6 FEBROARY 2025
ROSIA
Rahalahy Aleksandr Sazhin
‘Ny Fifandraisako Amin’i Jehovah no Zava-dehibe Indrindra’
Nomelohin’ny Fitsaran’i Fokinski, any amin’ny Faritanin’i Primorié, ny Rahalahy Aleksandr Sazhin tamin’ny 28 Janoary 2025. Nahazo sazy mihantona telo taona izy. Mbola tsy voatery higadra aloha izy izao.
Ilay voampanga
Matoky hoatran’i Aleksandr isika hoe na inona na inona afointsika noho ny finoantsika, dia afaka ny ‘ho faly sy hiravoravo’ foana isika. ‘Lehibe [mantsy] ny valisoantsika any an-danitra.’—Matio 5:12.