Hijery ny anatiny

Miresaka Momba ny Fanambadian’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy ve ny Baiboly?

Miresaka Momba ny Fanambadian’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Nametraka fitsipika mifehy ny fanambadiana ny Mpamorona antsika, ela be talohan’ny namoahan’ny fitondram-panjakana lalàna momba izany. Hoy ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Genesisy 2:24) Ny teny hebreo nadika hoe “vadiny” dia “manondro vehivavy”, araka ny Diksioneran’i Vine Manazava Teny Ara-baiboly (anglisy). Nohamafisin’i Jesosy fa “lahy sy vavy” no tokony hiray zioga ao amin’ny fanambadiana.—Matio 19:4.

 Fatorana maharitra sy feno fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy àry ny fanambadiana, araka ny nikasan’Andriamanitra azy. Natao hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka ho afaka hanome fahafaham-po ny faniriana hanao firaisana, sy izay ilain’ny andaniny avy ara-pihetseham-po, ary ho afaka hiteraka.