Hijery ny anatiny

22 SEPTAMBRA 2015
KANADA

Nankasitraka ny Asa Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Manam-pahefana any Amin’ny Faritra Avaratr’i Kanada

Nankasitraka ny Asa Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Manam-pahefana any Amin’ny Faritra Avaratr’i Kanada

TORONTO—Nisy ezaka manokana nalamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada, mba hampianarana Baiboly an’ireo olona mipetraka any amin’ny faritra mitokana be. Tamin’ny Septambra sy Oktobra 2014 no natao ilay izy, ary Vavolombelon’i Jehovah 150 teo ho eo no nandray anjara tamin’izany. Faritra 35 any Kanada no nasaina notsidihin’izy ireo.

Maherin’ny 32000 ny Inuit mipetraka any amin’ireo faritra 35 notsidihin’ny Vavolombelona (ireo misy marika mavomavo). Natao tany amin’ny Faritany Avaratrandrefana sy tany Nunavut ary tany Québec (maitsomaitso) ilay ezaka manokana.

Nozarazaraina ho andiany vitsivitsy ireo Vavolombelona, ka nitsidika tanàna lehibe sy tanàna kely. Tonga hatrany Aklavik, any amin’ny Faritany Avaratrandrefana, sy tany Kangiqsualujjuaq, any andrefana, ary tany Québec, any atsinanana, izy ireo. Maherin’ny 3300 kilaometatra ny elanelan’ireo faritra ireo. Nianto-tena ireo Vavolombelona nandray anjara tamin’io ezaka manokana io. Nisy aza nahafoy vola an-tapitrisany maro, mba handoavana ny saran-dalana handehanana fiaramanidina.

Anisan’ny tanàna notsidihin’ireo Vavolombelona i Paulatuk. Misy mponina 300 eo ho eo any, ary eo amoron’ny Ranomasina Beaufort, any amin’ny faritra avaratry ny Faritany Avaratrandrefana, no misy azy io.

Neken’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny handikana an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? amin’ny fiteny inuktitut, talohan’ny nanaovana an’io ezaka manokana io. Olona 35000 eo ho eo any Kanada no mampiasa an’io fitenin’ny Inuit io. Izy io koa no fiteny ofisialy any Nunavut sy any amin’ny Faritany Avaratrandrefana.

Hoy Rtoa Velma Illasiak, talen’ny sekoly iray any Aklavik, momba an’ilay ezaka manokana nataon’ny Vavolombelona: “Tena tian’ireo mpianatra ny zavatra nasehonareo, sady tsy hadinony. ... Mieritreritra izahay hoe hanafatra an’ilay boky voalohany sy faharoa amin’ilay hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, ho an’ny ankizy tsirairay mianatra ato aminay. ... Misaotra anareo nahafoy fotoana nankatỳ aminay.”

Niresaka tamin’ireo Vavolombelona Atoa Peter Iyaituk, ben’ny tanàna any Ivujivik, any amin’ny faritra avaratr’i Québec. Nijery an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? koa izy. Nentiny tamin’ny fiarany nitsidika an’ilay tanàna ireo Vavolombelona taorian’izay, nandritra ny adiny roa. Nateriny tany amin’ny seranam-piaramanidina koa izy ireo rehefa hody, ary nisaotra azy ireo izy.

David Creamore, nampiseho an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? tamin’i Atoa Peter Iyaituk, ben’ny tanàn’i Ivujivik.

Hoy i Matthieu Rozon, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada: “Mahafinaritra anay Vavolombelon’i Jehovah ny mampianatra Baiboly maimaim-poana ny olona. Nahatsapa ireo nandray anjara tamin’iny ezaka manokana iny fa tsy very maina ny fotoana sy ny ezaka nataon’izy ireo.”

Nizara boky 37000 mahery ireo Vavolombelona, nandritra an’ilay roa volana nanaovana an’ilay ezaka manokana. Efa ho 600 koa ny olona te hanohy hianatra Baiboly, ka nangataka azy ireo hiverina indray amin’ny manaraka.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Kanada: Matthieu Rozon, tel. +905 873 4100

 

Seranam-piaramanidin’i Kuujjuarapik, any Québec

Vavolombelona vitsivitsy tonga tany Kuujjuarapik, any amin’ny faritra atsinanan’ny Helodranomasina Hudson.

Salluit, any Québec

Any amin’ny faritra avaratr’i Québec no misy ny tanànan’i Salluit, ary misy mponina 1300 mahery any.

Ivujivik, any Québec

Any amin’ny faritra avaratr’i Québec no misy ny tanànan’i Ivujivik, ary misy mponina 400 latsaka kely any.

Ivujivik, any Québec

David Creamore, nentin’i Peter Iyaituk, ben’ny tanàn’i Ivujivik, nitsidika an’ilay tanàna.

Ivujivik, any Québec

Ankizivavy inuit, mijery an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?

Paulatuk, any amin’ny Faritany Avaratrandrefana

Eo amoron’ny Ranomasina Beaufort no misy ny tanànan’i Paulatuk, ary 300 eo ho eo ny olona mipetraka any.

Umiujaq, any Québec

Mpivady inuit, nampandroso an’i Julien Pinard tao an-tranony mba hampianatra Baiboly azy ireo. Misy 450 latsaka kely ny olona mipetraka ao amin’io tanàna io.

Umiujaq, any amin’ny faritra avaratr’i Québec

Mponina any Umiujaq, naka sary niaraka tamin’i Roxanne Pinard (ankavanana), iray tamin’ireo Vavolombelona nandeha tany.

Puvirnituq, any Québec

Tanàna kely any amin’ny faritra avaratr’i Québec, ary 1700 eo ho eo ny olona mipetraka any.