Hijery ny anatiny

16 SEPTAMBRA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mifanaraka Amin’ny Zava-misy ny Pejy Fandraisana ao Amin’ny JW.ORG dia Misy Vokany Tsara

Mifanaraka Amin’ny Zava-misy ny Pejy Fandraisana ao Amin’ny JW.ORG dia Misy Vokany Tsara

Mampiasa ny lahatsoratra miseho eo amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org ny rahalahy sy anabavintsika eran-tany rehefa mianatra samirery sy manompo. Misy vokany tsara be dia be izany, araka ny voaporofon’ireto fitantarana manaraka ireto:

Nanao tatitra ny mpiandraikitra ny faritra iray any Kanada hoe nandritra ny volana vitsivitsy voalohany nanombohan’ny valanaretina COVID-19, dia ny telo ampahefany teo ho eo tamin’ny mpitory tao amin’ny faritra niandraiketany no nampiasa an’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hanampy Ahy Tsy Hiady Saina Raha Irery Aho?” rehefa nanompo. Nisy anabavy iray, ohatra, nandefa rohy hijerena an’io lahatsoratra io tany amin’ny mpiara-miasa aminy enina, dia maromaro tamin-dry zareo no nankasitraka an’ilay izy.

Nisy vadina mpiandraikitra ny faritra iray tany Togo koa nandefa rohy tany amin’ny havany sy ny olom-pantany. Ilay hoe “Ireo Soavaly Efatra Resahin’ny Apokalypsy” no nalefany tany amin-dry zareo. Vokatr’izany, dia manana fampianarana Baiboly fito izy izao.

Noho ilay valanaretina COVID-19, dia mampiasa vidéoconférence ny ankizy any amin’ny tany sasany rehefa mianatra fa tsy mankany am-pianarana. Nanome soso-kevitra ho an’izay mpianatra mampiasa vidéoconférence ilay lahatsoratra nivoaka vao haingana hoe “Hahavita Hianatra Tsara Ihany ve Aho na dia Tsy any Am-pianarana Aza?” Nankasitraka an’izany ny anabavy tanora iray any Skandinavia. Izao no nolazainy: “Nisy fotoana aho tsy naharaka nanao devoara. Dia tamin’izay no nivoaka io lahatsoratra io. Nampihatra ny soso-kevitra tao amin’ilay izy aho, dia efa maharaka kokoa aho izao.”

Olona 1 600 000 mahery no mijery ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org isan’andro.

Misaotra an’i Jehovah isika amin’ireny lahatsoratra ireny. Ilaintsika amin’ny fianarana samirery mantsy izy ireny sady manampy antsika mba ‘hanao tsara ny fanompoantsika.’​—2 Timoty 4:5.