Hijery ny anatiny

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Fitondram-panjakana naorin’i Jehovah Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Antsoina hoe “ny fanjakan’ny lanitra” koa ny “fanjakan’Andriamanitra” satria avy any an-danitra izy io no mitondra. (Marka 1:14, 15; Matio 4:17) Misy itovizana amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izy io, nefa avo lenta kokoa.

  •   Mpitondra. Notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’ilay Fanjakana i Jesosy Kristy, ary nomeny fahefana ambony izay tsy ho azon’ny olombelona mihitsy na iza izy na iza. (Matio 28:18) Efa noporofoin’i Jesosy fa Mpitarika azo itokisana sy tsara fanahy izy, ka tsy hampiasa ny fahefany afa-tsy hanaovan-javatra tsara. (Matio 4:23; Marka 1:40, 41; 6:31-34; Lioka 7:11-17) Nanaraka ny toromarik’Andriamanitra i Jesosy, ka efa nifidy olona avy amin’ny firenena rehetra mba hiaraka aminy any an-danitra “ho mpanjaka hitondra ny tany.”—Apokalypsy 5:9, 10.

  •   Faharetany. Tsy mitovy amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izay mifandimbindimby ny Fanjakan’Andriamanitra. “Tsy ho rava mandrakizay” izy io.—Daniela 2:44.

  •   Vahoaka. Ny olona rehetra manao izay takin’Andriamanitra no ho afaka ny ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na iza na iza razambeny ary na taiza na taiza toerana nahaterahany.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

  •   Lalàna. Tsy hoe mandrara ny olona tsy hanao ratsy fotsiny ny lalàna avoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa mahatonga ny vahoakany hanaraka fitsipi-pitondran-tena tsara koa. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’” (Matio 22:37-39) Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny vahoakan’ilay Fanjakana, ka mieritreritra an’izay hahasoa ny olon-kafa foana rehefa manao zavatra.

  •   Fanabeazana. Mametraka fitsipika ambony harahin’ny vahoakany ny Fanjakan’Andriamanitra, sady mampianatra azy ireo ny fomba hanarahana an’izany.—Isaia 48:17, 18.

  •   Tanjona. Tsy mampahory ny vahoakany mba hampanan-karena ny mpitondra ao aminy ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra kosa izy io, anisan’izany ilay fampanantenany hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izay tia azy.—Isaia 35:1, 5, 6; Matio 6:10; Apokalypsy 21:1-4.