Hijery ny anatiny

Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?

Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Ie. Tena afaka manampy antsika tsy hanamelo-tena intsony ny Baiboly. (Salamo 32:1-5) Raha nanao fahadisoana isika nefa tena mibebaka avy eo, dia hamela antsika Andriamanitra sady hanampy antsika ho tafarina. (Salamo 86:5) Milaza ny Baiboly fa mety hahasoa ihany indraindray ilay hoe manamelo-tena. Mahatonga antsika hanitsy an’izay tsy mety nataontsika mantsy izany, ary manampy antsika hiezaka mafy mba tsy hamerina ny fahadisoantsika. (Salamo 51:17; Ohabolana 14:9) Manoro hevitra antsika koa anefa ny Baiboly hoe tsy mety ny manamelo-tena be loatra. Mety hieritreritra mantsy isika hoe tsy avotra intsony sady tsy misy dikany amin’Andriamanitra. Mety hahatonga antsika ho “difotry ny alahelo be loatra” izany.—2 Korintianina 2:7.

 Inona avy no mety hahatonga antsika hanamelo-tena?

 Maromaro ny antony mety hahatonga antsika hanamelo-tena. Mety hieritreritra, ohatra, isika hoe nanao zavatra nahatezitra na nampalahelo olona iray tena akaiky antsika, na tsy nahavita nanao ny zavatra tokony ho nataontsika. Mety hanamelo-tena tsy amin’antony koa isika indraindray. Mety hoe nametraka fitsipika hentitra loatra ho an’ny tenantsika, ohatra, isika, ka isaky ny tsy vitantsika ny manaraka an’ilay izy, dia manamelo-tena isika. Milaza anefa ny Baiboly fa tsy tokony ho hentitra loatra amin’ny tenantsika isika.​—Mpitoriteny 7:16.

 Inona no hanampy ahy tsy hanamelo-tena intsony?

 Tsy aleo ve mieritreritra an’izay azonao atao mba hanitsiana an’ilay zavatra tsy nety nataonao, toy izay ho lany andro hanamelo-tena fotsiny eo? Inona avy anefa no azonao atao?

  •   Ekeo hoe diso ianao. Mivavaha amin’i Jehovah a Andriamanitra, dia iangavio izy mba hamela ny fahadisoanao. (Salamo 38:18; Lioka 11:4) Matokia fa tena hihaino anao Andriamanitra raha tena miaiky ny fahadisoanao sy mibebaka aminy ianao, ary miezaka mafy mba tsy hamerina an’ilay izy intsony. (2 Tantara 33:13; Salamo 34:18) Mahita ny ao am-pontsika mantsy izy fa tsy mba hoatran’ny olombelona. Rehefa hitany hoe miezaka tsy manao an’ilay zavatra tsy nety nataontsika taloha isika, dia “tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika.”—1 Jaona 1:9; Ohabolana 28:13.

     Raha nanao zavatra nahatezitra na nampalahelo olona anankiray ianao, dia mila ekenao ny fahadisoanao, sady tokony hiala tsiny aminy ianao. Ataovy vokatry ny fonao ilay fialan-tsiny. Mety tsy ho mora ny manao an’izany satria ilana herim-po sy fanetren-tena. Raha miala tsiny anefa ianao sady vokatry ny fonao ilay izy, dia tena ho maivamaivana ianao, sady hihavana tsara amin’ilay olona indray.—Matio 3:8; 5:23, 24.

  •   Miezaha hisaintsaina andinin-teny miresaka hoe tena mamela heloka Andriamanitra. Anisan’izany izao ny 1 Jaona 3:19, 20. Resahin’io andininy io hoe ‘mety hanameloka antsika ny fontsika,’ izany hoe mety hanome tsiny be loatra ny tenantsika isika, dia hieritreritra hoe tsy mendrika ny ho tian’Andriamanitra. Milaza koa anefa io andininy io fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra.’ Inona no dikan’izany? Fantany daholo ny mombamomba antsika ary hainy tsara ny fihetseham-pontsika sy ny fahalementsika. Fantany koa hoe vao teraka isika dia efa tsy lavorary, dia lasa manana faniriana hanao ratsy foana. b (Salamo 51:5) Tsy manilikilika antsika àry izy, raha tena mibebaka amin’ny zavatra tsy nety nataontsika isika.—Salamo 32:5.

  •   Aza eritreretina intsony izay zavatra tsy nety nataonao taloha. Tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe betsaka ny lehilahy sy vehivavy nanao zavatra tsy nety, nefa niova ihany tatỳ aoriana. Anisan’izany izao i Saoly avy any Tarsosy, ilay nantsoina hoe apostoly Paoly tatỳ aoriana. Fariseo izy ka tena nanenjika ny mpanara-dia an’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 8:3; 9:1, 2, 11) Rehefa fantany anefa hoe nanohitra an’Andriamanitra sy ny Mesia, na Kristy, izy, dia nibebaka sy niova izy, ary lasa modely tsara ho an’ny Kristianina. Tena nanenina tamin’ny zavatra tsy nety nataony taloha i Paoly. Tsy nifantoka tamin’izany intsony anefa izy. Fantany hoe tena namindra fo taminy Andriamanitra, dia lasa mpitory nazoto izy, sady nifantoka tamin’ilay fanantenany hoe hiaina mandrakizay.—Filipianina 3:13, 14.

 Andinin-teny momba ny hoe manamelo-tena sy mamela heloka

 Salamo 51:17: “Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!”

 Inona no dikan’izany: Tsy hanilikilika anao noho ny fahadisoana nataonao Andriamanitra raha tena miaiky ianao hoe nampalahelo azy ny zavatra nataonao. Hamindra fo aminao aza izy.

 Ohabolana 28:13: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”

 Inona no dikan’izany: Raha miaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra isika, ka miova, dia hamela ny helotsika izy.

 Jeremia 31:34: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.”

 Inona no dikan’izany: Rehefa navelan’Andriamanitra ny helotsika, dia tsy hampahatsiahiviny antsika intsony. Tena mamela heloka tanteraka izy.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Eksodosy 6:3.

b Mpanota isika ka lasa manana faniriana hanao ratsy foana. Nandova ota tamin’ilay lehilahy voalohany atao hoe Adama mantsy isika. Nanota tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva vadiny, ka lasa tsy lavorary, dia lasa tsy lavorary koa ny taranany.—Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12.