Hijery ny anatiny

25 MEY 2023
GRESY

Kokkinakis miady amin’i Gresy: Mbola Manan-kery Ilay Didim-pitsarana Manan-tantara Navoakan’ny CEDH, na dia 30 Taona atỳ Aoriana Aza

Niaro ny Zo Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana Manerana an’i Eoropa

Kokkinakis miady amin’i Gresy: Mbola Manan-kery Ilay Didim-pitsarana Manan-tantara Navoakan’ny CEDH, na dia 30 Taona atỳ Aoriana Aza

Feno 30 taona tamin’ny 25 Mey 2023, ilay lazain’ny mpahay lalàna fa iray amin’ireo didim-pitsarana miavaka indrindra navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ilay raharaha hoe Kokkinakis miady amin’i Gresy. Sambany tamin’io ny CEDH no nanameloka firenena iray ho nanitsakitsaka ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana. Nanomboka tamin’ny 1993, dia lasa fototra hiarovana ny zo ara-pivavahana any amin’ireo firenena 46 anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina iny didim-pitsarana iny. Te hanakantsakana antsika tsy hanana fahalalahana ara-pivavahana ny firenena lehibe sasany, ohatra hoe i Rosia, ka vao mainka ilaina hatramin’izao iny didim-pitsarana tamin’ny raharaha Kokkinakis iny.

Mbola ilay raharaha Kokkinakis foana no resahin’ny tranonkala ofisialin’ny Filan-kevitra Eoropeanina rehefa manazava ny fiarovana omen’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Ampianarina any amin’ny oniversite fianarana lalàna io raharaha io, ary ampiasaina rehefa misy mangataka famerenam-pitsarana amin’ny Fitsarana Eoropeanina.

Nampiseho ilay raharaha Kokkinakis hoe “ny zavatra lazain’ny olona iray sy ny ataony dia mifandray amin’izay inoany.” Nohamafisina tamin’io raharaha io koa fa ‘tafiditra amin’ny fahalalahana ara-pivavahana ny hoe manana zo afaka mandresy lahatra ny olon-kafa ny olona iray, ohatra hoe “mampianatra” azy.’

Anisan’ireo mpitsaran’ny CEDH sivy nandinika an’ilay raharaha ny mpitsara atao hoe De Meyer. Hoy izy: “Tsy heloka bevava ny mitaona olona hanaraka ny finoanao fa porofo hoe ‘mazoto mampiely ny finoanao ianao.’ Fomba iray ‘anehoanao ny finoanao’ izany, ary ara-dalàna tanteraka.”

Niafara tamin’io didim-pitsarana manan-tantara io ilay ady naharitra 50 taona teny amin’ny fitsarana nataon’ny Rahalahy Minos Kokkinakis. Nosamborina i Minos tamin’ny 1938 satria hoe nandika ny lalàna napetrak’ilay grika mpanao didy jadona atao hoe Ioannis Metaxas. Voalazan’io lalàna io mantsy fa meloka izay mitory amin’ny olona momba ny finoany. Telopolo taona i Minos tamin’izay, ary izy no voalohany tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 19 147 nosamborina noho io lalàna io, tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1992. Nenjehina sy nampijalina ary niharan’ny herisetra koa ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra an’ireo taona maro ireo.

Tsy nanaiky lembenana anefa i Minos fa nitory foana. Vokatr’izany, dia in-60 mahery izy no voasambotra ary im-18 no niakatra fitsarana. Nandritra ny enin-taona mahery koa izy no nigadra sy natao sesitany tany amin’ny nosy misy fonja, ary imbetsaka no nasaina nandoa lamandy.

Ela ny ela ka nanome rariny an’i Minos ny CEDH tamin’ny 1993, tamin’izy 84 taona. Voaheloka i Gresy satria nanitsakitsaka ny zony hanana fahalalahana ara-pivavahana. Nodidian’ny CEDH ny fanjakana grika mba hanome onitra an’i Minos noho ireo taona maro nijaliany, ary mba handoa ny vola laniny tany amin’ny fitsarana. Nipetraka tany Kreta i Minos mandra-pahafatiny, tamin’ny 1999, izany hoe tamin’izy 90 taona.

Nilaza i De Meyer mpitsara fa tsy mpanao heloka bevava i Minos fa “nomelohina satria fotsiny be zotom-po, nefa izy tsy mba nanao ratsy.”

Nasongadin’i Philip Brumley, mpanolo-tsain’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa manan-kery eo amin’ireo ady ara-pitsarana ankehitriny io didim-pitsarana manan-tantara io. Hoy izy: “Nanamafy ny zon’ny olona hiresaka amin’ny hafa momba ny finoany iny raharaha Kokkinakis iny. Ilay didim-pitsarana navoakan’ny CEDH tamin’iny no voaresaka matetika indrindra sady lehibe indrindra mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana, na dia any ivelan’ny Eoropa aza.”

Misaotra an’i Jehovah isika noho ny fandresena miezinezina tamin’ilay raharaha Kokkinakis, izay misy vokany amin’ny raharaha mitovitovy aminy. Misaotra azy isika noho ny fahendrena ary ny tari-dalana omeny antsika rehefa manohy ‘miaro ny vaovao tsara sy miezaka hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany.’​— Filipianina 1:7.