Hijery ny anatiny

Matetika ny Vavolombelona no Mora Sitrana

Matetika ny Vavolombelona no Mora Sitrana

AOSTRALIA: Hoy ny gazety The Sydney Morning Herald, nivoaka tamin’ny 2 Oktobra 2012: “Mora sitrana kokoa noho ny marary hafa ny Vavolombelon’i Jehovah miditra hopitaly, izay tsy manaiky hampidiran-dra noho ny antony ara-pivavahana.”

Nitatitra ny tenin’ny Profesora James Isbister, ao amin’ny Sekoly Fianarana ho Dokotera ao amin’ny Oniversiten’i Sydney, ilay gazety. Hoy ilay gazety: “Nilaza ny Profesora Isbister fa nahazo fitsaboana tsara kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah satria nataon’ny dokotera izay tsy hahavery ra be azy ireo. Vitsy kokoa àry no maty, raha oharina amin’ireo nampidiran-dra nandritra ny fandidiana, ary vetivety kokoa [noho ny an’ireo nampidiran-dra] ny nijanonany tany amin’ny hopitaly sy nikarakarana azy manokana.”

Maro no miombon-kevitra amin’ny Profesora Isbister. Hoy ny gazety Archives of Internal Medicine, nivoaka tamin’ny Aogositra 2012, momba ny Vavolombelona nodidiana fo: “Kely kokoa ny voka-dratsin’ny fandidiana eo amin’ny Vavolombelona ary vetivety kokoa ny fijanonany ao amin’ny hopitaly raha oharina amin’ny marary hafa nampidiran-dra.”