Hijery ny anatiny

Fanazavana Momba ny Fitsaboana

Misy loharanon-kevitra sy fanazavana azon’ny mpitsabo alaina ireo ambany ireo, mba hanamorana ny fitsaboana an’ireo marary Vavolombelon’i Jehovah.

 

Support for Jehovah’s Witnesses

Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eo Anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nanangana komity mifandray maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny dokotera sy ny toeram-pitsaboana mitsabo Vavolombelona. Inona avy no azon’izy ireo atao?

Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Zavatra Rehetra Mifandray Amin’ny Fitsaboana

Fintinina ao hoe ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsaboana, ny fampiasana ny rany, ary ny fampiasana ny zavatra azo avy amin’ny taharo fototry ny ra.

Fanazavana Momba ny Fitsaboana Miorina Amin’ny Porofo

Topimaso ny zavatra maimaim-poana hita ato amin’ity tranonkala ity. Tafiditra amin’izany ny rakitra misy fanazavana ho an’ny sampam-pitsaboana sy sampam-pandidiana isan-karazany. Ao koa ny hoe ahoana no atao raha hangataka solontena mahay eo an-toerana mba hanao famelabelarana maimaim-poana.

Clinical Strategies

Teknika Fitsaboana Tsy Misy Fampidiran-dra

Misy teknika maromaro azo ampiharina tsara amin’ny marary hodidiana mba tsy hampidiran-dra izy. Tafiditra amin’izany ny dingana arahina aloha sy mandritra ary aorian’ny fandidiana.

Teknika Fitsaboana Tsy Misy Fampidiran-dra: Vehivavy Marary sy Bevohoka

Hitanao ao ny famintinana ny teknika fitsaboana tsy misy fampidiran-dra amin’ny vehivavy bevohoka na manana aretim-behivavy. Azo ampiasaina ny fanazavana ao mba hisorohana ny fahaverezan-dra be aorian’ny fiterahana sy hiomanana amin’izay tokony hatao raha mitranga izany. Misy rohy mankany amin’ny loharanon-kevitra an-jatony koa ao.

Teknika Fitsaboana Marary Mila Fandidiana Nefa Tsy Hilana Fampidiran-dra

Hitanao ao ny teknika maro azo ampiasaina mba ho betsaka araka izay azo atao ny ra ao amin’ny marary mila fandidiana ka tsy mila ampidirana ran’olon-kafa izy. Azonao jerena ny tenin’ny dokotera maro mifandray amin’izany. Misy rohy mankany amin’ny loharanon-kevitra 500 mahery koa ao.

Teknika Fitsaboana Tsy Misy Fampidiran-dra Raha Manao Hemôrazia Be ny Vavony na Tsinay

Hitanao ao ny fanazavana voafaritra tsara momba ny teknika fitsaboana tsy misy fampidiran-dra raha mandeha ra be ny lalan-kanina, na vavony, na tsinay. Misy rohy mankany amin’ny loharanon-kevitra azo antoka 500 mahery koa ao.

Teknika Fitsaboana Olona Marary Mafy Nefa Tsy Misy Fampidiran-dra

Hitanao ao ny tenin’ny dokotera za-draharaha momba ny fikarakarana marary mafy, sy ny teknika fitsaboana olona marary mafy nefa tsy mampiasa fampidiran-dra. Misy rohy mankany amin’ny loharanon-kevitra 500 mahery koa ao.