Fifandraisana Amin’ny Herin’ny Maizina
Famaritana: Mifototra amin’ny finoana hoe misaraka amin’ny vatana ny fanahy ka mbola velona, aorian’ny fahafatesan’ny olona. Afaka mifandray amin’ny velona, hono, io fanahy io, amin’ny alalan’ny mpanelanelana iray. Misy mino fa manana fanahy daholo ny zava-drehetra sy ny fisehoan-javatra eo amin’ny natiora. Mampiasa hery avy amin’ny fanahy ratsy ny mpilalao ody sy ny mpamosavy. Raran’ny Baiboly ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina.
Afaka mifandray amin’ny fanahin’ny havany efa maty ve ny olona?
Mpito. 9:5, 6, 10: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona ... Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro. Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.”
Sal. 146:4: “Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” (Rehefa “miala” ny ain’ilay olona, dia maty izy ary “foana ny eritreriny” ka tsy afaka mifandray amin’ny velona intsony izy.)
Jereo koa ny pejy 121-123, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana.”
Tsy milaza ve ny Baiboly fa nifandray tamin’i Samoela mpaminany i Saoly Mpanjaka, taorian’ny nahafatesan’i Samoela?
Ao amin’ny 1 Samoela 28:3-20 ilay tantara. Asehon’ny andininy faha-13, 14 fa tsy nahita an’i Samoela i Saoly, fa nihevitra fotsiny hoe i Samoela angamba no hitan’ilay vehivavy mpamoha angatra, rehefa nilaza ny bikabikan’izay hitany ilay vehivavy. Te hino mafy i Saoly fa i Samoela ilay izy ka nanaiky ho voafitaka izy. Lazain’ny andininy faha-3 anefa fa efa maty sy nalevina i Samoela. Efa hitantsika tetsy aloha koa fa tsy hoe mbola velona any ho any ny fanahin’ny maty ka afaka mifandray amin’ny velona. Mpisandoka fotsiny àry ilay nihambo ho Samoela.
Mifandray amin’iza, raha ny marina, ireo te hifampiresaka amin’ny maty?
Resahin’ny Baiboly mazava tsara ny marina momba ny maty. Iza anefa no namitaka ny mpivady voalohany ka nilaza zavatra hafa momba ny fahafatesana? I Satana, izay nanohitra ny tenin’Andriamanitra hoe ho faty izy ireo raha tsy mankatò. (Gen. 3:4; Apok. 12:9) Maty tokoa anefa ny olona, araka ny tenin’Andriamanitra. Iza àry no namorona ilay hevitra hoe tsy tena maty ny olona fa mbola velona ny fanahiny? I Satana Devoly, izay nolazain’i Jesosy hoe “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44; jereo koa ny 2 Tesalonianina 2:9, 10.) Tsy mahasoa ny olona ny finoana hoe mbola velona any ho any ny fanahin’ny maty ka afaka mifandray amin’ny velona. ‘Voafitaky ny filalaovana ody’ ataon’i Babylona Lehibe kosa “ny firenena rehetra.” (Apok. 18:23) Fitaka fotsiny ny hoe ‘miresaka amin’ny maty.’ Mahatonga ny olona hifandray amin’ny demonia (anjely nikomy tamin’Andriamanitra) mantsy izany, ka mahatonga azy handre feo hafahafa sy hampahorin’ireny fanahy ratsy ireny.
Mety ve ny mankany amin’ny mpimasy na dadarabe na mpitaiza raha te ho sitrana na ho voaro?
Gal. 5:19-21: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody ... Ny amin’ireo zavatra ireo no ampitandremako anareo mialoha, toy ny efa nampitandremako anareo rahateo, fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Mino ny laingan’i Satana momba ny maty ny olona mankany amin’ny mpilalao ody sy ny mpimasy, izay mahazo hery avy amin’i Satana sy ny demoniany. Lasa miandany amin’ireo fahavalon’i Jehovah àry ilay olona. Tsy mahazo fanampiana izy fa vao mainka aza ho voa mafy.)
Lioka 9:24: “Izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa [satria manara-dia an’i Jesosy Kristy] dia hamonjy azy.” (Raha minia mandika ny didin’Andriamanitra ny olona iray mba hiarovana na hamonjena ny ainy, dia tsy afaka hanantena ny hiaina mandrakizay izy. Hadalana tokoa izany!)
2 Kor. 11:14, 15: “I Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony.” (Tsy tokony ho voafitaka àry isika na dia toa mahasoa ihany aza ny fanampian’ny mpilalao ody sy ny mpimasy.)
Jereo koa ny pejy 171-175, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanasitranana.”
Fahendrena ve ny mankany amin’ny mpisikidy na mpimasy mba hahalalana ny hoavy na hahitana fahombiazana?
Isaia 8:19: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany?”
Lev. 19:31: “Aza mila hevitra amin’ny mpamoha angatra na amin’ny mpilaza ny hoavy, sao hanjary ho voaloton’ireny ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”
2 Mpanj. 21:6: “Nampiasa herin’ny maizina sy nitady fambara ary nampiasa mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy [i Manase Mpanjaka]. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.” (Mitady fanampiana amin’i Satana sy ny demoniany ny olona manao ireo zavatra ireo. Tsy mahagaga àry raha “ratsy teo imason’i Jehovah” izany, ka nosaziny mafy i Manase. Notahiny anefa izy rehefa nibebaka ka niala tamin’ireo fanao ireo.)
Mety ve ny manao kilalao hahalalana ny hoavy, na ny mamantatra ny hevitry ny fambara?
Deot. 18:10-12: “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona ... manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.” (Mitady fambara na mampiasa hery hafahafa ny mpisikidy, mba hilazana ny hoavy na ny zava-miafina. Noraran’i Jehovah tsy hanao izany anefa ny mpanompony. Fa nahoana? Manjary mifandray amin’ny fanahy maloto, na ny demonia, ny olona manao izany, ary mety hipetrahan’ireny fanahy ireny koa izy ireo. Mivadika amin’i Jehovah izy ireo, raha ny marina.)
Asa. 16:16-18: “Nifanena taminay ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy. Nahay naminany io mpanompovavy io ka nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony.” (Mazava ho azy fa tsy te hanontany olona toy izany ireo tia ny fahamarinana, na dia mba ho kilalao fotsiny aza. Leon’ny antsoantson’ilay vehivavy i Paoly, ka nodidiany hivoaka taminy ilay fanahy ratsy.)
Afaka mitafy vatan’olombelona ve ny fanahy ratsy?
Nitafy vatan’olombelona ireo anjely nivadika, tamin’ny andron’i Noa. Naka vady olombelona izy ireo, ary niteraka. (Gen. 6:1-4) Voatery niverina tany an-danitra anefa izy ireo rehefa tonga ny Safodrano. Hoy ny Joda 6: “Ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy, dia notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.” Naetrin’Andriamanitra izy ireo ary notehiriziny ao amin’ny haizim-be, izany hoe tsy ampahafantariny ny fikasany intsony. Nofatorany koa izy ireo, amin’ny heviny hoe noferany ny zavatra azon’izy ireo atao. Tsy mahazo mitafy vatan’olombelona intsony mantsy izy ireo, ka tsy afaka manao firaisana amin’ny vehivavy, toy ny nataony talohan’ny Safodrano. Tantarain’ny Baiboly anefa fa mbola nitafy vatan’olombelona ny anjely tsy mivadika, izay nasain’Andriamanitra hamita iraka tetỳ an-tany, hatramin’ny taonjato voalohany. Ireo anjely nivadika kosa tsy nahazo nitafy vatan’olombelona intsony, taorian’ny Safodrano.
Hain’ny demonia anefa ny mahatonga ny olona hahita fahitana hoatran’ny tena izy mihitsy. Azo antoka fa toy izany no nataon’ny Devoly tamin’izy naka fanahy an’i Jesosy, mba hampisehoana taminy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.”—Mat. 4:8.
Inona no tokony hatao raha te ho afaka amin’ny herin’ny maizina?
Ohab. 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” (Tsy toy ny ody fiaro anefa ny anaran’Andriamanitra. Ny maha izy an’i Jehovah mihitsy no asehon’ilay anarany. Ilaintsika àry ny mahalala azy sy mitoky tanteraka aminy, ary manaiky ny fahefany sy mankatò ny didiny. Amin’izay dia hiaro antsika izy, rehefa miantso azy amin’ny anarany isika ka mitady vonjy aminy.)
Mat. 6:9-13: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘... Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’ ” Ilaina koa ny ‘maharitra amin’ny vavaka.’ (Rom. 12:12) (Henoin’Andriamanitra ny vavak’ireo tena te hahalala ny fahamarinana sy te hivavaka aminy amin’ny fomba ankasitrahany.)
1 Kor. 10:21: “Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo.” (Tsy tokony hifanerasera intsony amin’ireo mifandray amin’ny herin’ny maizina ny olona te ho naman’i Jehovah sy te hahazo ny fiarovany. Tsy maintsy potehin’ilay olona koa na ariany ny zava-drehetra ananany izay misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina, araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 19:19.)
Jak. 4:7: “Koa maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.” (Mazotoa àry mianatra momba ny sitrapon’Andriamanitra ary ampiharo eo amin’ny fiainanao izany. Tsy hatahotra olona intsony ianao rehefa tia an’Andriamanitra, ka tsy hanaiky handray anjara amin’ny fombafomba misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina na hanaraka ny tenin’ny olona manao izany.)
Tafio koa ny “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” voalaza ao amin’ny Efesianina 6:10-18, ary mazotoa mikojakoja tsara ny fiadiana fiarovana tsirairay.