Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Marary ny Olona Akaiky Anao?

Ahoana Raha Marary ny Olona Akaiky Anao?

“Efa hivoaka hopitaly i Dada tamin’izay. Niangavianay ilay dokotera nitsabo azy mba hamerina hijery ny valin’ny analiziny. Nilaza izy io fa ara-dalàna tsara ilay izy, nefa nojereny ihany. Gaga be izy fa hay nisy zavatra roa tsy nety tao! Niala tsiny izy ary niantso dokotera hafa. Efa salama tsara izao i Dada. Soa ihany izahay fa nanontany tamin’iny.”—Maribel.

Alohan’ny handehanana any amin’ny dokotera dia soraty ny soritr’aretina sy ny fanafody efa ampiasaina

Mety hampitaintaina ny manatona dokotera sy ny miditra hopitaly. Mety hisy vokany tsara anefa ny fanampian’ny namana na havana, ary mety hamonjy aina mihitsy aza. Inona, ohatra, no azonao atao?

Mihainoa tsara, mametraha fanontaniana, ary mandraisa an-tsoratra

Alohan’ny handehanana any amin’ny dokotera: Soraty izay fanontaniana tokony hapetraka amin’ilay dokotera. Ampio ilay marary mba hanoratra ny soritr’aretiny sy ny fanafody efa ampiasainy, ary hitadidy ny tsipiriany momba an’ilay aretina. Mila fantarina koa raha efa nisy voan’io aretina io ny fianakaviany. Tsy tsara ny mieritreritra hoe: ‘Tsy efa fantatry ny dokotera daholo ve izany?’ na hoe ‘Izy ve tsy hanontany e?’

Avereno jerena ny toromarika nomen’ny dokotera, ary jereo koa ny taratasim-panafody

Rehefa ao amin’ny dokotera: Ataovy azo antoka hoe azon’ilay marary tsara izay lazaina aminy. Afaka manontany an’ilay dokotera ianao, nefa aza toherina ny teniny. Avelao koa ilay marary mba hiteny sy hanontany. Mihainoa tsara ary mandraisa an-tsoratra. Anontanio ilay dokotera raha misy fitsaboana maromaro azo isafidianana. Azo atao koa indraindray ny mandroso hevitra amin’ilay marary mba hanontany dokotera hafa.

Rehefa avy ao amin’ny dokotera: Avereno jerena ny zavatra noresahin’ilay dokotera. Ataovy azo antoka hoe tsy mifandiso ny fanafody, sady mifanaraka amin’izay nolazain’ny dokotera ny fihinanana azy. Ilazao koa ilay dokotera raha misy vokany ratsy ilay fanafody. Ampirisiho ilay marary mba ho be fanantenana sy hanaraka toromarika fanampiny, anisan’izany ny fomba hanohizana an’ilay fitsaboana. Ampio koa izy hahalala bebe kokoa momba an’ilay aretina.

Any amin’ny hopitaly

Ataovy azo antoka hoe feno tsara daholo ny taratasy rehetra ary marina tsara

Miezaha ho tony sy ho mailo. Mety hatahotra sy ho very hevitra ny olona iray rehefa miditra hopitaly. Raha tony sy mifantoka tsara anefa ianao, dia hanahaka anao ny hafa. Hisoroka olana koa izany. Ataovy azo antoka hoe feno tsara daholo ireo taratasy tokony hofenoina. Hajao ny zon’ny marary hifidy izay fitsaboana tiany. Raha tsy afaka manao izany anefa izy noho ny aretiny, dia hajao izay safidy efa nosoratany mialoha sy izay lazain’ny havany akaiky na ny solontenany. *

Resaho amin’ny mpiasan’ny hopitaly izay zavatra voamarikao, ary ataovy amim-panajana izany

Mandraisa andraikitra. Aza matahotra ny hiteny. Manaova fitafiana mihaja ary miezaha hahalala fomba. Mety hahatonga ny mpitsabo hikarakara tsara ny marary izany. Dokotera maromaro no mifandimby mijery an’ilay marary, any amin’ny hopitaly sasany. Tokony holazainao amin’izay dokotera mandimby eo ny tenin’ny dokotera hafa. Efa fantatrao tsara ilay marary, ka mariho izay fiovana eo amin’ny vatany na ny sainy.

Mandraisa andraikitra nefa aza misalovana ny asan’ny hafa

Hajao sy ankasitraho ny mpitsabo. Miasa mafy ireny mpiasan’ny hopitaly ireny. Izay tianao hataon’izy ireo aminao àry atao aminy. (Matio 7:12) Hajao izy ireo noho ny fiofanana azony sy ny traikefa ananany. Mila matoky ny fahaizany sy mankasitraka ny ezaka ataony ianao. Handrisika azy ireo hanao izay fara heriny izany.

Tsy azo ialana ny aretina. Ho afaka hanampy ny namanao na ny havanao hiatrika an’izany anefa ianao, raha misaintsaina mialoha an’izay tokony hatao sady manome fanampiana.—Ohabolana 17:17.

^ feh. 8 Miovaova arakaraka ny tany ny zon’ny marary sy ny zavatra tokony hataony. Ataovy azo antoka hoe feno tsara sy tsy lany andro ny taratasy misy ny fanirian’ilay marary.