Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Internet: Ampitandremo ny Zanakao

Internet: Ampitandremo ny Zanakao

OLANA

Hitanao amin’ny vaovao fa feno mpametaveta sy mpisandoka ary mpanaratsy olona ao amin’ny Internet. Matahotra àry ianao sao ho tratran’izany ny zanakao. Izy mantsy mijery Internet foana, nefa hoatran’ny tsy fantany akory hoe mety hampidi-doza ilay izy.

Azonao arovana amin’izany ny zanakao. Misy zavatra mila fantatrao anefa aloha momba ny Internet.

FANTARO IZAO

Efa misy Internet izao ny telefaonina. Toy izany koa ny fitaovana elektronika toy ny tablette. Afaka mijery Internet foana àry ny tanora. Tsara aloha raha atao amin’ny toerana mora tazana ny ordinatera ao an-trano, mba ho hitanao izay jeren’ny zanakao. Tadidio anefa fa tsy ho arakao intsony izay ataony, raha telefaonina no ampiasainy.

Ny zanakao ve dia tsy havelanao hitondra fiara mihitsy, satria hoe nahita fiara nidona tamin’ny tamboho ianao? Toy izany koa ny Internet. Mila mitandrina tsara fotsiny izy

Misy tanora variana mijery Internet ela loatra. Hoy ny ankizivavy iray, 19 taona: “Saika hijery e-mail vetivety fotsiny aho, nefa avy eo nilaozako nijery video ela be teo indray. Mila mifehy tena mihitsy aho.”

Mety tsy hitandrina ny tanora mampiasa Internet. Miresaka zavatra na mandefa sary tsy tokony haparitaka, ohatra, izy. Mety hisy olon-dratsy anefa hanangona an’ireny. Lasa fantany avy eo hoe aiza ilay ankizy no mipetraka na mianatra, na rahoviana no tsy misy olona ao an-trano.

Tsy hain’ny tanora sasany hoe mety hisy vokany be izay ataony. Ny zavatra ampidirina ao amin’ny Internet mantsy, dia tavela ao foana. Ahoana, ohatra, raha nisy tanora niresaka na nampiditra sary hafahafa tao? Raha mitady asa izy, ka te hahalala ny mombamomba azy ilay mpampiasa, dia afaka mikaroka ao amin’ny Internet.

Na eo aza izany rehetra izany, dia tadidio fa tsy ny Internet akory no ratsy. Mila mailo tsara fotsiny izay mampiasa azy.

INONA NO AZONAO ATAO?

Ampianaro handamina fotoana ny zanakao. Raha tiana ho matotra izy, dia mila ampianarina hoe izay zava-dehibe no atao voalohany. Zava-dehibe kokoa noho ny Internet, ohatra, ny devoara sy ny raharaha ary ny miresaka amin’ny ao an-trano. Fero ny fotoana lanin’ny zanakao amin’ny Internet, raha hitanao hoe be loatra. Asio famantaranandro mihitsy eo akaikiny raha ilaina!—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 1:10.

Ampianaro izy handinika tsara an’izay hataony. Alohan’ny hanoratany na handefasany sary ao amin’ny Internet, dia asaivo mieritreritra izy hoe: Mety hahatezitra olona ve io? Sao dia halaza ratsy aho? Ho menatra ve aho raha hitan’i Dada sy Neny na olon-dehibe hafa io? Inona no hoeritreretiny momba ahy? Raha olon-kafa no nampiditra an’io, dia ahoana no hiheverako azy?—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 10:23.

Ampianaro izy hahay hanavaka ny tsara sy ratsy. Ianao aloha tsy hahavita hanara-maso azy foana. Tsy ny hibaiko azy koa no tadiavinao, fa ny hampianatra azy hampiasa ny sainy mba hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14) Ampio àry izy hampiasa ny feon’ny fieritreretany, fa tsy hatahotra ny ho bedy fotsiny. Tokony ho tsapany hoe tsy mety ilay izy, fa tsy hoe tsy avelanao hatao fotsiny. Anontanio, ohatra, izy hoe te ho tsara laza ve izy? Olona hoatran’ny ahoana no tiany hahafantarana azy? Ampianaro izy hanao safidy tsara, na dia tsy eo imasonao aza.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 3:21.

“Tena mahay ny ankizy raha resaka teknolojia, fa ny ray aman-dreny no tena mahay raha resaka fiainana.”

Tsy hoe mahay mitondra fiara fotsiny ny mpamily mahay, fa tsara toetra sy malina. Hoatr’izany koa amin’ny Internet. Mila torohevitra avy aminao àry ny zanakao. Hoy i Parry Aftab, mpikaroka: “Tena mahay ny ankizy raha resaka teknolojia, fa ny ray aman-dreny no tena mahay raha resaka fiainana.”