Hijery ny anatiny

Afaka Mitsabo Tena ve ny Kristianina Rehefa Marary?

Afaka Mitsabo Tena ve ny Kristianina Rehefa Marary?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Hita amin’ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy fa afaka mitsabo tena ny Kristianina rehefa marary. Hoy mantsy izy: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.” (Matio 9:12) Marina fa tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly. Misy toro lalana afaka manampy antsika hampifaly an’Andriamanitra anefa ao.

Eritrereto izao:

 1. Azoko tsara ve hoe inona avy no tafiditra amin’ilay fitsaboana? Mampirisika antsika mantsy ny Baiboly mba hanadihady tsara, fa tsy tonga dia ‘hino ny teny rehetra’ lazain’ny olona.—Ohabolana 14:15.

 2. Sao dia tokony hanontany dokotera hafa aho? Mety hanampy be anao mantsy raha “maro ny mpanolo-tsaina” anao, indrindra raha atahorana be ny aretinao.—Ohabolana 15:22.

 3. Mandika ny didin’ny Baiboly momba ny ra ve ilay fitsaboana? Voalaza ao mantsy fa tokony ‘hifady ny ra’ ny Kristianina.—Asan’ny Apostoly 15:20.

 4. Mifandray amin’ny fanahy ratsy ve ilay dokotera mba hahafantarany an’ilay aretina na rehefa mitsabo? Raran’ny Baiboly mantsy ny “filalaovana ody.” (Galatianina 5:19-21) Mba hahalalana izany, dia eritrereto izao:

  •   Mifandray amin’ny fanahy ratsy ve ilay dokotera?

  •   Hita amin’ny fomba fitsaboany ve fa mieritreritra izy hoe noho ianao nampahatezitra andriamanitra na namosavin’ny fahavalonao no nahatonga anao harary?

  •   Manao sorona na miantsoantso fanahy ratsy ve izy, na manao fombafomba misy ifandraisana amin’ny fanahy ratsy na mampiasa ody, rehefa manamboatra na mampiasa fanafody?

 5. Variana loatra mikarakara ny fahasalamako ve aho? Hoy mantsy ny Baiboly: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Raha mahay mandanjalanja ianao, dia hifantoka amin’izay “zava-dehibe kokoa”, anisan’izany ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.—Filipianina 1:10; Matio 5:3.