Hijery ny anatiny

Minos Kokkinakis: Natao sesitany niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa, sy ny sariny tatỳ aoriana.

7 JANOARY 2019
GRESY

Fahatsiarovana An’ireo 50 Taona Niadiana ho An’ny Zo Hitory

Fahatsiarovana An’ireo 50 Taona Niadiana ho An’ny Zo Hitory

Efa 80 taona izay no lasa hatramin’ny nanateran’ny sambo mpitondra gadra an’i Minos Kokkinakis tao amin’ny nosy Amorgos, any amin’ny Ranomasina Égée. Natao sesitany tany nandritra ny 13 volana izy. Nisy lalàna nivoaka tany Gresy, talohan’izay, ary voalaza tao hoe rarana ny mitory amin’olona mba hampiova finoana azy. Nilaza ny fitsarana iray hoe nandika an’io lalàna io ny Rahalahy Kokkinakis, ka nosazina izy nefa tsy notsaraina akory. Izy no voalohany tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah 19147 nosamborina tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1992, noho ny fandikana an’ilay lalàna napetrak’i Ioannis Metaxas, Grika mpanao didy jadona. An-jatony ny Vavolombelona grika nampijalina sy nosamborina ary nogadraina, tao anatin’ny 50 taona, satria nitory ny vaovao tsara.

Tamin’izy 30 taona teo ho eo ny Rahalahy Kokkinakis no nanomboka niady mba hekena ny zony hitory, ary naharitra 50 taona izany. Nosamborina in-60 mahery izy ary nahatratra enin-taona ny fotoana nigadrany sy nanaovana sesitany azy raha atambatra. Tena nijaly be izy sy ny Vavolombelona hafa rehefa natao sesitany tany amin’ny nosy mitokana. Tamin’izy 77 taona no nosamborina farany, ary nanameloka azy daholo ny ambaratongam-pitsarana teo an-toerana, hatramin’ny Fitsarana Tampony. Nalefany tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) àry ilay raharaha ary nolazainy hoe nohitsakitsahin’i Gresy ny zony hanana fahalalahana ara-pivavahana. Nahazo fandresena niezinezina izy tamin’ny 1993, tamin’izy 84 taona. a Sambany tamin’io ny CEDH no nanameloka firenena iray ho nanitsakitsaka ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana. Feno 25 taona tamin’ny 2018 iny didim-pitsarana niavaka iny. Milaza ny mpampianatra lalàna iray hoe ilay raharaha Kokkinakis no voaresaka matetika indrindra rehefa misy mpahay lalàna na mpitsara na mpanao gazety mila miresaka momba ny didim-pitsarana lehibe nataon’ny CEDH mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana.

Lasa ohatra narahin’ny mpitsara ilay raharaha Kokkinakis rehefa misy raharaha mitovitovy aminy. Te hanakantsakana ny mpiara-manompo amintsika tsy hanana fahalalahana ara-pivavahana ny firenena lehibe sasany, ohatra hoe i Rosia, ka tena ilaina hatramin’izao iny didim-pitsarana iny.

Tena modely ho an’ny rahalahy sy anabavy enjehina noho ny fitoriany ny Rahalahy Kokkinakis satria nanam-pinoana sady nikiry nanompo foana. Nandresy izy satria tsy nivadika mihitsy, ary mbola manampy ny mpiara-manompo hatramin’izao izany.—Romanina 1:8.

a Nodimandry tamin’ny Janoary 1999 i Minos Kokkinakis