Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA: MIVIDY ZAVATRA BE LOATRA VE IANAO?

Nahoana Isika no Mividy Zavatra?

Nahoana Isika no Mividy Zavatra?

Nisy fanadihadiana iray natao eran-tany ary navoaka tamin’ny 2012 ny vokany. Ny antsasak’ireo naneho ny heviny no niaiky fa nividy zavatra tsy tena nilainy akory izy ireo. Ny roa ampahatelony no manahy hoe mividy zavatra be loatra ny olona. Ara-dalàna raha manahy izy ireo, satria mitombo foana ny trosan’ny olona maro ka tsy voaloany. Milaza ny mpikaroka hoe tsy mahafa-po ny mividy zavatra be dia be, fa vao mainka mampiady saina sy mahakivy. Nahoana àry no misy mividy zavatra be dia be?

MAMPIRISIKA antsika hividy foana ny mpanao dokam-barotra. Inona no tanjon’izy ireo? Mba hiheverantsika hoe ilaintsika ny zavatra tiantsika. Fantatr’izy ireo fa matetika ny mpividy no entanin’ny fihetseham-po. Natao mampientanentana be àry ny dokam-barotra sy ny fiantsenana.

Hoy ny boky Nahoana ny Olona no Mividy Zavatra Tsy Ilainy? (anglisy): “Matetika ny mpividy no efa manonofinofy mitady an’ilay entana tiany hovidina sy mahita izany ary mahazo azy.” Mino ny manam-pahaizana fa mety hientanentana be ny mpividy rehefa miantsena, ka mitombo ilay hormonina manaitaitra ao amin’ny vatany. Hoy i Jim Pooler, manam-pahaizana momba ny varotra: “Mety hohararaotin’ny mpivarotra izany raha tsikariny, satria mora resena lahatra ny mpividy rehefa mientanentana be.”

Inona no azonao atao mba tsy hofetsifetsen’ny mpanao dokam-barotra? Fehezo ny fihetseham-po ary ampitahao amin’ny zava-misy ny fampanantenan’izy ireo.

FAMPANANTENANA: “Hihatsara ny fiainanao”

Ara-dalàna raha tianao hihatsara ny fiainanao. Ataon’ny mpanao dokam-barotra izay hiheverantsika hoe raha mividy ny entana tena mety isika dia hahazo izay rehetra irintsika: Ho salama kokoa isika, hilamin-tsaina, ary hifandray kokoa amin’ny hafa.

ZAVA-MISY:

Mety hiharatsy ny fiainantsika rehefa mihabetsaka ny fananantsika. Mitombo mantsy ny fotoana sy vola ilaina rehefa mitombo ny fananana mila karakaraina. Voatery mitrosa àry isika ka vao mainka miady saina. Mihena koa ny fotoana iarahana amin’ny fianakaviana sy ny namana.

Toro lalana: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”Lioka 12:15.

FAMPANANTENANA: “Hisondrotra ny fari-piainanao”

Vitsy no hiaiky hoe te hanaitra ny hafa izy matoa mividy zavatra. Hoy anefa i Jim Pooler: “Misy toetra iray miharihary rehefa miantsena ny olona: Mifaninana amin’ny namany, ny mpiara-monina aminy, ny mpiara-miasa aminy, ary ny havany izy.” Olona tafita sy manankarena àry matetika no asehon’ny mpanao dokam-barotra hoe mampiasa an’ilay entana tiany hamidy. Izao no hafatra tiany hampitaina: “Afaka ny hitovy amin’io olona io ianao!”

ZAVA-MISY:

Tsy ho afa-po mihitsy isika raha mampitaha tena amin’ny hafa. Rehefa azontsika mantsy izay tadiavintsika, dia misy zavatra tsara noho iny indray tiantsika ho azo.

Toro lalana: “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany.”Mpitoriteny 5:10.

FAMPANANTENANA: “Hiavaka ianao”

Hoy ny boky Zavatra Mamiratra (anglisy): “Ny fananantsika matetika no hampahafantarantsika ny olona hoe iza isika (na te ho hoatran’iza isika).” Fantatry ny mpanao dokam-barotra izany ka ataony izay hiheverantsika fa hitovy amin’ny fiainan’ny olona iray ny fiainantsika raha mividy zavatra misy marika toy ny azy isika, indrindra raha zavatra lafo vidy.

Ahoana no fahitanao ny tenanao sy tianao hahalalan’ny olona anao? Mpanara-damaody ve? Sa mpanao spaoro? Lazain’ny mpanao dokam-barotra fa ho toa an’ilay olona tianao hitovizana ianao raha mividy zavatra misy marika toy ny azy.

ZAVA-MISY:

Tsy ny mividy zavatra no hanova ny maha isika antsika na hanampy antsika hanana toetra tsara, toy ny fanaovana ny marina sy ny tsy fivadihana.

Toro lalana: “Aoka ny haingonareo tsy ho ... firava-bolamena na akanjo ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po.”1 Petera 3:3, 4.