Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Maria Virjiny?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Maria Virjiny?

 Valiny ara-baiboly

 Resahin’ny Baiboly hoe nahazo tombontsoa hafakely i Maria satria izy no niteraka an’i Jesosy, na dia mbola virjiny aza izy tamin’izany. Naminany momba an’io fahagagana io i Isaia ao amin’ilay boky nosoratany, dia tantaraina ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka hoe tanteraka ilay izy.

 Faminaniana momba ny hahaterahan’ny Mesia no nosoratan’i Isaia. Hoy izy: “Ho bevohoka ny tovovavy ka hiteraka zazalahy.” (Isaia 7:14) Nasain’Andriamanitra nanoratra i Matio tatỳ aoriana hoe i Maria io tovovavy io, dia i Jesosy ilay zazalahy haterany. Notantarainy hoe nanao fahagagana Andriamanitra, dia lasa tao an-kibon’i Maria i Jesosy. Nanazava i Matio avy eo hoe: “Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny hoe: ‘Ho bevohoka ny virjiny a ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.’ Raha adika izany dia hoe: ‘Momba Anay Andriamanitra.’”​—Matio 1:22, 23.

 Nitantara momba an’ilay fahagagana nataon’Andriamanitra tamin’i Maria koa i Lioka. Nanoratra izy hoe nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela mba “ho any amin’ny virjiny iray efa voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy amin’ny taranak’i Davida. Maria no anaran’ilay virjiny.” (Lioka 1:26, 27) Hita tamin’ny tenin’i Maria tamin’ilay anjely hoe tena virjiny tokoa izy. Rehefa nilaza taminy mantsy ilay anjely hoe izy no hiteraka ny Mesia, dia nanontany izy hoe: “Ahoana no hetezan’izany, nefa izaho tsy nanao firaisana tamin-dehilahy?”​—Lioka 1:​34.

 Nahoana i Maria no afaka niteraka nefa izy virjiny?

 Ny fanahy masina no nampiasain’Andriamanitra mba hahatonga an’i Maria ho bevohoka. (Matio 1:18) Io mantsy no hery ampiasainy hanaovana zavatra. Hoy i Gabriela tamin’i Maria: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.” b (Lioka 1:35) Nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’i Maria ny ain’ilay Zanany, dia lasa zazakely.

 Nahoana Andriamanitra no nifidy vehivavy virjiny mba hiteraka an’i Jesosy?

 Vehivavy virjiny no nofidin’Andriamanitra hiteraka an’i Jesosy mba ho lavorary ny vatany, dia afaka manavotra ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16; Hebreo 10:5) Andriamanitra no namindra an’i Jesosy ho ao an-kibon’i Maria. Tsy nifindra tamin’i Jesosy anefa ny tsy fahalavorariana tao amin’i Maria satria narovan’ny fanahy masina i Jesosy mandra-pahaterany.​—Lioka 1:​35.

 Lavorary àry i Jesosy rehefa teraka, tsy nisy hafa tamin’i Adama tamin’izy mbola tsy nanota. Resahin’ny Baiboly hoe “tsy nanota” i Jesosy. (1 Petera 2:22) Olombelona lavorary izy, dia izy irery ihany no afaka nanolotra ny ainy ho vidim-panavotana, mba hamonjena ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana.​—1 Korintianina 15:21, 22; 1 Timoty 2:​5, 6.

 Virjiny mandra-pahafatiny ve i Maria?

 Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly hoe virjiny mandra-pahafatiny i Maria. Tantaraina ao hoe nanan-janaka hafa izy taorian’i Jesosy.​—Matio 12:46; Marka 6:3; Lioka 2:7; Jaona 7:5.

Resahin’ny Baiboly hoe nanana mpiray tam-po maromaro i Jesosy

 Tsy nandova ota ve i Maria?

 Nandova ota izy. Misy fivavahana mampianatra anefa hoe tsy nandova ota i Maria. Resahin’ny New Catholic Encyclopedia hoe “vao tao an-kibo i Maria, izany hoe vao nanomboka nisy, dia efa tsy nandova OTA TAMIN’I ADAMA. Ny olon-kafa rehetra kosa mandova ota daholo. . . . I Maria irery no nahazo FAHASOAVANA miavaka, ka tsy nifindran’ny ota mihitsy.” c

 Tsy mampianatra mihitsy anefa ny Baiboly hoe tsy nandova ota tamin’i Adama i Maria. (Salamo 51:5; Romanina 5:12) Na i Maria aza tsy nanda mihitsy hoe mpanota izy. Nanao sorona noho ny ota, ohatra, izy tamin’izy avy teraka an’i Jesosy, satria izay no notakin’ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny vehivavy tera-bao. (Levitikosy 12:2-8; Lioka 2:21-24) Hoy ihany ny New Catholic Encyclopedia: “Tsy mampianatra mivantana ny Soratra Masina hoe tsy nandova ota mihitsy i Maria. ... Ny Eglizy no nampianatra [an’izany].”

 Tokony hivavaka amin’i Maria ve isika?

 Be dia be ny olona azontsika tahafina ao amin’ny Baiboly, ary anisan’izany i Maria. (Hebreo 6:12) Tena tia an’Andriamanitra mantsy izy sady nino azy. Nanetry tena koa izy sady nankatò foana.

 Nahazo tombontsoa miavaka i Maria satria izy no renin’i Jesosy. Tsy mampianatra mihitsy anefa ny Baiboly hoe tokony hivavaka aminy isika. Tsy nanindrahindra azy i Jesosy, na dia zanany aza. Tsy nasainy nanao an’izany koa ny mpianany. Tsy miresaka be momba azy koa ny Baiboly. Ny Filazantsara ihany no tena miresaka momba an’i Maria, dia indray mandeha fotsiny izy no tononina ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. (Asan’ny Apostoly 1:14) Tsy misy miresaka momba azy ny boky 22 hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao.

 Tsy misy porofo mihitsy ao amin’ny Soratra Masina hoe nanindrahindra an’i Maria ny Kristianina voalohany. Tsy nivavaka taminy mihitsy koa ry zareo. Ampianarin’ny Baiboly hoe Andriamanitra irery no tokony hivavahan’ny Kristianina.—Matio 4:10.

a ʽAlmah no teny hebreo nampiasain’i Isaia tamin’ilay hoe “tovovavy.” Sady azo adika hoe virjiny izy io no azo adika koa hoe tsy virjiny. Ny an’i Matio anefa nofaritany kokoa, satria teny grika hoe partenôs no nampiasainy. “Virjiny” no dikan’io, ary izay mihitsy no nasain’ny fanahy masina nosoratany.

b Misy miteny hoe tsy mety ilay teny hoe “Zanak’Andriamanitra”, satria lasa midika hoe nanao firaisana tamin’i Maria Andriamanitra. Tsy mampianatra mihitsy anefa ny Baiboly hoe nanao an’izany Andriamanitra. Antsoina hoe “Zanak’Andriamanitra” sy hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” i Jesosy ao amin’ny Baiboly, satria izy no noforonin’Andriamanitra voalohany sady Andriamanitra irery no namorona azy fa tsy nisy nanampy. (Kolosianina 1:​13-​15) Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” koa i Adama, ilay lehilahy voalohany, satria Andriamanitra no namorona azy.—Lioka 3:38.

c Second Edition, Volume 7, pejy 331.