Hijery ny anatiny

Milaza ve ny Baiboly hoe Fisaka ny Tany?

Milaza ve ny Baiboly hoe Fisaka ny Tany?

Valiny ara-baiboly

 Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe fisaka ny tany. a Tsy boky momba ny siansa ny Baiboly, nefa tsy mifanohitra amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa ny zavatra ampianariny. Marina foana izay lazain’ny Baiboly, na rahoviana na rahoviana.​—Salamo 111:8.

 Inona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “vazan-tany efatra”?

 Misy teny hoe “vazan-tany efatra” sy hoe “faran’ny tany” ao amin’ny Baiboly. (Isaia 11:12; Joba 37:3) Midika ve izany hoe efamira ny tany na hoe misy farany? Tsy izany mihitsy. Tsy tokony horaisina ara-bakiteny ireo teny ireo. Sarin-teny ny hoe “vazan-tany efatra” sy hoe “faran’ny tany”, ary midika hoe ny tany manontolo. Izany koa no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “avy any atsinanana sy andrefana ary avaratra sy atsimo.”​—Lioka 13:29.

 Toa avy amin’ny teny hebreo midika hoe “elatra” ilay sarin-teny hoe “vazan-tany” na hoe “faran’ny tany.” Nohazavain’ny The International Standard Bible Encyclopedia b hoe ‘rehefa manarona ny zanany amin’ny elany ny vorona, dia velariny hatramin’ny farany eo ambonin’ny zanany ilay izy. Lasa nilazana ny faran’ny zavatra iray mivelatra àry [ilay teny hebreo hoe ‘elatra’], na zavatra inona io na zavatra inona.’ Resahin’io rakipahalalana io koa fa “midika hoe morony, na sisiny, na faran’ny tany maina” ilay sarin-teny hoe “vazan-tany” na hoe “faran’ny tany” hita ao amin’ny Isaia 11:12 sy Joba 37:3.

 Dia ahoana no nahitan’i Jesosy ny fanjakana rehetra eran-tany, tamin’izy nalain’ny Devoly fanahy?

 Rehefa naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly, dia “nitondra azy nankeo amin’ny tendrombohitra avo dia avo. Nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” (Matio 4:8) Misy miteny hoe matoa hitan’i Jesosy indray miaraka ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia midika izany fa fisaka ny tany. Tsy toerana tena misy anefa ilay hoe “tendrombohitra avo dia avo.” Nahoana isika no miteny an’izany?

  •   Tsy misy an’izany tendrombohitra ahatazanana ny fanjakana rehetra eran-tany izany.

  •   Tsy ny fanjakana rehetra ihany no nasehon’ny Devoly an’i Jesosy fa “ny voninahitr’ireny fanjakana ireny” koa. Tsy ho hita amin’ny an-tsipiriany izany raha notazanina lavitra fotsiny. Mety ho nampiasa karazana fahitana àry ny Devoly teo, hoatran’ny olona mampiasa efijery sy fitaovana fandefasana filma mba hampisehoana sarina toerana samihafa eto an-tany.

  •   Tantarain’ny Lioka 4:5 hoe “indray mipy maso” no nampisehoan’ny Devoly an’i Jesosy ny “fanjakana rehetra manerana ny tany onenana.” Tsy afaka ny hahita ny fanjakana rehetra ao anatin’ny indray mipy maso anefa ny mason’olombelona. Mety ho nampiasa fomba hafa àry ny Devoly teo, rehefa naka fanahy an’i Jesosy.

a Milaza ny Baiboly hoe “mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity” Andriamanitra. (Isaia 40:22) Boribory hoatran’ny baolina angamba no tiana holazaina amin’ilay hoe “boribory”, rehefa jerena ny fanazavana ao amin’ny boky sasany. Misy manam-pahaizana tsy manaiky an’izany anefa. Na ahoana na ahoana, dia tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe fisaka ny tany.

b Revised Edition, Volume 2, page 4.