Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?

Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?
  •   Ianao tsy dia tia manomana be rehefa hanao zavatra. Ny vadinao anefa tsy hoatr’izany fa tiany raha mipetrapetraka tsara daholo ny zava-drehetra.

  •   Ianao tsy dia be resaka sady mimpirimpirina. Ny vadinao indray maresaka be sady tia mifandray aman’olona.

 Misy toetran’ny vadinao tsy azoazonao ve? Mety ho rava ny tokantranonareo, raha ilay izy foana no eritreretinao. Milaza ny Baiboly fa ‘hisaraka ny tena mpinamana’, raha mamerimberina miresaka ny fahadisoan’ny andaniny ny ankilany.​—Ohabolana 17:9.

 Aza atao mampiady anareo àry ny toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao. Jereo ange fa misy mahatsara azy ihany ilay toetrany e!

Hojerentsika hoe:

 Misy mahatsara azy ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao

 Mety ho ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao no itiavanao azy. Ahoana izany? Diniho ny tenin’ireto olona manambady ireto:

 “Mahasorena be ahy ny vadiko indraindray, satria ela be izy matetika vao mahavita zavatra. Ela be izy vao tafaomana rehefa misy halehanay. Izany koa anefa no itiavako azy, satria manam-paharetana be izy, indrindra fa amiko.”​—Chelsea.

 “Tena tia mandamina mialoha ny vadiko, na hatramin’ny zavatra madinika aza. Tsy milamina ny sainy raha tsy efa mipetrapetraka daholo ny zava-drehetra. Mahakamo be ilay izy indraindray, nefa tiako ihany satria efa vonona foana izy na inona na inona mitranga.”​—Christopher.

 “Hoatran’ny hoe tsy mivaky loha izany mihitsy ny vadiko indraindray, dia mahasosotra. Tiako koa anefa ilay izy hoe tsy taitaitra. Anisan’ny nitiavako azy aza izany tamin’ny voalohany. Tony foana izy na dia misy zavatra mampitaintaina aza.”​—Danielle.

 Marina ny tenin’i Chelsea sy Christopher ary Danielle. Iny toetran’ny vadinao eritreretinao hoe ratsy iny matetika ilay toetra tsarany. Mitovy amin’ny akanjo iray tianao ilay toetran’ny vadinao. Tsy maintsy misy lafy ratsiny sy lafy tsarany ilay izy. Tsy arianao ilay akanjo satria fotsiny hoe misy lafy ratsiny. Tsy mety koa àry raha hoe tianao hiova ny vadinao, satria tsy hanana an’ilay toetra tsarany intsony izy raha izany.

 Misy toetra sasany aloha tsy misy mahatsara azy mihitsy e! Milaza izao ny Baiboly hoe misy olona “mora tezitra.” (Ohabolana 29:22) Tsy maintsy miezaka be ny olona hoatr’izany mba hiova, ka hanala “ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.” a​—Efesianina 4:31.

 Raha tsy toetra ratsy anefa ilay an’ny vadinao fa tsy azoazonao fotsiny, dia araho ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Mahaiza foana mifampizaka ..., raha misy manana antony hitarainana.”​—Kolosianina 3:13.

 Miezaha koa handinika hoe inona no mahatsara an’ilay toetran’ny vadinao. Mety hoe iny toetrany iny mihitsy ilay nitiavanao azy tamin’ny voalohany. Izao no nolazain’i Joseph, lehilahy iray efa manambady: “Raha mifantoka be amin’ny toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao ianao, dia mitovy amin’ny olona manana diamondra tsara tarehy, nefa ilay sisiny maranitra no ifantohany fa tsy ilay izy mamirapiratra.”

 Azo iarahana midinika

 Voalohany, samy afaka mieritreritra an’ireto fanontaniana ireto mitokana ianareo mivady. Iaraho midinika ny valiny avy eo.

  •   Misy toetran’ny vadinao mampiady anareo matetika ve? Inona ilay izy?

  •   Tena ratsy ve ilay toetrany, sa hoe tsy azoazonao fotsiny?

  •   Sao dia misy mahatsara an’ilay toetrany ihany? Inona, ohatra, no mahatsara an’ilay toetrany, dia inona no tena itiavanao an’ilay izy?