary oviana izy no nandray fahefana hanjaka?

4 Rehefa mandray ny horonamboky “ny Zanak’ondry” ka mamaha ny tombo-kase voalohany, dia nisy feo tahaka ny kotrokorana re avy tany an-danitra, nanao hoe: “Avia!” ary inona no hitantsika? “Indro, nisy soavaly fotsy” (mariky ny ady ara-drariny) ka nitana “tsipìka” ilay nitaingina azy. Io mpitaingin-tsoavaly io dia afaka mandringana ireo fahavalony avy any lavitra dia lavitra, satria ny elanelany dia lehibe kokoa noho izay tratran’ny bala afomanga alefa avy any amin’ny kontinanta iray mankany amin’ny kontinanta hafa namboarin’olombelona. Nomena “satroboninahitra” izy rehefa avy eo, ka izany dia fanaovan-javatra mifanitsy amin’ny taona 1914, rehefa nomen’i Jehovah azy ny fahefana hanjaka eo amin’ireo firenena. Io “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka” io, mahery lavitra noho ireo tompo na mpanjaka olombelona, dia tsy maintsy handresy ny fahavalon’ny rariny rehetra, miaraka amin’ireo kristiana voahosotra “voantso sy voafidy ary mahatoky” izay ampiarahina aminy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Apokalypsy 6:1, 2; 17:14.

5. a) Inona moa no fandresena voalohany azon’io Mpitaingin-tsoavaly io? b) Inona avy no vokany ho an’ny olombelona, ary nahoana isika no tokony hihaino ny fampitandremana omena ao amin’ny Marka 13:32-37?

5 Io mpitaingin-tsoavaly io, mitaingina “soavaly fotsy” dia mpandresy mahery. Azony natao ve, teo am-piandohan’ny fandrosoany nitaingin-tsoavaly, ny nanomboka asa nety kokoa noho ilay nitarika azy handroaka avy any an-danitra an’i Satana, dia “ilay menarana ela”, sy ireo demoniany? Nazerany ho amin’ny tany ireo. Tsy mahagaga àry raha manana fahatezerana lehibe ny Devoly izao. Araka ny efa nasainay nomarihina, dia avelany hipoaka eo amin’ny olombelona ny fahatezerany, ka izany dia miteraka “loza ho an’ny tany sy ny ranomasina”. Fantany tsara fa “kely sisa ny androny”, nefa feno fihatsarambelatsihy aoka izany izy io. Ho tiany ny hitarika antsika hieritreritra fa hitohy hatrany amin’ny ho avy lavitra ny “andro farany”. Enga anie mba tsy hisy mihitsy amintsika ho voatarika hatoritory noho ny hevitra toy izany! — Apokalypsy 12:9-12; Marka 13:32-37.

SOAVALY MENA

6. a) Araka ny Apokalypsy 6:3, 4, inona no miseho eo amin’ny sehatra eto an-tany? b) Tamin’ny ahoana moa ny Ady Lehibe Voalohany no hafa noho ny ady rehetra teo alohany?

6 Rehefa novahan’ny “Zanak’ondry” ny tombo-kase faharoa, dia niriotra ny “soavaly mena”. “Ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.” (Apokalypsy 6:4). Tamin’izay no nipoaka teo amin’ny sehatra teto an-tany ny ady lehibe voalohany teo amin’ny tantaran’olombelona. Tsy tamin’ny firenena vitsivitsy ihany no nesorina ny fihavanana, fa tamin’ny “tany” manontolo rehefa nisy tafika sy fitambaran-tsambo maro be nifanandrina tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana manana hery fandringanana maharaiki-tahotra. Raha nampifanohitra tafika nanao izany ho anton-draharaha ireo ady teo aloha, mandrakariva avy amin’ny firenena vitsivitsy ihany, ny Ady Lehibe Voalohany kosa dia ady nahafaoka ny ankapoben’olona. Vao voalohany teo amin’ny Tantara no nampiasana ny fiantsoana ho miaramila daholo ny lehilahy rehetra, ary natokana ho amin’ny ady ny fananan’ny firenena maro rehetra.

7-9. Tarehi-marika inona sy fanambarana inona no mampiseho fa ny 1914 dia nanamarika ny fiandohan’ny vanim-potoana nahafaty indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra?

7 Miresaka ny amin’ny ‘fifamonoana’ ilay faminaniana. Io tokoa no teny mety! Nandritra ny ady tany Somme, ny “mitrailleuse” (basy mahalasa bala an-jatony isa-minitra) fiadiana vaovao faran’izay mahafaty dia nandripaka miaramila britanika sy frantsay ana hetsiny maro indray niaraka. Araka ny hevitry ny sasantsasany, dia tamin’izany no nahatonga ny 80 isan-jaton’ny maty. Tany Verdun, tao anatin’ny sivy volana, ny isan’ny maty dia betsaka noho ny an’ny miaramila nahaforona ny tafik’i Napoléon tamin’ny fanafihan’i Rosia. Teo amin’ny mandan’ny toeram-pandevenana iray any Verdun, dia azo natao ny namaky ireto teny ireto voasoratra tamin’ny ra: “TOERANA FAMONOANA, DIMY KILAOMETATRA.” Tamin’ny fitambarany, dia miaramila teo amin’ny 9 000 000 no maty tao anatin’ireo efa-taona naharetan’ny Ady Lehibe.

8 Moa àry ve tamin’ny 1914 ilay nitaingina ny “soavaly mena” no nanaisotra ny fihavanana tamin’ny tany? Mpanoratra tantara maro no mieritreritra izany. Ohatra, eo amin’ny 50 taona taty aoriana, ny lehiben’ny mpanoratra ao amin’ny bokikely momba ny tantara iray (American Heritage) dia nanoratra toy izao: “Tamin’ny lohataonan’ny 1914, dia nandry fahizay ireo firenena ary toa tony ny ho avy. Avy eo dia nidoboka ny tafondro, ka tsy nisy na inona na inona toy ny taloha intsony mihitsy. (...) Ny taona 1914 no anankiray tamin’ireo taona fanapahan-javatra indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona (...). Izany dia anankiray tamin’ireo fiolahana lehibe izay tsy mitranga afa-tsy indray mandeha na indroa ao anatin’ny arivo taona. Tsy isalasalana fa hilaina ny miandry ela be vao ho takatsika tanteraka ny dikan’ny 1914 ho antsika, nefa azontsika atao ny mahatsapa fara faharatsiny izay nafointsika tamin’io.” Raha ny marina, dia nanaisotra ny fihavanana tamin’ny tany ilay nitaingina ny “soavaly mena”, ary izany dia tamin’ny 1914.

9 Nanohy ny fandrosoany handringana ilay mpitaingin-tsoavaly tamin’ny ady lehibe faharoa izay nahafaty miaramila 16 000 000. Teo am-piandohan’ireo taona 1980, ny profesora “hongrois” iray dia nanisa fa tao anatin’ireo 30 taona nanaraka ny fahavitan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia miaramila 25 000 000 no maty teny an-tany fiadiana. Afa-tsy izany koa, nandritra ireo 33 taona nanaraka ny fahavitan’io ady lehibe io, dia 26 andro monja no voaisany tsy nisian’ny ady mihitsy tany ho any teto amin’izao tontolo izao.

10. Tamin’ny heviny ahoana moa io mpitaingin-tsoavaly io no nampiasa “sabatra lehibe”?

10 Milaza amintsika ilay faminaniana fa nomena “sabatra lehibe” io mpitaingin-tsoavaly io. Marina tokoa fa nandray anjara lehibe dia lehibe tamin’ny famonoana olona ireo fitaovam-piadiana mahafaty tao anatin’izao taonjato faha-20 izao. Tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nampiasaina voalohany tamin’ny ambaratonga lehibe ny gaza, ny fiadiana mandeha ho azy, ny “tanks”, ny fiaramanidina sy ny sambo mpisitrika. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nikosoka ara-bakiteny tanàna manontolo maro tsy ho eo amin’ny sarintany ny zera baomba avy eny amin’ny habakabaka, ka ny ankamaroan’ny niharam-pahavoazana dia vehivavy sy ankizy ary antitra tsy manan-tsiny. Tao anatin’ny indray alina monja, ny tanànan’i Coventry, any Angletera, dia rava tanteraka, ary taty aoriana, ny famelezana avy any amin’ny habakabaka notarihin’ireo Mpifampiandany dia niteraka fahafatesan’ny mponina 135 000 tany Dresde, any Alemaina. Nisy fandripahana olona maro be hafa koa rehefa nalatsaka ireo baomba ataomika voalohany: 92 000 fara fahakeliny ny maty tany Hiroshima, ary 40 000 tany Nagasaki, any Japon, ka tamin’izany koa dia sivily ny ankamaroan’ny niharam-pahavoazana. Tsy azo saintsainina ny ho fandripahana olona maro be mety hateraky ny “sabatra lehibe” raha misy ady noklehera mipoaka amin’izao andro izao.

INDRO MISY SOAVALY MAINTY

11, 12. a) Ahoana moa no nihariharian’ilay nitaingina ny “soavaly mainty” ho namana ho an’ilay mpitaingin-tsoavaly faharoa? b) Inona no mampiseho fa nanohy ny diany izy hatramin’izao androntsika izao?

11 Rehefa namaha ny tombo-kase fahatelo “ny Zanak’ondry”, dia niriotra ny “soavaly mainty”. “Ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany.” (Apokalypsy 6:5). Misy mpitaingin-tsoavaly hafa iray miaraka amin’ilay miteraka ady andraisan’ny ankapoben’olona anjara àry. Mitondra mosary io. Tao anatin’ireo ady lehibe roa, dia tany maro no nahita mosary. Ny famoahan-kanina an-danjany, asehon’ny “mizana”, dia manjary fanaon’ny olom-pirenena miady isan’andro. Ny Ady Lehibe Voalohany dia narahin’ny mosary lehibe indrindra teo amin’ny Tantara rehetra. Ny The Nation tamin’ny 7 jona 1919 dia nitantara fa tany India dia olona 32 000 000 no “nadiva ho faty mosary”. Nilaza ny World’s Work tamin’ny martsa 1921 fa tany avaratr’i Shina fotsiny, dia olona 15 000 no matin’ny hanoanana isan’andro. Ny revio iray (Current History Magazine) natontan’ny New York Times tamin’ny oktobra 1921, dia nanonona fitantarana britanika iray nilazana fa any Rosia dia “tsy latsaka ny 35 000 000 ny olona rahonan’ny zava-mahatahotry ny mosary sy ny areti-mandringana”. Nisy mosary lehibe koa taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Araka izany, dia nilaza toy izao ny revio Look tamin’ny 11 jona 1946: “Ampahefatry ny mponina maneran-tany no matin’ny hanoanana amin’izao andro izao.”

12 Na dia tsy misy ady lehibe aza amin’izao andro izao, rehefa tsy ampy fotsiny ny vokatra eo amin’izao tontolo izao misy antsika mpanaraka ny toetr’andro ankehitriny anefa, dia matetika tokoa no miseho ny lohatenin-gazety karazan’izao: “India, eo amin’ny aloky ny mpitaingin-tsoavaly fahatelo.” Tamin’ny 1976: “Izao tontolo izao mihanoana kokoa ihany eo anoloan’ny fahasahiranana lehibe ara-tsakafo.” Tamin’ny 1979: “Olona dimampolo sy efajato tapitrisa no madiva ho faty noana.” Raha mbola tsy mitsahatra mitombo ny mponina amin’ny gilaoby, dia mihamampamoifo kokoa ihany ny tarehin-javatra ara-tsakafo any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana sy rotidrotehin’ny ady. Araka ny filazan’ny New Scientist tamin’ny may 1975, dia nilaza toy izao ny Atlas World Press Review: “Izao tontolo izao dia rahonan’ny zava-mahatahotra manana loha roa ka ny voalohany dia ny mosary, ary ny faharoa dia ny tsy fahampian-tsakafo tsy mety afaka. Tombanan’ny F.A.O. [Fandaminan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena] fa tamin’ny 1970, ny 61 amin’ireo tany 97 eo an-dalam-pandrosoana dia namokatra na nampiditra avy any ivelany, zava-pihinana latsaka tsotra izao noho ny nilain’izy ireo mba hohanin’ny mponina ao aminy. Araka ny fiheverana antonony kokoa, dia tombanan’ny F.A.O. ho 460 000 000 ny isan’ny olona mijaly noho ny tsy fahampian-kanina; ny fanombanana malalaka kokoa dia mety hanolotra ny tarehi-marika 1 000 000 000.” Ary mbola ratsy kokoa ny tarehin-javatra teo am-piandohan’ireo taona 80.

13. Toe-piainana inona sy tahotra inona miharihary amin’izao androntsika izao no nambara ao amin’ny Apokalypsy 6:6?

13 Raha mbola manohy ny fandrosoany ny mpitaingin-tsoavaly fahatelo, dia re ny feo avy any an-danitra manao hoe: “Venty [denaria, MN] ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.” (Apokalypsy 6:6). Raha eritreretina fa karama indray andro ny denaria iray, dia nanana antony tsara tokony hahataitra azy ny mpiasa iray noho ny vidin-javatra misakana toy izany. Moa ve ny fisondrotam-bidin-javatra amin’izao andro izao tsy manohy mampihena ny fidiram-bolan’ny sarambabembahoaka? Ahoana ny amin’ny vidin’ny zava-pihinana toy ny “diloilo” na ny “divay”? Misy mpanararaotra fatra-pitia vola sy olon-kafa koa manan-karem-be, ho tia ny hanohy hiaina ao anatin’ny harena be dia be. Nefa ho tonga amin’izany ve izy ireny? Izany no ho hitantsika izao, raha mbola miriotra amin’ny tany manontolo ny “soavaly mainty”.

‘SOAVALY HATSATRA MIARAKA AMIN’NY FAHAFATESANA’

14. Ahoana moa no ampiarahana an’ilay mitaingina ny soavaly fahefatra sy ny namany amin’ireo fisehoan-javatra nitranga nanomboka tamin’ny 1914?

14 Rehefa novahana ny tombo-kase fahefatra, dia nanaraka an’ireo soavaly hafa nalefa hiriotra ny “soavaly hatsatra” iray. Nitaingina azy ny Fahafatesana, narahin’ny Hadesy akaiky (tsy milaza mazava ny fitantarana na nitaingina soavaly hafa iray ny Hadesy na tsia). Asa naharikoriko no nanendrena azy ireo: “Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana [loza mahafaty, MN] sy ny bibi-dia etỳ an-tany.” (Apokalypsy 6:7, 8). Hatramin’ny taona 1914 nanokatra fiovam-piainana dia tena tao amin’ny faritra rehetra amin’ny tany tokoa ny Fahafatesana sy ny Hadesy.

15, 16. a) Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io tamin’ny fomba nanaitra tamin’ny 1918-1919? b) Inona no mampiseho fa nanohy ny diany io soavaly io nanomboka tamin’ny 1914?

15 Ary “ny loza mahafaty”! Izany dia ny areti-nandringana tamin’ny 1918-1919 nantsoina hoe gripa espaniola. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, ny isan’ny niharam-pahavoazana tamin’izany dia avo roa heny noho ny an’ireo miaramila maty teny an-tany fiadiana tamin’ny Ady Lehibe Voalohany; tamin’ny fitambarany, dia 21 000 000 no maty tamin’izany. Tany Etazonia, ny isa ofisialin’ny voan’ny gripa espaniola dia 548 452, izany hoe avo folo heny noho ny isan’ny miaramila amerikana maty tamin’ny ady. Ny ankamaroan’ny niharam-pahavoazana dia tanora narisika. Tany India, dia nanamarihana maty maherin’ny 12 000 000. Tsy nitsimbina kontinanta na nosy mihitsy io areti-mandringana io, afa-tsy ny nosy Sainte-Hélène ihany. Tany amin’ny “Esquimaux” toy ny tany Afrika afovoany, dia vohitra maro no foana tanteraka. Tany Tahiti, dia natsangana ny antontan-kitay nandoroana fatin’olona 4500 maty tao anatin’ny 15 andro. Tany Samoa andrefana, tamin’ireo mponina 38 000 dia 7500 no matin’io loza io.

16 Tsy ny gripa espaniola anefa no hany aretina mahafaty nentin’ilay nitaingina ny “soavaly hatsatra”. Notantarain’ny New York Times fa tamin’ny 1915, tamin’ny ady tany Gallipoli, ny fivalanan-dra dia nahafaty miaramila maro kokoa noho ny balan’ny fahavalo. Teo anelanelan’ny 1914 sy 1923, dia nahafaty olona 3 250 000 ny “choléra” tany India. Tamin’ny 1915, tany Rosia, ny “typhus” dia niteraka fahafatesan’ny “olona roa tapitrisa sy sasany ka hatramin’ny telo tapitrisa”. Nanohy ny diany io mpitaingin-tsoavaly io hatramin’izao androntsika izao izay mahatonga ny aretim-po sy ny homamiadana ho aretina mahafaty indrindra, ny farasisa ho “ny aretina mahafaty faharoa amin’ireo areti-mifindra”, ary ny aretin’aty ho “areti-mandringana maneran-tany”.

AKAIKY NY FANAMAIVANANA

17, 18. a) Inona no nambaran’ny mpanao raharaham-panjakana iray ka nampiseho tamin’izany ny fifandraisana nisy tamin’ny mpitaingin-tsoavaly faharoa sy fahatelo ary fahefatra? b) Tsy miraharaha an’iza anefa ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao? d) Nahoana moa isika no afaka ny ho faly noho izay hataon’ilay Mpanjaka be voninahitra?

17 Efa maherin’ny 70 taona izao ny “soavaly mena” sy ny “soavaly mainty” ary ny “soavaly hatsatra” no miara-miriotra, arahin’ny Hadesy akaiky. Mijinja fahafatesana maro be io, ka an-jato tapitrisany maro no isany. Tsara ny manamarika ny teny notononin’i Herbert Hoover tamin’ny 1941, fony izy prezidàn’i Etazonia. Nampiaraka an’ireo mpitaingin-tsoavaly telo vao noresahintsika izy ka nanambara hoe: “Mosary sy areti-mandringana foana no vokatry ny ady lehibe. Ny Ady Lehibe tamin’ny 25 taona lasa dia niteraka mosary ho an’ny olona 300 000 000. (...) Rehefa herintaona sy tapany no nisian’ny ady [ny Ady Lehibe Faharoa], dia efa mihoatra 100 000 000 sahady noho ny tamin’ny telo taona taorian’ny nanombohan’ny ady lasa ny isan’ny tsy ampy sakafo.” Ho toy inona ny fahoriana ho an’ny olombelona raha mipoaka ny ady lehibe fahatelo!

18 Ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao dia mahatsapa tanteraka ireo fandravana entin’ny mpitaingin-tsoavaly “mena”, “mainty” sy “hatsatra”. Tsy tian’izy ireo kosa ny hihevitra ilay Mpitaingina ny “soavaly fotsy”. Isika anefa dia madiva hiaina ny andro mahasambatra handraisan’io Mpanjaka be voninahitra io anjara mba hanarenana izany rehetra izany. Tsy ady no hampidiriny fa fandriampahalemana; ho solon’ny mosary ny fahatondrahan-javatra. Hanafoana ny aretina izy mba hanomezana fahasalamana tonga lafatra indray ho an’ny olombelona, ary na dia ny Hadesy aza dia hamaha ny maty. Ny andinin-teny iray ao amin’ny bokin’ny Salamo dia milazalaza amin’ny teny sahala amin’izany, ny amin’io nitaingina ny “soavaly fotsy” io; izao no vakintsika:

“Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana.” (Salamo 45:3, 4).

Akaiky izao ny fandresen’ilay Mpitaingin-tsoavaly manana fiandrianana.

19. a) Moa ve isika tokony ho very hevitra noho ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 6:2-8? b) Ohatra inona no tononina ho antsika mba hamporisihana antsika hitana finoana mafy orina?

19 Aoka anefa isika tsy hanaiky ho very hevitra loatra noho ny tarehin-javatra miharatsy eto an-tany. Enga anie isika kosa hanaraka fihetsika sahala amin’ny an’ity vehivavy Vavolombelon’i Jehovah izay, teo anelanelan’ny 1956 sy 1978, dia nandany roapolo taona tany amin’ireo tranomaizin’ny tany sosialista iray noho ireo zavatra ninoany. Nisy fotoana nanamelohana azy ho faty. Amin’izao andro izao izy io dia mbola mitondra soritry ny fampijaliana eo amin’ny sandry. Ahoana no nitanany ny finoany ho mafy? Nosaintsaininy ireo teny maro ao amin’ny Soratra masina tsaroany noho ny fianarany tamim-paharisihana ny Baiboly talohan’ny hanaovana azy an-tranomaizina. Ny anankiray tamin’ireny teny ireny indrindra dia ny Apokalypsy 6:2. Nino mafy izy fa nandray fiandrianana tany an-danitra tamin’ny 1914 ilay nitaingina ny “soavaly fotsy”, Jesosy Kristy Mpanjaka, ary vonona ny tenany hiaritra ireo fitsapana mandra-pamitan’i Jesosy ny ‘fandreseny’. Enga anie isika rehetra, raha mbola mivavaka ho an’ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra, tsy hivadika hatrany mandra-pahatanteraky ny fandresen’ilay Mpanjaka!

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 123]

MANOHY NY DIANY NY SOAVALY MAINTY

“Tombanan’ny banky iraisam-pirenena fa olona 780 000 000 eto amin’izao tontolo izao no miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka, toe-piainana ‘ambany noho izay rehetra mety ho filazalazana antonony ny fahamendrehan’olombelona’.” — “Free Press” any Detroit, 1 septambra 1980.