Hijery ny anatiny

Hery Fotsiny ve Andriamanitra?

Hery Fotsiny ve Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Mampiasa ny heriny lehibe eo amin’izao rehetra izao Andriamanitra. Izao no lazain’ny Baiboly mahakasika ny fomba namoronany an’ireo kintana tsy hita isa: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho [Andriamanitra] manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.”—Isaia 40:25, 26.

 Tsy hoe hery fotsiny anefa Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa manana fihetseham-po koa izy, ohatra hoe afaka mitia ary afaka mankahala. (Salamo 11:5; Jaona 3:16) Lazain’ny Baiboly koa fa misy vokany eo amin’ny fihetseham-pon’i Jehovah izay ataon’ny olombelona.—Salamo 78:40, 41.