Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaovana ampiasain’ny tafika: Anton Petrus/Moment via Getty Images; vola: Wara1982/iStock via Getty Images Plus

MIAMBENA FOANA!

Vola An-tapitrisa Tapitrisa no Lany Amin’ny Ady, Nefa Inona no Vokany?

Vola An-tapitrisa Tapitrisa no Lany Amin’ny Ady, Nefa Inona no Vokany?

 Vola be no lany amin’ny ady.

  •   “Nandany vola 2,2 tapitrisa tapitrisa dolara ny fanjakana maneran-tany tamin’ny herintaona, mba hampiasaina tamin’ny ady. Io no vola betsaka indrindra lany tamin’ny ady hatramin’izay.”​—The Washington Post, 13 Febroary 2024.

 Tsy vola fotsiny anefa no lany rehefa misy ady. Eritrereto, ohatra, ilay ady any Ukraine.

  •   Miaramila. Misy manam-pahaizana milaza fa efa ho 500 000 ny isan’ny miaramila maty na naratra, hatramin’izay roa taona nisian’ilay ady izay.

  •   Sivily. Milaza ny Firenena Mikambana fa sivily maherin’ny 28 000 no maty na naratra. Hoy anefa ny manam-pahefana ambony iray ao amin’ny ONU: “Tsy ho fantatra mihitsy hoe fiainan’olona firy no potika vokatr’io ady mandravarava io.” a

 Be loatra ny olona mijaly vokatry ny ady mitranga eran-tany.

  •   114 tapitrisa ny isan’ny olona nafindra toerana vokatry ny ady sy ny herisetra maneran-tany, araka ny tatitra nivoaka tamin’ny Septambra 2023.

  •   783 tapitrisa ny isan’ny olona tratran’ny mosary. “Mbola ny ady no tena mahatonga mosary. Any amin’ny toerana misy ady sy herisetra no mipetraka ny 70 isan-jaton’ny olona tratran’ny mosary.”​—World Food Programme.

 Tsy hisy ady intsony ve indray andro any? Afaka manantena ve isika fa mbola hiadana ny olona rehetra? Tsy hisy intsony ve ny mahantra indray andro any, ary ho samy afaka hankafy ny vokatry ny tany ny olona sady ho ampy sakafo? Inona no lazain’ny Baiboly?

Hisy ady

 Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa hisy ady maneran-tany. Oharina amin’ny mpitaingin-tsoavaly ilay izy.

  •   “Nisy soavaly hafa koa nivoaka, dia soavaly mena hoatran’ny afo. Nomena sabatra lehibe ilay nitaingina azy, ka navela hanala ny fandriampahalemana eto an-tany, amin’izay hifandripaka ny olona.”​—Apokalypsy 6:4.

 Misy mpitaingin-tsoavaly roa hafa koa aorian’io mpitaingin-tsoavaly io. Mifanitsy amin’ny mosary eran-tany sy ny fahafatesana vokatry ny aretina na zavatra hafa ireo mpitaingin-tsoavaly roa ireo. (Apokalypsy 6:5-8) Te hahafantatra bebe kokoa momba an’io faminanian’ny Baiboly io ve ianao? Nahoana isika no mahazo antoka fa tanteraka amin’izao androntsika izao izy io? Vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?

Mbola hiadana ny olona

 Tsy hampiasaina amin’ny ady intsony ny harena, ao aoriana kely ao. Tsy hoe ny olombelona anefa no hahavita an’izany. Hoy ny Baiboly:

  •   ‘Ataon’Andriamanitra tsy misy ady intsony eran-tany.’​—Salamo 46:9.

  •   Hofoanan’Andriamanitra ny voka-dratsin’ny ady. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”​—Apokalypsy 21:4.

  •   Manome toky Andriamanitra fa hiadana ny olona rehetra. “Hipetraka ao amin’ny toerana anjakan’ny fiadanana ny vahoakako, ao amin’ny toerana tsy misy mampatahotra sady milamina.”​—Isaia 32:18.

 Milaza ny faminanian’ny Baiboly hoe ny ady sy ny zava-misy eran-tany amin’izao no mampiseho fa efa tena kely sisa dia hiadana ny olona rehetra.

 Inona no hataon’Andriamanitra mba hisian’izany fiadanana eran-tany izany? Hampiasa fitondram-panjakana iray any an-danitra izy. Io ilay antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:10) Raha tianao ho fantatra ny momba an’io Fanjakana io, ary hoe inona no hataon’izy io ho anao, dia jereo ilay video fohy hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

a Miroslav Jenca, mpanampy ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana any Eoropa, 6 Desambra 2023.