Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Inona no Vokany eo Amin’ny Ankizy Rehefa Misaraka ny Ray Aman-dreniny?

Inona no Vokany eo Amin’ny Ankizy Rehefa Misaraka ny Ray Aman-dreniny?

 Misy mpivady tsy mahavita mifanara-tsaina mihitsy, dia mieritreritra hoe aleo misaraka. Izay mantsy, hono, no hahasoa ny zanany noho ny hoe miaritra ny adin’izy mivady eo foana. Marina ve izany?

 Inona no vokany eo amin’ny ankizy rehefa misaraka ny ray aman-dreniny?

 Misy vokany ratsy be amin’ny ankizy ilay izy. Hitan’ny mpikaroka hoe matetika ilay ankizy no lasa:

  •   mora tezitra, mora miady saina, ary mora kivy be sady mety ho lasa aretina mihitsy ilay izy

  •   ratsy toetra

  •   tsy mahay na inona na inona any am-pianarana na tsy mianatra intsony

  •   mora marary

 Be dia be koa ny ankizy lasa mieritreritra hoe izy no nahatonga ny ray aman-dreniny hisaraka, na mieritreritra hoe tokony ho nataony izay tsy hampisaraka an-dry zareo.

 Mety mbola hisy vokany amin’ilay ankizy aza ilay izy rehefa lasa olon-dehibe izy. Mety hieritreritra, ohatra, izy hoe tsy misy ilana azy. Mety tsy hatoky olona koa izy. Vao misy olana koa ny tokantranony, dia matetika izy no te hisaraka.

 Tadidio izao: Tsy marina ny hoe mahasoa ny ankizy raha misaraka ny ray aman-dreniny, na dia misy mieritreritra an’izany aza. Hoy i Penelope Leach, manam-pahaizana momba ny fitaizana ankizy: “Mijaly be ny ankizy rehefa misaraka ny ray aman-dreniny.” a

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

 Ho sambatra kokoa ve ny zanakareo raha misaraka ianareo mivady?

 Mety hisy hiteny hoe ho sambatra kokoa ny zanany raha misaraka izy mivady. Tadidio anefa fa tsy mitovy ny zavatra tsapan’ny ray aman-dreny sy ny zavatra tsapan’ny zanany. Fiainana vaovao no tadiavin’ny olona te hisaraka amin’ny vadiny. Ny ankizy indray anefa tsy izay no tiany fa hoe mba miaraka foana izy sy Dada sy Neny.

 Nandinika olona an’arivony efa nisaraka tamin’ny vadiny ny mpanoratra an’ilay boky hoe The Unexpected Legacy of Divorce. Izao avy eo no nosoratan-dry zareo momba ny fiainan’ny zanak’ireny olona ireny: “Izao no zava-misy: Tsy mbola nisy ankizy niteny mihitsy hoe lasa sambatra kokoa izy rehefa nisaraka ny ray aman-dreniny. Tsy misalasala aza ry zareo miteny hoe: ‘Tsy mba nisy nihantahantako intsony rehefa nisaraka i Dada sy Neny. Tsy mba mahafinaritra hoatran’ny taloha intsony ny fiainako.’” Milaza koa ilay boky fa ‘lasa matahotra ilay ankizy hoe ho simba ny hoaviny satria na ny tokantranon’ny ray aman-dreniny aza rava, nefa tsy noeritreretiny hoe hiafara hoatr’izany mihitsy.’

 Tadidio izao: Matetika no tsy sambatra ny ankizy rehefa misaraka ny ray aman-dreniny.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.”—Ohabolana 24:10.

 Mety ho sahirana ve ianareo raha mbola miara-mitaiza ny zanakareo ihany, nefa efa nisaraka?

 Efa misaraka ny ray aman-dreny sasany, nefa mbola miezaka hiara-mitaiza ny zanany hoatran’ny mpivady ihany. Mieritreritra mantsy ry zareo hoe mbola hahavita tsara an’izany. Sarotra be anefa ilay izy. Hitan’ny mpikaroka hoe matetika ny ray aman-dreny nisaraka no:

  •   tsy dia miaraka amin’ny zanany intsony

  •   tsy mitovy hevitra, dia lasa tsy mitovy ny zavatra ampianariny ny zanany

  •   tsy mahateny ny zanany satria manamelo-tena na reraka loatra, dia lasa manao izay tiany fotsiny ilay ankizy

 Rehefa misaraka koa ny ray aman-dreny, dia matetika ny zanany no lasa tsy te hanaraka ny tenin-dry zareo intsony. Mieritreritra mantsy ilay ankizy hoe ny ray aman-dreniny aza tsy nitana ny teny nataony akory, anisan’izany ilay hoe hiaraka foana mandrakizay, dia maninona moa izy no tokony hihaino an-dry zareo. Mety hiteny izy hoe: ‘Iza koa no hihaino an’ireo?’

 Tadidio izao: Matetika no sarotra ilay hoe miara-mitaiza zanaka nefa efa nisaraka. Ilay ankizy anefa no tena mijaly amin’ilay izy.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

 Ny misaraka ve no vahaolana?

 Tsy maintsy hanomboka fiainam-baovao indray ny olona iray raha misaraka. Be dia be ny zavatra mbola tsy maintsy ianarany. Ka tsy aleo ve izay efa eo ihany no hatsaraina toy izay hisaraka? Milaza ilay boky hoe The Case for Marriage fa ‘tsy hoe rehefa misy olana eo amin’ny mpivady, dia hoe tsy hilamina intsony mihitsy ny tokantranony. Lasa mifankatia be ihany ny ankamaroany, rehefa mandeha ny fotoana, satria tsy maika hisaraka.’ Sady tsara kokoa ny hoavin’ny ankizy rehefa tsy misaraka ny ray aman-dreniny.

 Tsy midika akory izany hoe tsy azo atao mihitsy ny misaraka. Milaza ny Baiboly fa mahazo misaraka ny mpivady raha nijangajanga ny iray. (Matio 19:9) Milaza koa anefa izy io hoe ‘ny malina mandinika ny diany.’ (Ohabolana 14:15) Raha nijangajanga ny lehilahy iray na ny vehivavy iray, ka mieritreritra ny hisaraka izy roa, dia samy tokony handinika hoe inona daholo no ho vokany. Ohatra hoe hanao ahoana ny zanany raha misaraka ry zareo.

 Tsy mety koa anefa raha hoe miaritra eo fotsiny izy mivady fa tsy mitady vahaolana. Ao amin’ny Baiboly no misy ny torohevitra tsara indrindra ho an’ny mpivady, raha tiany ho sambatra sy haharitra ny tokantranony. I Jehovah no nampanoratra ny Baiboly, dia tsy mahagaga raha tena tsara ny torohevitra ao. Izy mantsy no namorona ny fanambadiana.—Matio 19:4-6.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17.

a Avy ao amin’ilay boky hoe Your Growing Child—From Babyhood Through Adolescence.