Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Ahoana Raha Maty ny Dadanao na ny Mamanao?

Ahoana Raha Maty ny Dadanao na ny Mamanao?

OLANA

Enin-taona i Dami tamin’ny dadany matin’ny fivontosan’ny lalan-dra. Sivy taona kosa i Derrick no matin’ny aretim-po ny dadany. I Jeannie indray fito taona tamin’ny mamany matin’ny kansera rehefa avy nijalijaly herintaona. *

Mbola kely izy telo ireo dia efa namoy ny olona akaiky azy. Ianao koa ve hoatr’izany? Raha izany no izy, dia hanampy anao hizaka ny alahelonao ity lahatsoratra ity. * Ireto anefa aloha misy zavatra tsara ho fantatra momba ny alahelo.

TSARA HO FANTATRAO

Tsy mitovy ny fomba anehoan’ny olona ny alahelony. Hoy ny boky Fanampiana ny Tanora Nidonam-pahoriana (anglisy): “Tsy voatery hitovy foana ny fomba iatrehan’ny olona ny fahafatesan’ny havany.” Tsy tokony hokoboninao anefa ny alahelonao. Nahoana? Satria...

Mety hankarary ny alahelo raha kobonina. Hoy i Jeannie, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nihevitra aho hoe tokony ho mafy be satria mbola manana zandrivavy, dia tsy nasehoko ny alaheloko. Mbola koboniko ho ahy foana ny fihetseham-poko hatramin’izao rehefa malahelo aho. Tsy mahasalama anefa izany!”

Izany koa no lazain’ny manam-pahaizana. Hoy ny boky Tanora Nidonam-pahoriana (anglisy): “Na dia koboninao aza ny fihetseham-ponao dia hivoaka ihany izany, indray andro any. Hitroatra amin’ny fotoana tsy ampoizina ilay izy, na lasa marary ianao.” Mety hisotro toaka be na hidoroka zava-mahadomelina koa ny olona iray, mba hanadinoany ny fahoriany.

Mety hikorontana ny fihetseham-po. Misy tezitra amin’ilay olona maty satria nandao azy, hono, izy io. Ny hafa indray manome tsiny an’Andriamanitra noho izy namela an’ilay olona ho faty. Maro koa no manenina noho ny zavatra nataony na nolazainy tamin’ilay olona, satria tsy afaka manonitra an’ilay izy intsony izy ireo.

Tsy mora àry ny miatrika ny alahelo. Inona no hanampy anao hizaka azy io, sy hanohy ny fiainanao?

INONA NO AZONAO ATAO?

Miresaha amin’olona. Mety te hitokantokana ianao mandritra an’ilay fotoan-tsarotra. Hahay hiatrika an’ilay izy anefa ianao sady tsy ho difotry ny alahelo, raha mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny fianakaviana na namana.​—Toro lalana: Ohabolana 18:24.

Ataovy an-tsoratra izay tsapanao. Soraty ao anaty diary ny momba an’ilay olona maty. Inona, ohatra, ny zavatra mahafinaritra indrindra tsaroanao momba azy? Soraty ao koa ny toetra tsarany. Inona ny toetrany tianao hotahafina?

Ahoana indray raha nasiaka taminy ianao talohan’ny nahafatesany, ka tsy afaka ao an-tsainao ny zavatra noteneninao? Soraty ao amin’ilay diary hoe inona no tsapanao ary nahoana. Ohatra hoe: “Manenina aho satria nifamaly tamin’i Dada talohan’ny nahafatesany.”

Rariny ve raha manamelo-tena ianao? Hoy ihany ilay boky Tanora Nidonam-pahoriana: “Ianao angaha moa nanampo hoe ho faty ilay olona ka tsy ho afaka ny hiala tsiny aminy intsony ianao? Tsy hisy olona hahavita hitandrina foana an’izay lazainy sy ataony, ka hoe tsy hila hiala tsiny mihitsy izy.”​—Toro lalana: Joba 10:1.

Karakarao ny tenanao. Ataovy ampy tsara ny torimaso, manaova fanatanjahan-tena, ary misakafoana tsara. Na malain-komana aza ianao, dia miezaha hihinan-javatra kely mahasalama matetitetika mandritra ny andro, mandra-pahazoto homana anao indray. Tsy vahaolana ny haninkanina sy ny toaka, fa vao mainka manimba.

Aza misalasala mivavaka. Hoy ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” Tsy natao hampitonena antsika fotsiny ny vavaka, fa tena resaka atao amin’Andriamanitra. “Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” mantsy izy.​—2 Korintianina 1:3, 4.

Anisan’ny fomba ampiononany antsika, ohatra, ny Teniny. Maninona àry raha mandinika azy io mba hahitana hoe manao ahoana marina ny olona rehefa maty, ary mbola hitsangana ve izy ireny? *​—Toro lalana: Salamo 94:19.

^ feh. 4 Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny tantaran’i Dami sy Derrick ary Jeannie.

^ feh. 5 Hahasoa anao koa ny torohevitra ato, na dia ny iray tam-po aminao na ny namanao aza no maty.

^ feh. 19 Jereo ny toko 16 amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1. Azo alaina maimaim-poana ao amin’ny www.jw.org/mg izy io, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY.