Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Mahaiza Mifehy Tena Rehefa Tezitra

Mahaiza Mifehy Tena Rehefa Tezitra

OLANA

“Novazavazaiko ny zokiko, sady natosiko ny varavarana ka nidona be tamin’ny rindrina. Isaky ny mahita ny dian’ilay izy aho, dia tadidiko hoe nanao sain-jaza be aho tamin’iny.”—Dina. *

“Nitabataba be aho hoe: ‘Ianareo koa tena dada tsisy ilana azy!’, dia nakaratoko ny varavarana. Hitako tamin’ny tarehiny anefa hoe nalahelo izy. Nanenina be aho! Raha azoko nofafana iny teniko iny, dia nofafako.”—Sambatra.

Efa nanao hoatran’i Dina sy Sambatra ve ianao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity.

TSARA HO FANTATRAO

Lasa malaza ratsy ianao raha mora tezitra. Hoy i Naly, 21 taona: “Nieritreritra aho taloha fa tokony hanaiky fotsiny ny olona hoe hoatr’izany aho rehefa tezitra. Hitako anefa fa hoatran’ny adala ny fahitan’ny olona anao rehefa tsy voafehinao ny hatezeranao. Dia tonga saina aho hoe hay izany koa ny fiheveran’ny olona ahy!”

Hoy ny Baiboly: “Hanao zavatra amin-kadalana ny olona mora tezitra.”—Ohabolana 14:17.

Handosiran’ny olona, hoatran’ny volkano mipoaka, ianao raha tsy mahafehy tena rehefa tezitra

Handosiran’ny olona ianao raha mora misafoaka. Hoy i Riana, 18 taona: “Raha tezitra ianao ka tsy mahafehy tena, dia lasa tsy hajain’ny olona.” Hoy i Diary, 18 taona koa: “Tsy hanatona anao mihitsy ny olona raha mora tezitra ianao. Vao mainka aza ianao hatahoran’ny olona.”

Hoy ny Baiboly: “Aza minamana amin’ny olona mora tezitra, ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka.”—Ohabolana 22:24.

Afaka miova ianao. Hoy i Tsiky, 15 taona: “Tsy miankina aminao indraindray ny zava-mitranga, ka mety ho tezitra ianao. Miankina aminao kosa anefa raha hifehy ny fahatezeranao ianao na tsia. Tsy voatery hoe hisafoaka be ianao.”

Hoy ny Baiboly: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.”—Ohabolana 16:32.

INONA NO AZONAO ATAO?

Ataovy tanjona ilay izy. Aza miteny hoe: “Ka izaho efa izany mihitsy.” Miezaha kosa hiova, ohatra hoe ao anatin’ny enim-bolana. Soraty izay mitranga ao anatin’izay fotoana izay. Isaky ny tezitra be ianao, dia soraty hoe: 1) Inona no nitranga?, 2) inona no nataonao?, 3) inona no heverinao fa tsara kokoa raha nataonao, ary nahoana? Miezaha hampihatra an’io hevitra fahatelo io, rehefa tezitra ianao amin’ny manaraka. Diniho koa ny ezaka efa vitanao. Isaky ny nahavita nifehy tena ianao dia soraty izay tsapanao, ohatra hoe faly na afa-po.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:8.

Aza tonga dia mamaly. Rehefa misy olona na zavatra mahatezitra anao, dia aza tenenina avy hatrany izay tonga ao an-tsainao. Miandrasa kely aloha. Tsara koa indraindray ny misento lalina. Hoy i Tojo, 15 taona: “Manam-potoana kely hieritreretana aho, rehefa mba misento kely aloha. Amin’izay aho tsy mahateny na mahavita zavatra hanenenako.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 21:23.

Miezaha halala-tsaina. Tsy azonao indraindray ny tena zava-misy, satria izay zavatra mahatezitra anao ihany no hitanao. Diniho koa àry hoe inona no mety ho nahatonga an’ilay olona hiteny, na hanao zavatra nahatezitra anao. Hoy i Baliaka: “Na dia hoatran’ny masiaka na ratsy fanahy be aza ny olona sasany, dia matetika no misy antony ao. Ka raha fantatrao izay antony izay, dia mety tsy ho tezitra be aminy ianao.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 19:11.

Aleo miala kely, raha ilaina. Milaza ny Baiboly hoe: “Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.” (Ohabolana 17:14) Aleo àry aloha mandeha, raha tsapanao hoe miakatra ny hatezeranao. Manaova zavatra manarinary dia, fa aza mieritreritra an’ilay izy intsony sao vao mainka ianao tezitra be. Hoy i Rebeka: “Tsapako hoe tonitony aho rehefa manao spaoro kely, ka voafehiko ny hatezerako.”

Miezaha hanadino an’ilay izy fotsiny. “Tezera fa aza manota”, hoy ny Baiboly, ary ‘tazòny ao am-ponao ihany ny teninao, ka aoka ianao hangina.’ (Salamo 4:4) Tsy diso àry ianao raha tezitra. Izay hataonao aorian’izay no zava-dehibe. Hoy i Sanda: “Raha avelanao hampisafoaka anao ny zavatra ataon’ny olona, dia ry zareo no avelanao hibaiko anao. Maninona anefa raha hadinoina any fotsiny ilay izy e? Matotra kokoa ianao raha manao an’izany.” Ho voafehinao ny hatezeranao amin’izay, fa tsy ianao indray no feheziny.

^ feh. 4 Novana ny anarana sasany.