Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Tsy Mety Afa-trosa ve Ianareo?

Tsy Mety Afa-trosa ve Ianareo?

Gabriel: * “Nitotongana be ny toe-karena tatỳ Gresy, ka tsy nandeha tsara intsony ny orinasanay. Tsy arakay intsony ny mandoa ny trosa nanamboaranay trano sy nividiananay zavatra. Miady saina be aho ka tsy mahita tory mihitsy.”

Kathy: “Tianay be ilay trano naorinay, ka tsy zakako mihitsy ny mieritreritra hoe hafoinay ilay izy. Mifamaly foana izahay sy Gabriel hoe ahoana no handoavana ny trosanay.”

METY hampikorontana na handrava tokantrano ny trosa. Nilaza, ohatra, i Jeffrey Dew, mpikaroka, fa tsy dia miaraka ny mpivady be trosa, miady lava, ary tsy dia falifaly. Ela kokoa vao miravona ny adihevitra momba ny vola sy trosa, raha oharina amin’ny olana hafa. Lasa mifampivazavaza sy mifampikasi-tanana mihitsy aza ny olona rehefa miady hevitra momba izany, ary matetika no mitatra zavatra hafa ilay izy. Tsy mahagaga àry raha ny resa-bola no anisan’ny tena mahatonga ny mpivady hisaraka.

Mandraiki-marary koa ny olona rehefa be trosa loatra. Tsy mahita tory lava, ohatra, izy, marary andoha na vavony na fo, na ketraka lava. Hoy i Mihaingo: “Ketraka lava ny vadiko fa be trosa loatra izahay. Lasa matory foana izy tontolo andro. Izy no mba andry nianteherako hatramin’izay, nefa tsy mahavita n’inona n’inona intsony izy izao.” Tsy zakan’ny sasany intsony indraindray ny adin-tsainy. Nilaza, ohatra, ny Vaovaon’ny BBC fa nisy vehivavy avy any atsimoatsinanan’i Inde namono tena, satria tsy voaloany ny trosany. Nindrana vola mitovy sanda amin’ny 1 800 000 ariary teo ho eo mantsy izy mba hitsaboana an-janany.

Ahoana raha miady saina ianareo izao satria ananan’olona trosa? Hodinihintsika ny olana sasany fahitan’ny mpivady be trosa, sy ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy azy ireo.

OLANA 1: Mifanome tsiny fotsiny izahay.

Hoy i Laza: “Teneniko foana ny vadiko hoe tsy mahay mitsitsy vola mihitsy izy. Izy indray milaza fa hampidi-bola kokoa, hono, aho raha manao asa mitohy mandavantaona.” Inona no azon’ny mpivady atao mba tsy hampiady azy ireo ny trosa?

Vahaolana: Samia miezaka mba ho afa-trosa.

Aza manampatra ny hatezeranao amin’ny vadinao, na tsy ianao aza no nahatonga anareo hidi-trosa. Tsy hampiova na inona na inona mantsy izany. Izao mihitsy no tena ilanao ny toro lalana ao amin’ny Efesianina 4:31 hoe: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.”

Aza ilaozana miady fa ataovy izay hanefana an’ilay trosa. Hoy i Setra: “Ilay trosa no heverinay ho toy ny fahavalo, ka izahay mivady mihitsy no mitambatra miady amin’ilay izy.” Mifanaraka amin’izany mihitsy ity lazain’ny Ohabolana 13:10 ity: ‘Hendry izay mila hevitra amin’ny hafa.’ Aza miezaka mamaha an’ilay olana samirery àry. Mifampiresaha tsara ary miaraha mamaha an’izay olana ara-bola rehetra.

Afaka mitondra ny anjara birikiny koa ny zanakareo. Hoy i Edgardo, any Arzantina: “Te hahazo bisikileta vaovao ny zanakay lahikely. Nolazainay taminy anefa fa tsy manam-bola izahay, ka ny bisikiletan’ny dadabeny no nomenay azy. Tiany be mihitsy ny mitaingina an’ilay izy. Hitako hoe zava-dehibe raha ny mpianakavy no miara-misalahy.”

ANDRAMO IZAO: Manokàna fotoana hiresahana momba ny trosanareo. Aza miolakolaka rehefa miresaka ary mitonia tsara. Ekeo hoe diso ianao raha nisy tsy nety nataonao. Aza mifantoka be amin’ny lasa, fa jereo izay toro lalana hanampy anareo hanapa-kevitra amin’ny resa-bola ary ampiharo izany.—Salamo 37:21; Lioka 12:15.

OLANA 2: Toa tsy ho afa-trosa mihitsy izahay.

Hoy i Enrique: “Efa nidi-trosa be aho tamin’ny orinasako nefa mbola niampy an’ilay olana ara-bola tatỳ Arzantina koa. Nila nodidiana koa ny vadiko. Nieritreritra aho hoe tsy ho tafavoaka mihitsy fa toy ireny bibikely voafandrika ao anaty tranon-kala ireny.” Toy izany koa i Roberto, any Brezila. Lany nanaovana raharaham-barotra ny tahirim-bolany, ary banky 12 be izao no nanam-bola taminy. Hoy izy: “Menatra be aho ka tsy te hahita ny namako mihitsy. Hoatran’ny tsy mahavita azy mihitsy aho.”

Inona no azonao atao raha kivy be noho ny trosa ianao na manamelo-tena na mahatsiaro ho afa-baraka?

Vahaolana: Mahaiza mitantam-bola.

 *

1. Fantaro ny vola eo am-pelatananareo. Raketo an-tsoratra izay vola miditra sy mivoaka mandritra ny tapa-bolana na iray volana, raha izany no mety kokoa. Ataovy ao koa izay vola mila aloa tsindraindray, toy ny hetra, na vola ividianana fanafody na akanjo. Kajio hoe ohatrinona eo ho eo isam-bolana no hatokanareo ho amin’ireo.

2. Ampitomboy ny vola miditra. Manaova vadin’asa, ohatra hoe mitaiza zaza, manasa lamba, mivarobarotra, manamboatra zavatra simba. Mitandrema anefa sao tsy ho vitanareo intsony ny zava-dehibe fanaonareo, anisan’izany ny fanompoana an’Andriamanitra.

Miaraha mitady fomba hanefana ny trosa

3. Ahenao ny vola mivoaka. Aza maika hividy zavatra na dia nihena aza ny vidiny, raha tsy hoe tena ilainareo angaha ilay izy. (Ohabolana 21:5) Hoy i Enrique, noresahina teo: “Aleo tsy maimay hividy zavatra, amin’izay hitanao hoe tena ilainao tokoa ve ilay izy sa te hahazo an’ilay izy fotsiny ianao.” Ireto koa misy soso-kevitra hafa:

  • Trano: Raha mety, dia trano moramora hofana. Miezaha mitsitsy jiro sy rano.

  • Sakafo: Raha tsy mody antoandro ianao, dia mitondrà sakafo fa aza zatra manao kibo an-tsena. Any amin’ny fivarotana manao fihenam-bidy na misy zavatra mora kokoa mividy zavatra. Hoy i Joelma, any Brezila: “Rehefa hirava iny ny tsena vao mividy voankazo sy legioma aho, amin’izay mahazo mora.”

  • Fitaterana: Kojakojao tsara izay anananareo na fiara izany na môtô na bisikileta, fa aza maika hividy vaovao ka lasa mitrosa. Mandehana an-tongotra na bisy raha azo atao.

Azonareo ampiasaina tsara amin’izay ny ambim-bolanareo rehefa nahenanareo ny vola mivoaka.

4. Tontalio ny trosanareo ary ataovy izay handoavana azy. Fantaro hoe ohatrinona ny zanabola tokony haloanareo, ary inona no ho vokany raha tsy voaloa ilay izy na tara ny fandoavana azy. Jereo tsara ilay taratasy fifanarahana satria fetsifetsy indraindray ny mpampindram-bola. Nilaza, ohatra, ny fikambanana iray mpampisambo-bola, any Etazonia, fa tokotokony ho ampahefatry ny vola ampindraminy ny zanabola alainy. Efa ho avo efatra henin’ny vola ampindraminy anefa no alainy raha ny marina.

Jereo amin’izay ny fomba handoavana ny trosanareo rehetra. Izay trosa be zanabola indrindra, ohatra, aloa voalohany, raha tsy izany dia izay trosa rehetra kely kokoa. Ho mandry kokoa mantsy ny saina raha vitsivitsy sisa ny trosa mila aloanareo isam-bolana. Azo atao koa ny mindram-bola tsy dia be zanabola mba handoavana ny trosa be zanabola.

Raha tena sarotra be aminareo ny handoa an’ilay izy, dia ataovy izay hifampiraharahana amin’ilay tompon-trosa. Iangavio, ohatra, izy mba hanemotra ny fotoana na hampihena ny zanabola. Ny tompon-trosa sasany aza mety hampihena ny volany any aminao mihitsy, raha tonga dia indray aloanao eo no ho eo ilay izy rehefa ahenany. Milazà ny marina ary hajao tsara izy rehefa manazava an’ilay izy ianareo. (Kolosianina 4:6; Hebreo 13:18) Manaova foana taratasy rehefa misy zavatra ifanarahana. Indraindray tsy tonga dia hekeny izay hangatahinao. Aza kivy anefa fa mitadiava foana marimaritra iraisana raha mety.—Ohabolana 6:1-5.

Tsy voatery ho araka ny eritreretinareo foana anefa ny zava-misy. Na tsara fikasa toy inona aza ianareo, dia mety hisy zavatra tsy azo anoarana hitranga. “Maniry elatra toy ny an’ny voromahery” mantsy ny vola, ka “manidina ho eny amin’ny lanitra.”—Ohabolana 23:4, 5.

ANDRAMO IZAO: Manaova aloha teti-bola. Iaraho midinika avy eo hoe ahoana no azon’ny mpianakavy tsirairay ampihenana ny vola mivoaka na ampitomboana ny vola miditra. Ho vonona hifanampy mba ho afa-trosa ianareo, rehefa mahita ny mpianakavy tsirairay miezaka.

OLANA 3: Mila hivadika atidoha mihitsy izahay.

Mety tsy hahavita izay zava-dehibe eo amin’ny fiainana intsony ny olona sasany rehefa be trosa. “Ny tena olana”, hoy i Georges, “dia mihodikondina amin’ny trosa foana ny resakay ka lasa an-tsirambina ny zava-dehibe indrindra.”

Vahaolana: Aza mifantoka be loatra amin’ilay trosa.

Na dia efa niezaka mafy aza ianareo, dia mety ho mbola ho ela vao ho voaloanareo ilay trosa. Mandra-pandoanareo an’ilay izy anefa, dia aza mifantoka be loatra amin’ny vola. Araho kosa ny 1 Timoty 6:8 hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.”

Ho sambatra ianareo raha mahay mianina, ary tsy hitovy mihitsy amin’ny hasambarana tsapa raha manan-karena izany

Mahaiza mianina amin’izay vola anananareo dia ho fantatrareo tsara “izay zava-dehibe kokoa.” (Filipianina 1:10) Anisan’izany ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra sy ny fianakavianareo. Hoy ihany i Georges: “Mbola tsy voaloanay daholo ny trosanay. Tsy mifantoka be loatra amin’izany intsony anefa izahay. Nampitomboinay ny fotoana iarahanay mianakavy manompo an’Andriamanitra. Nampitomboinay koa ny fotoana iarahanay roa sy iarahanay amin’ny zanakay, ka sambatra kokoa ny tokantranonay.”

ANDRAMO IZAO: Ataovy lisitra izay zavatra lehibe indrindra aminareo, nefa tsy voavidim-bola. Jereo avy eo hoe inona no azonareo atao mba hampitomboana ny fotoana sy hery hatokanareo amin’izany.

Mampikorontan-tsaina ny trosa ary tsy mora ny miatrika ny olana aterak’izany. Handray soa anefa ianareo raha miezaka. Hoy i Andrzej, any Polonina: “Nitrosa vola be ny mpiara-miasa tamin’ny vadiko ary niantoka an’izany ny vadiko. Tsy hita anefa izay nalehan’ilay olona, ka nifototra tany amin’ny vadiko ilay izy. Nony fantatro izany dia ady lava ny tao an-trano, raha tsy hilaza afa-tsy izay aho.” Hoy anefa izy izao rehefa mieritreritra ny nataon’izy mivady: “Miray saina kokoa izao izahay. Tsy hoe noho ilay olana, fa noho izahay niara-namaha an’ilay izy.”

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 17 Misy soso-kevitra hafa ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hampiasanao ny Volanao?” ao amin’ny gazety Mifohaza! Septambra 2011, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ERITRERETO IZAO:

  • Ahoana no azoko anampiana ny fianakaviako ho afa-trosa?

  • Inona no azonay atao mba tsy hampiady na handrava ny fifandraisanay ny resaka trosa?